Toko faha 19

1 Boak'eo nandesin'i Pilato Jesosy dra nizerany. 2 Nandrandra satroky silo reo maramila. Natobin'ereo teo amigny lohan'i Jesosy dra napekazo lamba voloparasy anazy. 3 Nagnato anazy ereo dra nizaka ho: "Arahaba, ry pazakany Jiosy!" dra nazera anazy ereo. 4 Boak'eo niboaky ndraiky Pilato dra nizaka tamin'ereo ho: "Ingo, andesiko amindrareo eto ivelany Izy ba hahafatarandrareo fa sy mahita heloky aminazy zaho." 5 Dra niboaky Jesosy, nanao gny fehilohany silovo gny lamba voloparasy. Hoy Pilato tamin'ereo ho: "Ingo, ty lelahy tihoky!" 6 Gny fa hitanigny lohanigny pisoro vo gny manambonihisy Jesosy, dra nikioky fatrasy ereo vo nizaka ho: "Homboy izy, zerao izy!" Dra hoy Pilato tamin'ereoho: "Alaondrareo izy dra homboy, fa zaho sy mahita heloky aminazy." 7 Namaly anereo Jiosy ho: "Mana lalana isika, dra araky gny lalana dra tokony ho maty Izy akory mizaka tegna ho Zanan'Agnahary." 8 Gny fa rein'i Pilato zay fagnambara zay, dra natahosy izy, 9 dra nilisy tao amigny lapa-pazaka ndraiky izy dra nizaka tamin'i Jesosy ho: "Boaky eza gny fevianao?" Sy namaly anazy Jesosy. 10 Boak'eo Pilato nizaka taminazy ho: "Sy mana manak'avaly aminahy hanao? Sy fatanao ra fa mana fahefa hagnafaky anao zaho?" 11 Namaly anazy Jesosy ho: "Sy mana fahefa aminahy hanao raha sy name anao boaky ambony agny zay. Noho izay, izy nanolosy anahy taminao dra mana heloky bebe kokoa." 12 Tamizay valizaka zay, dra niezaky gny hagnafaky anazy i Pilato, fa nikioky fatrasy reo Jiosy, nanao anizahoky ho: "Raha afahinao io lelahy io, dra sy nama'i Kaisara hanao. Ze manao gny vatany ho pazaka dra manohisy an'i Kaisara aby." 13 Gny fa ren'i Pilato reo zaka reo, dra nizaka niboaky Jesosy dra nipetraky teo amigny seza fisara atao "Lapivato" zay, fa amigny zaka Hebreo ho "Gabata." 14 Dra avy gny andro fagnomagna gny Paska, teo amigny ora faha enina teo. Hoy Pilato tamireo Jiosy ho: "Ingo, gny pazakandrareo!" 15 Nikioky fatrasy ereo ho: "Angao izy, angao izy; homboy izy!" Hoy Pilato tamin'ereo ho: "Tokony hagnombo gny pazakandrareo ra zaho?" Namaly reo lohanigny pisoro ho: "Sy mana pazaka akosin'i Kaisara zahay." 16 Boak'eo dra natolos'i Pilato anereo ho hombo Jesosy. 17 Boak'eo nalan'ereo Jesosy, dra nandeha niboaky izy, nitarazo gny hazo fizalia, ho amigny toera atao ho: "Toeranigny karandoha zay," Amigny Hebreo atao ho "Golgota." 18 Nihombon'ireo tagny Jesosy, dra nisy lelahy ro hafa niaraky taminazy, agnilany agnilany, dra Jesosy agnevo eo. 19 Nanorasy famatara avo koa Pilato dra nametraky anizay teo amigny hazofizalia. Izao gny voasorasy teo: JESOSY BOAKYANAZARETA AGNY, GNY PAZAKANIGNY JIOSY. 20 Maro tamireo Jiosy gny namaky anizay famatara zay akory sy lavisy gny tana gny misy gny toera nagnomboa an'i Jesosy io. Gny famatara dra nisoraty tamigny Hebreo, Latina, vo Grika. 21 Boak'eo hoy reo lohonigny pisoronigny Jiosy tamin'i Pilato ho: "Ka soraty ho: 'Gny pazakanigny Jiosy,' fa aleo ho: 'Ty raiky tihoky nizaka fa: "Izaho gny pazakanigny Jiosy."' 