Toko faha 17

1 Gny fa boaky nizaka reo raha reo Jesosy, dra nanadrasy gny masony ho amigny lagnisy Izy dra nanao anizahoky ho: "Ray o, avy gny fotoa, makalaza gny zanakao ba hakalazanigny Zanaky Anao_ 2 Manahaky gny nagnomezanao anazy fahefa amboninigny nofo aby ba hagnomeza fiegna mandrakizay ho anize namenao anazy aby. 3 Izao gny fiegna mandrakizay: dra gny ahafataran'ereo Anao, gny Zagnahary toka sady mary, dra Izy ze nirahinao, dra Jesosy Kristy. 4 Nakalaza anao zaho teto atany. Fa vitako gny asa ze namenao anahy hataoko. 5 Amizao ry ray, akalazao miaraky amigny vatanao zaho amigny voninahisy ze nanagnako niaraky taminao talohanigny raharia izao totolo izao. 6 Napahafatasy gny agnaranao tamigny olo ze namenao anahy boaky amizao totolo izao zaho. Anao reo, dra namenao anahy, vo nitandremany gny zakanao. 7 Amizao fatas'ereo fa gny raha aby ze namenao anahy dra boaky aminao, 8 nameko anereo avokoa gny zaka ze namenao anahy. Nitakarin'ereo reo dra fatany mary fa boaky taminao zaho, dra nino ereo fa hanao gny nagniraky anahy. 9 Mivavaky ho anereo zaho. Sy mivavaky ho an'izao totolo izao zaho fa ho anireo ze namenao anahy, noho ereo Anao. 10 Gny raha aby ze anahy dra anao, vo ze anao dra anahy, dra hakalaza amireo Zaho. 11 Sy amizao totolo izao sasy zaho, fa reo olo reo dra eto amizao totolo zao, dra magnato andrareo zaho. Ray Masy o, Tano amigny agnaranao ze namenao anahy ereo ba hitambasy ho raiky, manahaky gny maha raiky Antsika. 12 Raha bo teo amin'ereo zaho, dra nihazo anereo tamigny agnaranao, ze namenao anahy. Niaro anereo zaho, dra sy nisy levo na dre raiky aza, afa-sy gny zanaky gny fahavereza avo koa, ba ho tateraky gny Sorasy Masy. 13 Dra ho agny aminao zaho, fa mizaka reo raha reo amizao totolo izao zaho ba hahatateraky gny hafaliako ao amin'ereo. 14 Fa nameko anereo gny zakanao, dra nakalazan'izao totolo izao ereo sy avy amizao totolo izao, manahaky Anahy sy an'izao totolo izao. 15 Izaho dra sy mangataky Aminao gny hangalanao anereo amin'izao totolo izao fa gny ba herovanao anereo amigny rasy. 16 Ereo dra syan'izao totolo izao, manahaky anahy sy an'izao totolo izao. 17 Hamasigno amigny fahamarigna ereo. Fa gny vatanao gny fahamarigna. 18 Manahaky gny nagnirahanao Zaho ho amin'izao totolo zao, gny nagniraky anereo ho amin'izao totolo izao avo koa. 19 Fa nohonigny fitiavako anereo gny nagnamisagnako gny vatako, ba hagnamasy gny vatan'ereo amigny fahamarigna avo koa. 20 Izaho dra sy mivavaky ho anireo avo, fa ho anireo ze hino anahy amigny alalanigny zakan'ereo koa 21 ba ho raiky avo izy aby, manahaky anao, ray ato aminahy, dra Izaho ao aminao. Mivavaky Zaho ba ho ao amisika avo koa ereo ba hinoan'izao totolo izao fa nagniraky Anahy Hanao. 22 Gny voninahisy ze namenao anahy, dra nameko anereo, ba ho raiky ereo, manahaky gny maha raiky asika. 23 Izaho ao amin'ereo, dra hanao ato aminahy__dra ho tana raiky tateraky vatany ereo, ba ho fatas'izao totolo izao fa nagniraky Anahy hanao, dra nitia anereo manahaky gny nitiavanao Anahy. 24 Ray o, reo ze namenao anahy dra tiako hiaraky aminahy na eza na eza misy anahy, dra hahita gny voninahiso, gny voninahisy ze namenao anahy akory nahita Anahy Hanao talohanigny naharia anizao totolo izao. 25 Ray mary o, sy nahay Anao izao totolo izao, fa Izaho mahay anao; dra ereo mahay fa nagniraky anahy hanao. 26 Napahafatariko anereo gny agnaranao, dra bo ho hapahafatariko anizay ba ho ao amin'ereo gny fitiava ze nitiavanao Anahy, dra Izaho ho ao amin'ereo.