Toko faha 8

1 (Fagnamariha: Atio gny fagnamariha momban'i Jaona 7: 53-8: 11ambany eo) nagnagny atendrombohis'Oliva Jesosy. 2 Vo maray dra nagnegny atendrombohisy ndraiky izy, dra gny olon'aby nagnato anazy; nipetraky Izy dra napianasy anereo. Reo panora-dalana vo reo Fariseho dra ninday apela raiky trasy nizangazanga. Napetrak'ereo teo agnevon'ereo eo. 4 (Fagnamariha: Atio gny fagnamariha momban'i Jaona 7: 53-8: 11 ambany eo) Boak'eo hoy ereo taminazy ho: "Ry papianasy o, ty apela tihoky dra trasy teo apizangazanga. 5 Dra ao amigny lalana, Mosesy nibaiko anay ba hitora-bato anazy gny olo manahaky anizay; ino gny zakanao momba anazy?" 6 Nizakan'ereo hamandriha anazy avo anefa zay ba afahan'ereo hasiaky Anazy, fa Jesosy koa niondriky dra nanorasy tamigny tany tamigny tagnany. 7 (Fagnamariha: Atio gny fagnamariha momban'i Jaona 7: 53-8: 11ambany eo) Gny fa nametraky fagnotania taminazy hatragny ereo, dra nisanga Izy dra nizaka ereo, dra nisanga Izy nizaka anereo ho: "Ze sy nanota tamindrareo, aoky izy gny hitora-bato anazy volohany." 8 Dra niondriky ndraiky Izy, dra nanorasy tamigny tany tamigny tagnany. 9 (Fagnamariha: Atio gny fagnamariha momban'i Jaona 7: 53-8: 11 ambany eo) Gny fa nahare anizay ereo, dra niala siraidraiky, nanomboky tamigny zokiny indrindra. Dra gny farany dra Jesosy raiky avo sisa tavela teo, niaraky tamigny apela honitorahy igny. 10 Nisanga Jesosy dra nizaka taminazy ho: "Rapela, fa lasa eza reo nasiaky taminao reo? Sy misy misy masiaky anao ra?" 11 Hoy izy ho: "Sy misy , Topoko." Dra hoy Jesosy ho: "Sy masiaky anao zaho. Mandehana ka manota sasy."] 12 Nizaka tamin'ereo ndraiky Jesosy manao anizahoky ho: "Izaho gny fahazavan'izao totolo izao; ze magnaraky anahy dra sy handeha amigny mezy fa hana gny fahazavanigny fiegna." 13 Hoy reo fariseho taminazy ho: "Hanao dra mizaka gny vatanao; sy mary gny zakanao." 14 Jesosy namaly dra nanao tamin'ereo ho: "na dre mitalily gny vatako aza zaho, dra mary gny taliliko. Fataso gny nihaviako vo gny lala handehanako, fa handrareo koa sy mahafatasy ze niaviako na ze handehanako. 15 Handrareo dra misara araky gny nofo; fa Zaho sy misara na iza na iza. 16 Na dre misara aza zaho; dra mary gny fisarako akory sy raiky zaho, fa miaraky amigny Ray ze nagniraky anahy. 17 Eh, dra ao amigny lalandrareo dra voasorasy fa mary gny fizoroanigny olon-dro vavolombelo. 18 Izaho gny mitalily gny vatako, dra gny Ray ze nagniraky gny vatako, dra gny ze nagniraky anahy avo koa dra mitalily Anahy. 19 Hoy ereo taminazy ho: "Eza gny ranao?" Jesosy namaly ho: "Sy fatandrareo na Izaho na gny rako, raha nahafatasy Anahy handrareo, dra mahafatasy gny rako avo koa." 20 Teo agnilanigny fandasahandrakisy Izy gny nizaka anizay zaka zay, raha igny Izy napianasy teo amigny tepoly igny, dra sy nisy nanambosy anazy akory bo sy avy gny ora. 21 Dra hoy ndraiky Izy tamin'ereo ho: "Handeha zaho; hitalia anahy handrareo dra ho maty amigny fahotandrareo. Ze andehanako, dra sy ho azondrareo handehana." 22 Hoy reo Jiosy ho: "Hamono tegna ra Izy? Izay ra gny atony nizakany ho: 'Ze andehanako, dra sy azondrareo handehana?" 23 Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Boaky ambany etiky handrareo; Izaho koa boaky agnabo agny. Avy amin'izao totolo izao handrareo fa Izaho sy avy amin'izao totolo izao. 24 Noho izay, zinakako tamindrareo fa ho maty ao amigny fahotandrareo handrareo. Fa raha sy mino handrareo fa IZAHO GNY IZY, dra ho maty amigny fahotandrareo handrareo." 25 Noho izay dra hoy ereo taminazy ho: "Iza moa hanao io?" Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Araky ze voazako tamindarreo hatragny ambolohany. 