22 Dra namaly Pilato ho: "Ze voasorasy dra voasorasy." 23 Gny fa nihombon'ireo maramila Jesosy, dra nalan'ereo gny lambany, dra nizaran'ereo efasy, dra samby mana raiky isany ereo; dra gny akazo igny koa. Dra sy misy gny akazo igny, fa tehy raiky avo. 24 Boak'eo nifapizaka ereo ho: "Aleo sy triatisika tiky, fa aleo ilokasika dra hohita ze mahazo anazy." Nitranga zay ba hahatateraky gny Sorasy Masy mizaka fa: "Nifapizaran'ereo gny lambako dra nilokany gny akazoko." Izay gny nataon'ireo maramila. 25 Dra nizoro teo agnilanigny hazofizalian'i Jesosy gny reniny, gny rahavavin-dreniny, Maria valin'i Klopa, dra Maria Magdalena. 26 Gny fa nahita gny reniny vo reo pianasy tiany nisanga agnilany ei Jesosy, dra nizaka tamigny reniny Izy ho: "Rapela, ingo gny zanadahinao!" 27 Boak'eo hoy Izy tamigny pianasy ho: "Ingo, gny renindrareo!" Dra tamizay ora zay dra nalanigny pianasy ho aminazy agny izy. 28 Tafaranizay, gny fa nahafatasy fa vita gny raha aby dra ba ho tateraky gny Sorasy Masy, dra hoy Jesosy ho: "Mangetaheta Zaho." 29 Dra nisy tovolahy feno divay marikivy nipetraky teo amin'io toera io, dra nasian'ereo divay marikivy gny sipozy dra nifaheny tamigny Hysopa dra napetapetany tamigny vavany. 30 Gny fa nino gny Jesosy, dra hoy Izy ho: "Fa vita." Niondriky izy dra niala gny fagnahiny. 31 Akory andronigny fiomana tamizay, dra ba sy hizanogna eo amigny hazofizalia mandrisy gny Sabata (akory gny sabata dra andro manan-daza manoka) reo vata-mangasiaky, dra nangataky tamin'i Pilato vo reo Jiosy boak'eo, gny ba hanapaha gny tombok'ereo dra hanay anereo. 32 Boak'eo nagnato reo maramila dra nanapaky gny tombokigny lelahy volohany igny vo gny faha ro niaraky tamin'i Jesosy. 33 Gny fa nagnato an'i Jesosy ereo, dra nahita fa maty izy, dra sy nitapahin'ereo gny tombony. 34 ZKanefa, nisy maramila raiky nanindro gny lanivoany tamigny lefo, avy hatragny dra nisy lio vo rano niraraky. 35 Gny raiky ze nahita anizay dra nizoro vavolombelo, dra mary gny fagnambarany. Famata fa mary ze nizakany ba hanohera avo koa. 36 Fa reo raha reo gny nitranga ba hahateraky gny Sorasy masy ho: "Sy hisy ho tapaky na dre raiky gny tolany." 37 Dra bo, misy sorasy Masy hafa mizaka ho: "Ereo dra hagnety ze nilefognin'ereo." 38 Tafaranireo raha reo, Josefa niavy ta Arimatia ao, hatramigny naha-pianas'i Jososy anazy (fa tao amigny mingikingiky nohonigny fatahora reo Jiosy), nagnotany an'i Pilato vasa afaky mangalaky gny vatan'i Jesosy izy. Namen'i Pilato lala izy. Dra nalany Josefa gny vata mangasiak'i Jesosy. 39 Avy tagny avo koa Nikodemosy, izy dra voalahany hagnety an'i Jesosy gny harivanigny. Dra ninday menaky magnisy vo botela izy, teo amigny zato litasy teo gny farany. 40 Dra nitakarin'ereo gny vatan'i Jesosy dra namogno anizay tamigny lamba-paty vo raha magnisy, araky gny fomba fandevegna Jiosy. 41 Dra teo amigny toera nagnomboa anazy dra nisy lolo vaovao bo sy nandevegnan'olo ndraiky. 42 Akory andronigny fiomagnan'ireo Jiosy tamizay kory agny lanigny lolo eo, dra nalevin'ereo tao Jesosy.