Toko faha 5

1 tamizay andro zay Debora vo Baraka zanak'i Abinoama dra nihira anity hira tihoky: 2 "Gny fa mitariky reo pitariky ao Israely, gny fa manolo-tegna apifalia ho amigny aly gny vahoaky_dra midera an'i Yaveh isika! 3 Mitenoa, handrareo pazaka! Mifatoha, handrareo pitariky! Izaho, izaho dra hihira ho an'i Yaveh; hihira fidera ho an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely zaho. 4 Yaveh, gny fa nandeha boak'agny Seira hanao, gny fa nandeha boak'agny Edoma hanao, dra nihorohoro gny tany, dra nihovisovisy koa gny lagnisy; dra gny raho nandasaky rano avo koa. 5 Nihovisovisy teo agnatrehanigny tavan'i Yaveh gny tendrombohisy; egny na gny Tendrombohisy Sinay aza dra nihovisovisy teo agnatrehanigny tavan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely. 6 Tamigny andron'i Samgara (zanadahin'i Anata), tamigny andron'i Jaela, nanga reo lalam-be, dra reo ze nandeha avo gny napiasa reo sakeli-dala miolaky. 7 Keliky gny pialy tagny Israely, mandra-panapahako, izaho Debora__gny reny nanapaky tao Israely! 8 Fony ereo nisafily reo zagnahary vaovao, dra sy aly teo amigny vavahadinigny tana kanefa sy nisy apinga na lefo hita teo amireo olo efas'aly tao Israely. 9 Gny foko mahakasiky gny panapaky gny Israely, miaraky amireo vahoaky ze nanolo-tegna apifalia__isorasika Yaveh noho ereo! 10 Erisereto zao__handrareo ze mitikisy apondra fosy mipetraky eo amigny lamba ho solonigny lasely, dra handrareo ze mandeha amigny lala. 11 Tenoy gny feon'ireo ze mihira eo amigny tany fanondraha. Agny gny izakan'ereo ndraiky gny fahamarignanigny asan'i Yaveh, vo gny fahisianigny asan'ireo pialiny tagny Israely. Boak'eo dra nizoso teo amigny vavahadinigny tana reo vahoakin'i Yaveh. 12 Mifihaza, mifohaza, ry Debora! Mifohaza, mifohaza, mihira fihira! Misangana, ry Baraka, andeso gny voafozanao, hanao ry zanadahin'i Abinoama. 13 Boak'eo dra nizoso teo amireo olo-mana-kaza reo sisa velo; nizoso nagneo aminahy niaraky tamireo pialy gny vahoakin'i Yaveh. 14 Boak'agny Efraima ereo, gny fotos'ereo dra agny Amaleka; nagnaraky andrareo reo vahoakin'i Benjamina. Nizoso boak'agny Makira reo pifehy, dra boak'agny Zebolona reo ze minday gny tehinigny manam-boninahisy. 15 Niaraky tamin'i Debora reo andriako tao Isakara; dra Isakara niaraky tamin'i Baraka nikoropaky nagnaraky anazy tagny an-dohasaka ze teo ambany fifehezany. Tao amireo fokon'i Robena dra nisy fikasanigny fo lahibe. 16 Nagnino hanao gny mipetraky eo agnevonigny vala, miteno reo piamby agnondry misioky gny sodiny ho an'ireo agnondry aman'osiny? Raha gny amigny fokon'i Robena dra nisy fikasanigny fo lahibe. 17 Nizano tagny an-dafin'i Jordana i Gileada; dra Dana, nagnino izy gny nivezivezy tegny ambony sambo? Nizano tegny amoron-dranomasy i Asera dra nitoby tegny agnilanigny serana-sambo. 18 Zebolo dra foko nanao vy levo gny ainy hatramigny fahafatesa, dra Naftaly, avo koa, dra teo amigny sakan-aly. 19 Avy reo pazaka, nialy ereo; nialy tagny Tanaka teo amoronigny ranon'i Megido reo pazakan'i Kanana. Nefa sy nangalaky volafosy ho robahy ereo. 20 Boak'egny amigny lagnisy gny nialian'ireo kita, boak'egny amigny lalan'ereo manera gny gny lagnisy gny nialian'ereo tamin'i Sisera. 21 Nifaoky anereo gny Reninano Kisona, gny reninao fahagola, gny Renirano Kisona. Mandrosoa hatragny ry fagnahiko, matazaha! 22 Dra nikatrokatroky gny kitronigny sovala__mihazakazaky, dra gny fihazakazak'ireo maheriny. 23 'Ozogny Meroza!' hoy gny azelin'i Yaveh. 'Ozogny dra ozogny gny ponina ao aminazy! __akory ereo sy avy ba hagnapy an'i Yaveh__hagnapy an'i Yaveh amigny aly hanohisy reo pialy mahery.' 24 Voatahy mihoasy noho reo apela aby i Jaela, Jaela (gny valin'i Hebera Kenita), Voatahy mihoasy noho gny apela aby ze mitoby ao an-day izy. 25 Rano gny nangatahin-dralelahy, dra ronono gny nameny anazy; nindesany dibera teo agnapondrany natoka ho anigny andria izy. 26 Napetrany teo amigny satokan-day gny tagnany, dra gny tagnany havana tamigny tatananigny piasa; dra namely an'i Sisera tamigny tatana izy, nitorotorony gny lohany. Raha nandefa gny firifany izy dra nipotipotehiny ho torotoro gny karan-dohany. 27 Lavo teo agnelagnelanigny tombony izy, nezera izy dra nidaraboky teo. Teo agnelagnelanigny tombony izygny nisirara. Teo amigny toera namonoa anazy tami-kerisetra gny nahalavo anazy. 28 Nagnety teo ambatrangarakely izy__nagnety teo amigny makarakaranigny vatrangarakely gny renin'i Sisera dra nitoka fatrasy tamigny alahelo ho: 'Nagnino gny ela loasy vo avy gny kalesiny? Nagnino gny kitronigny sovalany ze mitariky gny kalesiny gny mitarendresy?' 29 Namaly gny hahare fatrasy tamigny andriambaviny, dra izy vatany avo gny namaly anazy ho: 30 "Sy fa nahita vo nizara gny babo ra ereo? Apela raiky, na apela ro ho anigny isan-day; fanola lamba mena ho an'i Sisera, fanola lamba mena misy peta-kofehy, lamba mena ro misy peta-kofehy ho eo am-bozon'ireo nandoba?' 31 Ho ringa anie gny fahavalonao aby, ry Yaveh! Fa reo namanao koa dra hanahaky gny masoandro gny fa miposaky amigny heriny." Dra nandry nandrisy gny efapolo tao gny tany.