Toko faha 3

1 Dra Yaveh namela firenena reo ba hisapa an'i Israely, zay ho gny olo aby tagny Israely zay sy nana traikefa tamy aly dra nialy tagny Kanana. 2 (Nanao anizay izy a hampianary aly an'ireo taranak'Israelita vaovao ze bo sy nahalala anizay teo aloha). 3 Tahoky aby reo firenena :reo Pazaka dimy laha tamin'ireo Filistina, reo Kananita aby, reo Sidoniana, dra reo Hivita zay mony tagny amin'ireo Tendrombohisy Libanona, hatramy Tendrombohisy Bala-hermona ka hatragny Lalana Hamata. 4 Nangany reo firenena reo, zay gny fomba nisapan'i Yaveh an'Israely, ba hagnamafisa na nankato reo didy zay nomeny an'ireo razamben'ereo tamy alalan'i Mosesy izy reo. 5 Noho zay reo vahoakin'Israely dra mony teo amin'ireo Kananita, reo Hetita, reo Amorita, Perizita, dra reo Jebosita. 6 Reo zanakapelan'ereo dra nalan'ireo ba ho valin'ereo, dra reo zanakapelan'ereo manoka dra nomen'ereo ho agny zanadahin'ireo, dra nanompo reo zagnahariny izy reo. 7 Nanao ze rasy teo amason'i Yaveh gny vahoakin'Israely dra nagnaligno an'i Yaveh Zagnaharin'ereo. Nanompo reo Bala vo reo Aseraha ereo. 8 Noho zay, dra nirehisy tamin'Israely gny fahorian'i Yaveh, dra naviliny teo am-pelatagnan'i Kozana-ristaima Pazakan'i Arama Naharaima ereo. Nanompo an'i Kozana-risataima nandrisy gny valo tao reo vahoakin'Israely. 9 Fa gny nitoka fatrasy an'i Yaveh gny vahoakin'Israely, dra nanandrasy olo ba ho avy hamozy gny vahoakin'Israely i Yaveh, vo hagnavosy anazy reo:Otniela zanadahin'i Kenaza (zain'i Kaleba). 10 Nagnome hery anazy gny fagnahin'i Yaveh, dra nisara an'i Israely izy dra niboaky tagny amy aly.Nomen'i Yaveh fandrese teo anatrehan'i Kozana-risataima Pazakan'i Arama izy. Nandresy an'i Kozana-risataima gny tanan'i Otniel. 11 Nilamy gny tany nandrisy gny efapolo tao. Laha teo dra maty i Otniela zanadahin'i Kenaza. 12 Tafaran'izay. dra bo nanao zay rasy teo amason'i Yaveh draiky reo Israelita, ka nagnome hery an'i Eglona Pazakan'i Moaba ba hampandresy reo Israely i Yaveh . 13 Nikamba tamin'ireo Amona vo reo Amaleka i Eglona, dra nandeha ereo ka nandresy an'Israely, dra nalan'ereo ho fanagnany gny Tananan-drofia. 14 Nanompo an'i Eglona Pazakan'i Moaba nandrisy gny valo ambiny folo tao gny vahoakin'Israely. 15 Fa gny nitoka fatrasy an'i Yaveh gny vahoakin'Israely, dra nanandrasy olo raiky i Yaveh hagnapy anazy reo, Ehoda zanak'i Gera, Benjamita, lelahy Kavia. Nandefa anazy niaraky tamy fandoavan-ketran'ireo, tagny amin'i Eglona Pazakan'i Moaba gny vahoakin'Israely. 16 Nagnamboasy sabasy raiky ze nisy lelany ro ho anazy i Ehoda, raiky hakiho gny halavany;nafehiny tao ambanigny akazony teo amy feny ankavanany zay. 17 Nomeny an'i Eglona Pakazan'i Moaba gny gagnomeza. (Dra Eglona dra lelahy vondraky be.) 18 Tafarany nanoloran'i Ehoda gny fandoavan-ketra, dra lasa niaraky tamin'ireo ze ninday anizay izy. 19 Raha gny amin'i Ehoda koa, fa gny avy teo amy toera ze nisy reo sarin-draha voasokisy natao teo marignin'i Gilgala izy, dra nitoliky sady nihery izy, dra nizaka ho:''Mana siambaratelo ho anao zaho, ry Pazakako.''Dra Eglona nizaka ho:''Mangina!''Ka niboaky gny efisy reo aby zay nanompo anazy. 20 Laha teo aminazy i Ehoda. Nipetraky raiky gny Pazaka, raiky tao amy mangasiasiaky tao amy efi-tragno agnabo.Hoy i Ehoda ho:''Mana hafasy laha tagny amin'Agnahary ho anao zaho.''Nisanga laha teo amy fipetrahany gny Pazaka. 21 Nahisin'i Ehoda gny tagnany havia dra nalany teo amy feny ankavana gny sabasy , ka nasatony teo amy vatany Pazaka zay. 22 Gny zarany sabasy teo aminazy dra nagnaraky gny lamosiny. Niboaky tao an-damosiny gny lohany lefo dra nanafosy anizay gny safony, fa sy nagnapotaky gny lefo tamy trony i Ehoda. 23 Laha teo dra niboaky teo an-davarangy i Ehoda dra nandrindry reo vatrangara gny efisy agnabo dra nagnily anizay. 24 Fa gny nandeha i Ehoda , dra avy reo mpanompony Pazaka; hitan'ereo fa mihily reo vatrangara gny efisy agnabo, ka nihevisy ereo ho:''Azo antoky fa mangalaky ay ao amy mangasiasiaky ao amy efisy agnabo izy.'' 25 Nitombo gny ahiahin'ereo mandra-pahasapan'ireo fa nanao sinosino gny andraikiny ereo fa gny bo sy nanokasy gny vatrangara tao amy efisy agnabo gny Pazaka. Dra nalan'ereo gny fanalahidy, dra nisokafiny reo, dra nisirara teo gny tompony, lavo tamy tany, dra maty. 26 Raha teo am-pandignisa reo mpanompo, dra nagnontany vata gny amin'izay tokony hatao izy reo, nandososy i Ehoda ka nagnalavisy gny toera misy reo sarin-draha voasokisin'ereo sapy, dra noho zay dra nandososy tagny Seirata izy. 27 Fa gny avy izy, dra nisioky gny trompetra raiky teo amy tany havoan'i Efraima. Ka niboaky niaraky taminzay laha tagny amy havoa gny vahoakin'Israely, dra izy gny nitariky anazy reo. 28 Hoy izy tamin'ireo ho:''Magnaraha anahy, fa handresy reo fahavalondrareo Yaveh, dra reo Moabita.''Nagnaraky anazy izy reo dra nisambosy reo fitan'i Jordana fandalovan'ireo Moabita, dra sy namela na iza na iza hisahaky gny renirano izy reo. 29 Tamin'izay fotoa zay dra namono lelahy Moabita teo amy ray aly teo izy reo, dra lelahy natazaky vo mahavita anazy izy aby. Sy nisy afa-nandosy. 30 Dra tamin'izay andro zay Moaba dra resiny tazak'Israely, dra nilamy nadrisy gny valopolo tao gny tany. 31 Tafaran'i Ehoda dra i Samgara zanadahin'i Anata zay namono olo 600 tamin'ireo Filistina tamy hazo fanindromana biby fiteza gny pisara magnaraky. Nagnafaky an'i Israely tamy loza avo koa izy.