Toko faha 18

1 Tafaranigny nizakan'i Jesosy reo zaka reo, dra niboaky niaraky tamireo pianany Izy ho egny apita egny amigny lohasan-driaky an'i Kidrona, ze nisy saka nilirany vo reo pianany. 2 I Jodasy, ze hamadiky an'i Jesosy, nahafatasy gny toerako koa, akory nandeha matetiky tegny Jesosy vo reo pianany. 3 Boak'eo Jodasy, niteraky reo vondro maramila vo reo piamby raharaha ilany boaky amireo lohanigny pisoro vo Fariseho, nandeha tagny niaraky tamigny Fanilo, fagnala dra fitova felia. 4 Boak'eo Jesosy ze fa nahafatasy gny raha aby hitranga aminazy, nandroso taloha vo nagnotany anereo ho: "Iza gny taliavindrareo io?" 5 Namaly anazy ereo ho: "Jesosy boaky a Nazareta." Dra hoy Jesosytamin'ereo ho: "Izaho gny Izy." Jodasy namadiky anazy, dra nisanga niaraky tamireo maramila koa. 6 Dra gny fa nizaka tamin'ereo Izy ho: "Izaho gny Izy" dra nihemosy ereo dra lavo tamigny tany. 7 Boak'eo ndraiky dra nagnotany anereo Izy ho: "Iza gny taliavindrareo?" Dra nizaka ndraiky ereo ho: "Jesosy boaky a Nazareta." 8 Jesosy namaly ho: "Nizaka andrareo zaho fa Izaho gny Izy. Noho izay gny mitalia anahy handrareo, dra angao tahoky handeha." 9 Izay dra ba hahatateraky gny zaka nizakany ho: "Amireo ze namenao anahy, sy nasiako levo na raiky aza." 10 Boak'eo Simona Petera, nana mesa, namoaky anizay dra nagnisy gny panoponigny pisombe dra nanapaky gny sofiny akavana. Dra Malko gny agnaranigny panopo. 11 Hoy Jesosy tamin'i Petera ho: "Aheregno ao amigny tragnony gny mesanao. Sy tokony hino gny kapoaky ze namenigny Ray anahy ra zaho?" 12 Noho izay reo vondro maramila vo gny kapiteny, dra reo piamby raharahan'ireo Jiosy, dra nanambosy an'i Jesosy dra namehy anazy. 13 Nandesin'ireo tagny amin'i Anasy Izy aloha akory izy dra rafozan-dahin'i Kaiafa, ze pisorombe tamin'io tao io. 14 Dra Kaiafa dra gny nagnome misy olo raiky maty ho anigny vahoaky. 15 Nagnaraky an'i Jesosy Simona Petera dra nanao manahaky anizao koa gny pianasy raiky hafa. Dra fatasigny pisorombe zay pianasy zay, dra nilisy niaraky tamin'i Jesosy tao amigny kiazanigny pisorombe izy; 16 fa Petera dra nizano tao ivelanigny vavahady. Noho izay gny pianasy hafa, ze fatasy gny pisorombe, dra niboaky nizaka tamigny panopo dra ninday an'i Petera hilisy. 17 Boak'eo gny panopo apela, piamby gny vavahady, nizaka tamin'i Petera ho: "Hanao koa ra sy raiky amigny pianas'io lelahy ihoky?" Hoy izy ho: "Sy Izy zaho." 18 Dra nizano teo reo panopo vo reo piambin'aby, akory nangasiaky gny andro; dra nagnafaky gny vatan'ereo. Petera koa niaraky tamin'ereo, nizoro teo dra nagnafaky gny vatany. 19 Nagnotany an'i Jesosy momba reo pianany vo gny fapenarany gny pisorombe. 20 Jesosy namaly anazy ho: "Nizaka apahibemaso tamin'izao totolo izao zaho. Napianasy mandrakariva tao amigny Synagoga vo tao amigny tepoly Zaho ze nifapitaonanigny Jiosy aby. Sy nisy nizakako tamigny tako. 21 Nagnino hanao nagnotany anahy? Agnotanio an'ireo ze nahare anahy momba ze nizakako. Atio reo olo reo dra mahay ze nizakako. 