Toko faha 2

1 Niakasy laha tao Gilgala hagnagny Bokima azelin'i Yaveh, dra nanao ho:''Ninday andrareo niakasy laha tao Egypta zaho, dra ninday andrareo tagny amy tany niaignako homena reo razandrareo. Hoy zaho:'Sy handrava gny fanekeko amindrareo mihisy zaho. 2 Ka manao faneke amin'ireo zay mipetraky ao amin'itio tany itio iandrareo. Ao horavandrareo gny alitaran'ereo. Fa ino itio nataondrareo? 3 Amizao zaho dra mizaka fa:'Sy handroaky reo Kananita eo anatrehandrareo zaho, fa ho lasa silo eo agnilandrareo ereo, dra reo zagnahariny dra ho lasa fandriky ho andrareo.''' 4 Raha nizaka reo zaka reo tamy vahoakin'i Israely aby gny azelin'Agnahary, dra nikoraky vo nitomagny gny vahoaky. 5 Nitokavin'ereo ho Bokima zay toera zay. Nanolosy fagnatisy ho an'i Yaveh tao ereo. 6 Dra fa gny nagniraky gny vahoaky tamy lalan'ireo Josoa, dra nagnagny amy toera voatendry gny vahiakin'i Israely kirairaky, ba hangalaky gny tanin'ereo . 7 Nanompo an'i Yaveh nandrisy gny androm-piainan'i Josoa vo reo loholona ze bo velo tafarany vahoaky, dra reo zay nahita gny asa lahiben'i Yaveh aby nataony ho an'Israely. 8 Josoa zanadahin'i Nona mpanompon'i Yaveh, dra maty teo amy faha-110 taonany. 9 Nandevy anazy tao amy farisiny tany nanendre anazy tao Timnata-heresa ereo, tao amy tany havoan'i Efraima, avarasy gny Tendrombohisin'i Gasa. 10 Zay taranaky iaby zay avo koa dra nahoriny ho amy razan'ereo. Nisy taranaky hafa nitombo tafaran'ereo zay sy nahafatasy an'i Yaveh na zay nataony tamin'ireo Israely. 11 Nanao ze rasy teo amasony i Yaveh vahoaky i sraely dra nanompo an'i Bala ze ereo. 12 Nisaraky tamin'ny Yaveh ze ereo, gny Zagnahariny gny razan'ereo, ze nindesa anereo niboaky boak'ao amigny tany Egypta. Nagnaraky reo zagnahari-hafa ereo, reo tena zagnaharin'ireo vahoaky ze nagnodidy anereo, dra nekohoky tamireo. Nagnesiky gny fahatezeran'i Yaveh ereo akory 13 nisaraky tamin'i Yaveh dra nanopo an'i Bala vo reo Astarta. 14 Nirehisy tamin'Israely gny hahorian'i Yaveh, dra nomeny an'ireo mpanafiky zay nangalasy gny fanagnan'ereo taminazy ereo. Naviliny ho andevo reo ze voata tamy heriny fahavalo magnodidy anazy reo, ba sy hahafahan'ereo sasy miaro gny vatany amin'ireo fahavalony. 15 Na teza na teza nandehanan'Israely nialy, gny tanan'i Yaveh dra nanohisy anazy reo ba handresy anazy reo, araky gny nianianany tamin'ereo dra tao agnatiny fahoria mandaginy anereo. 16 Dra Yaveh nanandrasy pisara, ze namozy anereo tamigny tagnan'ireo ze nangalasy gny fanagnan'ereo. 17 Nefa sy niteno reo pisarany ereo. Sy nahatoky tamin'i Yaveh ereo dra nanolosy gny vatany manahaky gny pizangazanga tamin'ireo zagnahari-kafa vo nanompo reo. Nivily malaky tamy lalana niaignan'ereo razany ereo-reo zay nakato gny didin'i Yaveh -nefa sy ba nanao manahaky anizay ereo. 18 Gny fa nanandrasy pisara ho anereo i Yaveh, nagnapy reo pisara i Yaveh dra namozy anereo tamigny andro aby nianianan'ireo pisara. Nangoraky azy ereo Yaveh raha niseto vo ereo ze nampahory vo nampizaly azy ereo izy ereo. 19 Fa gny fa maty gny mpisara, dra niala vo nanao ireo raha izay rasy ireo. Nagnoroky ireo zagnahary hafa ba hanompo vo hidera anazy ereo. Nanda` gny hiala tamin'ereo fanaony rasy aby vo tamin'ireo lalan'ny herilohany ereo. 20 Nirehisy tamin'i Israely gny hahorian'i Yaveh;hoy Izy:''Satria itio firenena itio dra nandrava reo zaka fanekeko zay napetrako ho an'ireo razany-satria sy niteno gny feoko ereo- 21 Zaho, manombok'izao, dra sy handroaky eo anoloan'ereo na raiky amin'ireo firenena zay nangan'i Josoa fa gny maty izy. 22 Hanao anizay zaho ba hahafahako misapa gny Israely, na hitandry gny lalan'i Yaveh vo handeha amin'izay ereo na haha, manahaky gny nitandremany razan'ereo zay.'' 23 Zay gny antony nagnangan'i Yaveh reo firenena reo vo sy nandroahany anazy reo malaky tao dra nagnomezany anazy reo teo an-tanan'i Josoa.