Toko faha 20

1 Dra vo marainigny andro volohanigny harignandro, raha bo mezy igny, dra nagnegny amigny lolo Maria Magdalenina dra nahita gny vato fa nige lavisy gny lolo izy. 2 Noho izay dra nilomay izy dra nagnato an'i Simona Petera vo gny pianasy hafa ze tian'i Jesosy, dra hoy izy tamin'ereo ho: "Nalan'ereo tao amigny lolo gny Topo, dra sy fatasy ze nametrahan'ereo Anazy." 3 Boak'eo nandeha niboaky Petera vo gny pianasy hafa, dra nagnagny amigny lolo ereo. 4 Samby nilomay ereo, dra nilomay pianasy hafa malaky Petera dra izy gny avy voloha tegny amigny lolo. 5 Boak'eo niondriky izy, dra nahita gny lamba-paty nipetraky teo, fa sy bo nino tao agnatiny izy. 6 Avy tafarany boak'eo Simona Petera dra nilisy tao andolo. Hitany nipetraky teo gny lamba-paty 7 vo gny lamba natao tegny amigny lohany. Sy niara-nipetraky tamigny lamba-paty anefa gny izy fa nivaliky hoazy teo amigny toerany. 8 Boak'eo gny pianasy raiky hafa, gny raiky avy volohany teo amigny lolo, nilisy tao agnatiny koa, dra nahita vo nino izy. 9 Fa hatram'io fatoa io ereo dra sy bo nahafatasy gny Sorasy Masy avo fa izy dra sy izy dra sy maisy hisanga amigny maty. 10 Dra nihery ta atragnony agny ndraiky reo pianasy. 11 Fa Maria dra nizoro nitomagny teo ivelanigny olo. Izy nitomagny igny, dra niondry tao amigny lolo. 12 Nahita azely ro mikezo lamba fosy nipetraky izy, gny raiky teo amigny toera nametra gny vatan'i Jesosy. 13 Hoy ereo tamigny ho: "Rapela, nagnigno hanao tomagny io?" Hoy izy tamin'ereo ho: "Akory nandesin'ereo gny Topoko, dra sy fataso ze nametrahan'ereo anazy." 14 Gny fa boaky nizaka izy, dra nitoliky dra nahita an'i Jesosy nisanga teo, fa sy fatany anefa ho i Jesosy io. 15 Hoy Jesosy taminazy ho: "Rapeka, Nagnino hanao tomagny io? Fa iza atianao io?" Niheveriny fa gny piamby anefa Izy, dra hoy Izy tamigny ho: "Topoko, raha hanao gny nangalaky, dra zakao aminahy gny nametrahanao anazy, fa halako agny Izy." 16 Hoy Jesosy taminazy ho: "Maria." Nitoliky izy, dra nizaka taminazy tamigny zaka Hebreo ho: "Rabony" (midika ho: "papianasy.") 17 Hoy Jesosy taminazy ho: "Ka mikasiky anahy, fa sy bo niakasy tamy babako agny zaho, fa mandehana agny amireo rahalahiko dra zakao anereo fa hiakasy amigny babako agny zaho, dra gny Zagnahariko vo zagnaharindrareo." 18 Nandeha Maria Magdalenina dra nizaka reo pianasy ho: "Nahita gny Topozaho," dra raha reo gny nizakany taminazy. 19 Dra hariva tamizay, tamin'io andro io, andro volohanigny herignandro, dra reo vatrangara ze nisy reo pianasy, dra nihily noho gny fatahora gny Jiosy, nagnato Jesosy dra nizoro teo agnevon'ereo dra nizaka anereo ho: "Fedagna ho andrareo." 20 Gny fa boaky nizaka anizay Izy, dra nasehony anereo gny tagnany vo gny lanivoany. Faly reo pianasy gny fa nahita gny Topo. 21 Boak'eo Jesosy nizaka anereo ho: "Fedagna ho andrareo. Manahaky gny nagnirahanigny Ray anahy, gny hagnirahako andrareo koa." 22 Gny fa boaky nizaka anizay Jesosy, dra nisioky gny fofon'ay tamin'ereo dra nizaka anereo ho: "Takaro gny fagnahy mary. 23 Na helok'iza na helik'iza avelandrareo, dra ho voavela ereo; ary na an'iza na an'iza sy avelandrareo, dra sy avelandrareo ereo. 24 Tomasy, raiky tamireo ro ambiny folo lahy, natao ho i Didymo, dra sy niaraky tamin'ereo gny fa avy Jesosy. 25 Reo piansy hafa boak'eo nizaka taminazy ho: "Hitanay gny Topo." Hoy izy tamin'ereo ho: "Raha sy hitako egny amigny tagnany gny loakigny fasiby , dra mametraky gny rasa-tagnako ao agnatinigny loakigny fasiby zaho, dra mametraky gny tagnako eo amigny laliny, dra sy hino zaho." 26 Valo andro tafara atiky dra tao ndraiky reo pianany, dra niaraky tamin'ereo Tomasy. Nagnato Jesosy raha nihily gny vatrangara, dra nizoro niaraky teo amin'ereo, dra nizaka ho: "Fedagna hoandrareo." 27 Boak'eo nizaka an'i Tomasy izy ho: "Magnatogna etiky miaraky amigny tagnanao dra apetraho eto amigny agnovoako zay. Ka kely finoa, fa minoa." 28 Tomasy namaly dra nizaka anazy ho: "Topoko vo Zagnahariko." 29 Hoy Jesosy taminazy ho: "Akory nahita anahy hanao, dra nino. Sambasy reo ze sy nahita, nefa mino. 30 Amizao Jesosy dra nanao famatara maro hafa teo agnatrehan'ireo pianany, famatara ze sy voasorasy tao agnatity boky tihoky, 31 fa voasorasy ba hafahandrareo mino fa Jesosy gny Kristy, gny zanan'Agnahary, dra gny fa mino anazy handrareo, dra hahazo gny fiegna amigny agnarany.