22 Gny fa boaky nizaka anizay Jesosy, dra nisy raiky tamireo piamby raharaha nizano teo namelaky tehamay an'i Jesosy dra nizaka ho: "Izay ra gny fomba hamalianao gny pisorombe?" 23 Jesosy namaly anazy ho: "Raha nizaka raha diso zaho, mizoroa vavolombelo amizay diso zay, fa raha mary, nagnino hanao gny mamaly Anazy?" 24 Boak'eo Anasy nandefa anazy mifehy amin'i Kaiafa gny pisorombe. 25 Dra nisanga Petera dra nagnafana gny vatany. Boak'eo ho reo olo taminazy ho: "Hanao koa ra sy raiky amireo pianany? Nanda anizay izy dra nizaka ho: "Sy izy zaho." 26 Raiky tamireo panoponigny pisorombe, havanigny lelahy igny nizeran'i Petera gny sofiny, nizaka ho: "Sy hitako niaraky taminazy tao amigny saka ra hanao?" 27 Boak'eo Petera nanda ndraiky, dra nagneno gny akoho igny. 28 Boak'eo nandesin'ereo boak'ao amin'i Kaiafa hagnagnaty rova agny Jesosy. Bo maraindray be gny andro tamizay, dra ereo dra sy nilisy tao agnaty rova ba sy ho voaloty fa hihina gny Paska. 29 Dra niboaky teo amin'ereo i Pilato dra nizaka ho: "Ino gny fiapanga andesindrareo manohisy ty lelahy tihoky?" 30 Namaly ereo dra nizaka taminazy ho: "Raha sy panao rasy io lelahy io, dra sy ho natolosay anao." 31 Noho izay Pilato nizaka tamin'ereo ho: "Handesondrareo izy, dra sarao araky gny lalandrareo." Hoy reo Jiosy taminazy ho: "Sy ara-dalana ho anay gny manolosy olo ho maty." 32 Nizaka anizay ereo ba hahatateraky gny zakan'i Jesosy ze nizakany ba hizaka ho karaza fahafatesa manahaky gny ino gny hahafatesany. 33 Boak'eo nilisy tao agnaty rova ndraiky Pilato dra nitoka an'i Jesosy dra nizaka taminazy ho: "Hanao ra gny pazakanigny Jiosy?" 34 Jesosy namaly ho: "Fagnotania avy aponao ra zao io, sa nisy hfa nizaka anao momba anahy?" 35 Pilato namaly ho: "Sy Jiosy zaho, sa sy zay?" gny vahoakinao vo reo lohanigny pisoro gny nanolosy anao taminahy ino gny nataonao?" 36 Jesosy namaly ho: "Gny fazakako dra sy boaky amizao totolo izao. Fa raha bo ao agnatin'izao totolo izao gny fazakako, dra hialy reo panopoko ba sy hanolora anahy amireo Jiosy. Fa amizao gny fazakako dra sy boaky eto." 37 Boak'eo i Pilato nizaka taminazy ho: "Pazaka zany hanao io?" Jesosy namaly ho: "Voalazanao fa pazaka zaho. Fa ho amizay tazona zay gny nahaterahako, dra ho amizay atony izay gny niaviako eto amizao totolo izao, ba hizoroako vavolombelo amigny fahamarigna. Reo aby ze anigny fahamarigna dra miteno gny feoko." 38 Pilato nizaka taminazy ho: "Ino gny atao ho marina?" Gny fa boaky nizaka anizay izy, dra niboaky ndraiky nizaka tamireo Jiosy ho: "Sy mahita heloky amity lelahy tihoky zaho. 39 Fa handrareo mana fomba ze hagnafahako olo raiky ho amindrareo amigny Paska. Noho izay tiandrareo ra gny hagnafahako amindrareo gny pazakanigny Jiosy?" 40 Boak'eo reo nikioky fatrasy ndraiky ereo dra nizaka ho: "Sy lelahy ihoky, fa Barnabasy." Dra Barnabasy dra pangalasy.