26 Mana raha maro ho zaka vo hisara momba andrareo zaho. Kanefa, Izy ze nagniraky anahy dra mary; dra reo raha reo avy taminazy, dra hozakako amin'izao totolo izao." 27 Sy azon'ereo anefa fa izy dra nizaka tamin'ereo momba gny Ray. 28 Hoy Jesosy ho: "Gny fa asandrandrareo gny Zanak'Olo, dra ho fatandrareo fa Izaho gny Izy, dra sy manao na ino na ino ho anahy zaho. Araky gny napenaranigny Ray anahy, gny hizaka reo raha reo. 29 Izy ze nagniraky anahy dra miaraky aminahy, dra sy namaly anahy ho irery Izy, noho izaho manao ze akasitrahany mandrakariva." 30 Raha nizaka reo raha reo Jesosy, dra maro gny nino Anazy. 31 Jesosy nizaka tamireo Jiosy ze nino anazy ho: "Raha mitoby amigny zakako handrareo, dra ho tena pianaso; 32 dra ho fatandrareo gny mary, dra gny mary hagnafaky andrareo." 33 Dra ereo namaly anazy ho: "Taranak'i Abrahama zahay dra sy bo nandevozin'iza na iza hatrizay; ko ino gny hizakanao ho: 'Ho afaky handrareo?' 34 Jesosy namaly anereo ho: "Zakako amindrareo mary fa reo ze manota dra andevonigny ota. 35 Gny andevo dra sy mitoby ao atragno mandrakizay; fa gny zanaky gny mitoby mandrakizay. 36 Noho izay, raha gny zanaky gny magnafaky andrareo, dra ho afaky handrareo. 37 Fataso fa taranak'i Abrahama handrareo; mitalia ze hahafaty anahy akory sy mana toera ao amindrareo gny zakako. 38 Mizaka ze hitako niaraky tamigny rako zaho, dra handrareo koa manao ze rendrareo tamigny randrareo. 39 Namaly ereo dra nizaka taminazy ho: "Abrahama gny ranay." Jesosy nizaka anereo ho: "Raha zanak'i Abrahama handrareo, dra hanao gny asan'i Abrahama. 40 Kanefa, amizao handrareo tehamono anahy, ze lelahy nizaka tamindrareo gny mary reko tamin'Agnahary. Abrahama sy nanao anizay. 41 Handrareo dra manao gny asanigny randrareo." Hoy ereo taminazy ho: "Sy teraky tamigny fizangazanga zahay; raiky avo gny ranay: Dra i Zagnahary zay. 42 Jesosy nizaka anereo ho: "Gny Zagnahary gny randrareo, dra tokony ho tia anahy handrareo, akory avy Tamin'Agnahary gny niboahako vo nandehanako atiky; fa sy avy ho azy avo zaho, fa Izy gny nagniraky anahy. 43 Nagnino gny sy azondrareo gny zakako? Izay dra sy afaky hagneky gny zakako, gny devoly, dra gny tiandrareo atao dra gny filana ze nataonigny randrareo. pamono olo hatramizay izy dra sy mizoro amigny fahamarigna akory sy misy ao aminazy. Gny fa mavandy Izy, dra gny toetra fanaony avo gny zakany akory pavandy Izy dra ranigny vandy. 45 Kanefa, akory , mizaka gny mary zaho, dra sy mino handrareo. 46 IZa amindrareo gny masiaky anahy amigny fohota? Gny mizaka gny mary Zaho, nagnino gny sy hinoandrareo io? 47 Ze avy amin'Agnahary; sy mahare gny zakan'Agnahary; sy mahare anizay handrareo akory sy avy amin'Agnahary." 48 Namaly reo Jiosy dra nizaka taminazy ho: "Moa ra sy mizaka gny mary zahay fa Samaritana Hanao dra misy demonia?" 49 Jesosy namaly ho: "Sy misy demonia zaho, fa magnome voninahisy gny Rako, dra handrareo sy magnome voninahisy Anahy. 50 Sy mitalia gny voninahisy Zaho; misy raiky mitalia vo mizaka. 51 Zakako amindrareo mary fa gny misy mitandry gny zakako, dra sy hahita fahafatesa izy." 52 Hoy reo Jiosy taminazy ho: "Amizao fatasay fa mana demonia Hanao. Fa maty Abrahama vo reo paminany; kanefa hanao mizaka ho: 'Raha misy mitandry gny zakakao, dra sy hahita fahafatesa mandrakizay izy.' 53 Sy lahibe noho gny babany Abrahama ze fa maty Hanao, sa lahibe? Reo pianany avo koa dra maty. Manao gny vatanao ho Iza moa Hanao io?" 54 Jesosy namaly ho: "Raha makalaza gny vatano zaho, dra sinosino gny voninahiso; gny Babako ze ataondrareo ho zagnahary gny makalaza anahy. 55 Sy fatasao Izy, fa Izaho mahafatasy Anazy. Raha mizaka zaho ho: 'Sy mahafatasy anazy Zaho,' dra hanahaky andrareo, pavandy. Kanefa, fataso Izy dra mitandry gny zakany zaho. 56 Gny babandrareo dra nifaly nahita gny androko, nahita anizay izy dra faly. 57 Hoy reo Jiosy taminazy ho: "Bo sy misy dimapo tao hanao, dra ho fa nahita an'i Abrahama ra?" 58 Dra hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Zakako amindrareo fa talohanigny nahaterahan'i Abrahama, dra Izaho gny Izy." 59 Boak'eo dra nangalaky vato hatoraky anazy ereo, fa Fesosy koa niery dra niboaky tepoly.