Toko faha 15

1 "Izaho gny neta voloboky, dra gny rako gny pamboly. 2 Alany boaky aminahy ato gny sapany gny fa sy mamoa, vo rasagniny gny sapany mamokasy ba hamoa zay. 3 Fa malio handrareo noho gny hafasy ze nizakako tamindrareo. 4 Mitoboha minahy ato, dra Izaho ao amindrareo ao. Manahky gny sapany sy afaky mamokasy amigny vatany raha sy mitoby ao amigny voaloboky zay, dra manahaky anizay koa handrareo, raha sy mitoby aminahy ao. 5 Izaho gny voloboky, handrareo sapany. Ze mitoby aminahy ao dra Zaho koa aminazy ao, dra mamokasy maro izy, fa raha sy misy anahy dra sy mahefa na ino na ino handrareo. 6 Raha misy olo sy mitoby aminahy ao, dra haria manahaky gny sapany izy vo halazo, dra ereo mamory gny sapany dra magnary anizay agny amigny afo, dra maiky io. 7 Raha mitoby aminahy ao handrareo, vo mitoby amindrareo ao koa gny zakako, angataho na ino na ino irindrareo, dra hataoko aminadreo zay. 8 Gny rako dra amem-bininahisy amizao, dra gny hamokarandrareo maro dra ho porofo fa pianaso handrareo. 9 Manahaky gny nitiavan'i Ray anahy, gny nitiavako andrareo koa. Mitoboha ao amigny fitiavako. 11 Nizaka reo raha reo tamindrareo zaho ba ho ao amindrareo gny fifaliako dra ba ho feno gny fifaliandrareo. 12 Izao gny didiko, dra gny hifakatiavandrareo manahaky gny nitiavako andrareo koa. 13 Sy misy mana-pitiava lahibe mihoasy noho izao koa, dra gny manolo sy gny ainy ho an'ireo sakaizany. 14 Namako handrareo raha manao reo raha andidiako andrareo reo. 15 Sy hitoka andrareo ho panopoko sasy zaho, akory panopo dra sy mahafatasy ze ataonigny topony. Tonokako ho namako handrareo, akory gny raha aby ze reko tamigny Rako, dra napahafatasy andrareo. 16 Sy nifily anahy handrareo, fa Izaho gny nifily andrareo dra nanedry andrareo ba handeha dra hamokasy, vo ba tokony hitoby gny vokasindrareo. Natao zay ba na ino na ino angatahindrareo amigny Ray amigny agnarako, dra homeny andrareo zay. 17 Reo raha reo gny andidiako andrareo ba hifakatiavandrareo. 18 Raha malaiky andrareo izao totolo izao, fataro fa nalaiky anahy izy talohanigny nalegnany anahy. 19 Raha avy amin'izao totolo izao handrareo, dra ho tian'izao totolo izao manahaky gny anazy handrareo. Fa sy an'izao totolo izao handrareo dra nifiliko hiala amin'izao totolo izao handrareo. 20 Sarovy gny zaka nizakako tamindarreo ho: 'Gny panopo dra sy lahibe noho gny Topony.' Raha nagneziky anahy ereo, dra hagneziky andrareo koa; raha nitandry gny zakako ereo, dra hitandry gny andrareo koa. 21 Hanao reo raha reo amindrareo ereo nohonigny Agnarako, akory sy fatan'ereo Izy ze nagniraky anahy. 22 Raha sy avy vo nizaka tamin'ereo zaho, dra sy ho nanota ereo, fa amizao sy afa-miala amigny fahotany ereo. 23 Ze malaiky anahy dra malaiky gny Rako koa. 24 Raha sy nahavita reo asa ze sy nataonigny olo-kafa teo agnevon'ereo zaho, dra sy ho nana-keloky ereo, fa amizao fa sady hitany vo halany Iazho vo gny Rako. 25 Fa izay dra ba hahatateraky gny zaka ze voasorasy ao amigny lalan'ereo ho: 'Malaiky anahy amigny sy misy atony ereo.' 26 Gny fa ho avy gny papahery__ze hirahiko amindrareo boaky amigny Ray, gny fagnahinigny fahamarigna, ze miboaky boaky amigny Ray__dra hitalily gny momba anahy Izy. 27 Handrareo avo koa dra mizoro vavolombelo akory fa niaraky taminahy hatragny ambolohany handrareo.