Toko faha 16

1 "Nizakako tamindrareo zay raha aby zay ba sy ho solafaky handrareo. 2 Ho roahin'ereo ao amigny Synagoga handrareo. Fa avy gny andro gny fa hihevisy ze mamono andrareo aby fa ereo dra manolosy raha soa ho an'Agnahary. 3 Hataon'ereo zay fa akory sy mahay gny Ray na gny Vatako ereo. 4 Nizakako andrareo reo raha reo ba gny fa avy gny oran'ereo, dra ho saroandrareo fa nizakako tamindrareo gny momba anereo. Sy zinakako tamindrareo reo raha reo tagny apiandoha, akory bo teo amindrareo zaho. 5 Fa amizao ho agny amigny nagniraky Anahy zaho, nefa sy bo nisy nagnotany Anahy handrareo ho: "Handeha ho eza moa hanao io?" 6 Fa nizakako tamindrareo reo raha reo, dra alahelo gny nameno gny fondrareo. 7 Fa zakako amindrareo soa ho andrareo gny handehanako. Akory sy mandeha zaho, dra sy ho avy amindrareo gny papahery, fa raha mandeha zaho, dra handefa anazy ho amindrareo. 8 Gny fa avy izy, dra hagnaporofo amin'izao totolo izao ho diso mombanigny fahota, gny fahamarigna, dra mombanigny fisara__ 9 mombanigny fahota gny papahery, akory sy mino anahy ereo; 10 mombanigny fahamarigna, akory holy agny amigny Ray zaho, dra sy ho hitandrareo sasy; 11 dra mombanigny fisara, akory gny panapaky anizao totolo izao dra nisara. 12 Mana raha maro hpzaka amindrareo zaho, fa sy ho azondrareo gny hevis'ereo. 13 Kanefa, gny fa avy izy, Fagnahiny fahamarigna, dra hitariky andrareo ho amigny fahamarigna aby, akory sy hizaka amigny vatany izy. Fa hizaka ze reny izy, dra hizaka amindrareo reo raha reo ho avy. 14 Hagnome voninahisy Anahy izy, akory gny boaky aminazy avo gny hozakako amindrareo koa. 15 Ze anigny Ray dra Anahy. Noho izay, nizaka Zaho fa gny Fagnahy dra hangalaky amizay zaho dra hizaka anizay amindrareo. 16 Afaky fotoa fohy dra sy hahita anahy sasy handrareo, dra afaky fotoa fohy hafa dra hahita Anahy ndraiky handrareo." 17 Boak'eo gny ilany tamireo pianany nifapizaka ho: "Ino raha zakany amisika zahoky ho: 'Afaky fotoa fohy dra sy hahita Anahy sasy handrareo dra afaky fotoa fohy dra hahita anahy ndraiky handraro,' vo ho: 'Akory ho agny amigny Ray zaho?" 18 Noho izay dra ho ereo ho: "Ino seky raha zakany zahoky: 'afaky fotoa fohy'? Sy fatasy gny tiany hozaka. 19 Hitan'i Jesosy fa te-hagnatany anazy ereo, dra hoy Izy tamin'ereo ho: "Izao ra gny agnotaniandrareo vata, dra gny tiako ho zaka amigny firenena ho: 'Fotoa fohy vo gny sy hahita Anahy sasy handrareo, dra afaky fotoa fohy ndraiky nefa dra hahita anahy hadrareo'? 20 Zakako amindrareo, mary tokoa fa hitomagny handrareo dra hitaray fa izao totolo izao koa hifaly. Ho feno alahelo handrareo, kanefa ho lasa falifaly zay alahelondrareo zay. 21 Gny fa mihesi-zaza gny apela raiky dra malahelo akory avy gny fotoany, fa gny fa teraky koa gny zazakely, dra sy sarosy sasy gny alahelo nohonigny hafaliany fa nisy zazakely teraky eo amizao totolo izao. 22 Dra malahelo handrareo amizao, kanefa Zaho bo hihao amindrareo ndraiky, dra ho faly gny fondrareo, dra sy hisy hangalaky zay hafaliandrareo zay amindrareo. 23 Amizay andro zay dra sy hangataky aminahy na ino na ino handrareo. Zakako amindrareo mary tokoa, raha mangataky na ino na ino amigny Ray amigny agnarako, dra hame andrareo zay. 24 Hatramin'izao anefa sy bo nangataky na ino tamigny agnarako handrareo. Mangataha, dra hame handrareo dra ho feno gny hafaliandrareo. 25 Fa nizakako tamindrareo tamigny fagnohara reo raha reo, fa avy gny ora gny fa sy hizaka amindrareo amigny fagnohara sasy zaho, fa koa nizaka amindrareo mazava gny mombanigny Ray. 26 Amizay andro zay dra hangataky amigny agnarakohandrareo dra sy hizaka nandrareo Zaho ho hivavaky amigny Ray ho andrareo, 27 fa gny ray mihisy gny tia andrareo akory nitia Anahy handrareo dra nino fa avy agny amigny Ray Zaho. 28 Boaky amigny Ray zaho, dra avy teto atany. fa hagnenga anizao totolo izao zaho dra ho agny amigny Ray.' 29 Hoy gny pianany taminazy ho: "Atio amizao hanao mizaka mazava soa dra sy mapiasa fagnohara. 30 Fatasay amizao fa mahay gny raha aby hanao, dra sy misy tianao hametraky fagnotania aminao. Noho izay, dra mino zahay fa avy amin'Agnahary magnisy hanao." 31 Namaly anereo Jesosy ho: "Mino amizay ra hanao? 32 Ingo, avy zao gny ora, eh avy vatany, gny fa hiparitaky handrareo, gny sirairay samy agny amigny tragnony aby manoka, dra hangandrareo raiky Zaho. Nefa sy raiky Zaho akory miaraky aminahy gny Ray. 33 Fa nizakako tamindrareo reo raha reo ba hana fedagna ato aminahy handrareo. Manan'olo handrareo eto amin'izao totolo izao, nefa mahereza: fa nandresy anizao totolo zao Zaho.