Toko faha 21

1 Tafaran'ireo raha reo Jesosy dra niseho tamireo pinasy ndraiky teo amigny ranomasin'i Tiberiasy. Manahaky anizao gny fomba nisehoany: 2 Simona Petera dra niaraky tamin'i Tomasy ze atao ho i Didymo, Natanaela boaky a Kana agny Galilia, reo zanak'i Zebedio, dra pianas'i Jesosy ro hafa. 3 Hoy Simona Petera tamin'ereo ho: "Handeha hagnarato zaho." Dra hoy ereo taminazy ho: "Zahay, koa, handeha hiaraky aminao." Dra lasa ereo dra nilisy tao asambokely ao, fa sy nahazo na ino na ino ereo nandrisy gny hariva. 4 Dra raha fa mangiran-drasy sahady gny andro, nizoro teo andranomasy Jesosy, fa sy fatan'ireo pianasy ho Jesosy io. 5 Dra hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Ry tovolahy sy mana-kohany ra handrareo io?" Namaly anazy ereo ho: "Aha." 6 Hoy izy tamin'ereo ho: "Ario eo amigny sisiny akavannanigny sambo gny haratondrareo, dra hahazo handrareo." Dra nataon'ereo gny haraton'ereo dra sy nahavita napiakasy anizay tao nohonigny hamarony gny hazandrano ereo. 7 Boak'eo gny pianasy ze tian'i Jesosy tamin'i Petera ho: "Gny Topo Io." Gny fa ren'i Simona Petera fa gny Topo op, dra napilisy gny ambonin'akazony izy (Akory sy nekazo izy) Dra nidikosy tao agnaty ranomasy. 8 Reo pianasy hafa nagnao asambo (akory ereo sy lavisy gny roanga, teo amigny rozatohakiho teo), dra nisito gny harato feno hazandrano. 9 Gny fa tafiakasy androanga ereo, dra nahita afon'ary ereo tegny dra hazandrano teo amboniny, miaraky amigny mofo. 10 Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Mindesa hazandrano maromaro amireo vo azondrareo teo." 11 Dra niakasy Simona Petera dra nanito androanga gny haratony, feno fia bevety io; 153. tena maro be, kanefa sy nitriasy gny harato igny. 12 Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Avia hihina maraindray."Sy nisy tamireo pianasy nahavany nagnotany anazy ho: "Iza moa hanao io?" Fatas'ereo fa gny Topo io. 13 Nagnato Jesosy, nitakasy gny mofo, dra nagnome anizay anereo, manahaky anizay koa gny fia. 14 Fagnitelony amin'io gny nisehoan'i Jesosy tamireo pianasy tafaranigny nisanganany tamigny maty. 15 Gny fa boaky nihina gny hany maraindraray igny ereo, dra hoy Jesosy tamin'i Simona Petera ho: "Simona zanak'i Jaona, tia Anahy mihoasy noho ereo ra hanao?" Hoy Petera tamianzy ho: "E ry Topo , fatasao fa tia anao zaho." Hoy Jesosy taminazy ho: " Fahano reo agnondrinao." 16 Nizaka taminazy fagnindrony ndraiky izy ho: "Simona zanak'i Jaona, tia anahy ra hanao io?" Hoy Petera taminazy ho: "E ry Topo, fatasao fa tia anao zaho." Hoy Jesosy taminazy ho: "Karakarao gny agnondriko. 17 Nizaka taminazy fagnitelony izy ho: "Simona, zanak'i Jaona, tia anahy ra hanao io?" Dra namaly i Petera akory Jesosy nanao gny telo taminazy ho: "Tia anahy ra hanao io?" Dra hoy izy taminazy ho: "Topo, Hanao mahay gny raha aby, fatasao fa tia anao zaho." Hoy Jesosy taminazy ho: "Fahano gny agnondriko." 18 Zakako aminao mary tokoa fa bo tanora hanao dra zara nangalaky reo akazonao vo nandeha tamize tianao, fa gny fa niha-atisy hanao, dra hagnizisy gny tagnanao, dra olo-kafa gny hapekazo anao vo hinday anao amize sy tianao andehana. 19 Dra Jesosy nizaka anizay ba hahafatara ho amigny karaza fahafatesa manahaky gny ino gny hagnomezan'i Petera voninahisy an'Agnahary. Gny fa boaky nizaka anizay Izy, dra hoy Izy tamin'i Petera ho: "Magnaraha Anahy." 20 Nitoliky Petera dra nahita gny pianasy ze tian'i Jesosy nagnaraky anereo, gny raiky niaky apitan'i Jesosy avo koa tao amigny fihinana dra nanao anizahoky ho: "Topo, iza gny hamadiky anao io?" 21 Nahita anazy Petera dra hoy izy boak'eo tamin'i Jesosy ho: "Topo, ino gny hataon'io lalahy io?" 22 Hoy Jesosy taminazy ho: "Raha tiako hitoby izy mandra-piaviako, dra midika ino izay amindrareo? Magnaraha anahy." 23 Dra niparitaky teo amireo pirahalahy zay zaka zay, fa sy ho maty io pianasy io. Nefa Jesosy sy nizaka tamin'i Petera fa sy ho maty gny pianasy hafa, fa ho : "Raha tiako hitoby izy mandra-piaviko, dra midika ino izay amindrareo?" 24 Izy gny pianasy nizoro vavolombelo momba reo raha reo, vo gny nanorasy reo raha reo, dra fatasika fa mary gny fizakany. 25 Misy raha maro hafa koa ze nataon'i Jesosy. Raha voasorasy sirairay aby zay, dra haheriko fa na dre izao totolo izao aza sy ho omby gny boky ze ho soraty.