Toko faha 4

1 Tafaranigny nahafatesan'i Ehoda, dra nanao ze rasy teo amason'i Yaveh ndraiky gny vahoakin'Israely. 2 Navaros'i Yaveh teo atagnan'i Jabina pazakan'i Kanana ze nazaka tao Hazora ereo. Gny agnaranigny pitari-tafiny dra i Sisera, dra nipetraky tao Harosetan'ireo Jentilisa izy. 3 Nitoka vozy fatrasy tamin'i Yaveh gny vahoakin'Israely, akory nana kalesy vy sivazato Sisera dra napahory gny vahoakin'Israely tami-kery nandrisy gny ropolo tao izy. 4 Dra Debora, paminany apela (valin'i Lapidota), gny nitariky gny fisara tao Israely tamizay fotoa zay. 5 Zasy nipetraky teo agnabo rofian'i Debora agnelagnelan'i Rama vo Betela tao amigny tany havoan'i Efraima izy, dra gny vahoakin'Israely nagnagny aminazy ba hametraky reo fifandiran'ereo taminazy. 6 Nagniraky an'i Baraka zanadahin'i Abinoama boak'agny Kadesy ao Naftaly izy. Hoy izy taminazy: "Yaveh, ry zagnaharin'Israely, mandidy anao ho: 'Mandehana agny atendrombohisy Tabara, dra mindesa lelahy ray aly boak'ao Naftaly vo Zebolona. 7 Hagnasoaky an'i Sisera, pitari-tafik'i Jabina zaho, ba hihao aminao eo amigny reninao Kisona, miaraky amireo Kalesiny vo reo tafiny, dra hagnome anao fandrese anereo Zaho." 8 Hoy Baraka taminazy: "Raha miaraky aminahy hanao, dra handeha zaho, nefa raha sy miaraky aminahy hanao, dra sy handeha zaho. 9 Hoy izy: "Hiaraky aminao vatany zaho. Na izay aza, na lala ze andehanandrareo drasy hitariky andrareo agny amigny voninahisao, fa hivarosy an'i Sisera eo atagnanigny apela i Yaveh." Dra niakasy Debora dra niaraky tamin'i Baraka nagnagny Kadesy. 10 Nitoka reo lelahin'i Zebolona vo Naftaly ba hiaraky ho agny Kadesy i Baraka. Lelahy ray aly gny nagnaraky anazy, dra niaraky taminazy i Debora. 11 Dra Hebera ( gny Kenita) nisaraky tamireo Kenita_taranak'i Hobaba ereo (rofozan-dahin'i Mosesy) _dra nagnory gny lainy teo amigny terebita tagny Zananima agnilan'i Kadesy izy. 12 Gny fa nizakan'ereo tamin'i Sisera fa niakasy tagny atendrombohisy Tabara i Baraka zanadahin'i Abinoama, 13 Sisera, Kalesy vy sivazato, dra reo miaramila aby ze niaraky taminazy, hatreo Harosetanigny zetilisa dra hatragny amigny Renirano Kisona. 14 Hoy Debora tamin'i Baraka: "Mandehana! Fa ty andro ze nagnomezan'i Yaveh fandresena andrareo eo amin'i Sisera. Moa ra sy mitariky andrareo i Yaveh?" Dra nizoso boak'egny atendrombohisy Tabara niaraky tamireo lelahy ray aly nagnaraky anazy i Baraka. 15 Napifazevon'i Yaveh reo yafik'i Sisera, reo kalesiny aby, dra reo tafiny aby. Nanafiky anereo gny lelahin'i Baraka nizoso tamigny kalesiny i Sisera dra nienga atomboky. 16 Fa nezehin'i Baraka hatragny Harosetanigny zetilisa reo kalesy vo gny tafiky, dra gny tafik'i Sisera manotolo dra nivono tamigny lela-sabasy, dra sy nisy nianga na dre lelahy raiky aza. 17 Nefa Sisera nienga atomboky tagny amigny lain'i Jaela, valin'i Hebera Kanita, akory nihava i Jabina pazakan'i Hazora, vo gny akohonan'i Kenita. 18 Niboaky hihao amin'i Sisera i Jaela dra nanao taminazy ho: "Mivilia, ry topoko, mivilia aminahy atiky dra ka matahosy." Dra nivily tagny aminazy izy dra nilisy tao amigny lainy, dra nirakofany tamigny bodofosy izy. 19 Hoy izy taminazy: "Ba ameo rano kely ho nomy re zaho, fa mangetaheta." Nanakasy kitapon-dronono halisy izy dra nagnome anazy ho nomy, boak'eo dra nirakofiny ndraiky izy. 20 Hoy izy taminazy: "Misangana eo am-batrangaranigny lay. Raha misy olo avy dra magnotany anao ho: 'Misy olo ra gnato?' , dra zakao ho: 'aha'." 21 Dra Jaela (valin'i Hebera) nangalaky satokan-day vo tatana tegny atagnany dra nilisy asokosoko tao aminazy, fa tao agnaty torimaso laliky izy, dra nively gny satokan-day tamigny tatana teo amigny farisy gny lohany izy dra nisatoky taminazy izay dra niroda tamigny tany, dra maty izy. 22 Raha nagneziky an'i Sisera i Baraka, dra nagniry gny hiboaky hihao aminazy i Jaela dra nanao taminazy ho: "Avia, hasehoko anao gny lelahy taliavinao." Dra niaraky nilisy taminazy izy, dra ingo Sisera maty nisirara, miaraky amigny satokan-day teo agnilanigny lohany. 23 Dra tamizay andro zay gny nandresen'Agnahary an'i Jabina, pazakan'i Kanana, teo anoloanigny vahoakin'Israely. 24 Gny herinigny vahoakin'Israely dra nihanatazaky hatragny nanoloa gny pazakan'i Kanana, mandra-pandringanan'ereo anazy.