Toko faha 6

1 Nanao rasy teo amason'i Yaveh gny vahoakin'Israely, dra natolony teo atagnan'i Midiana nandrisy gny fito tao ereo. 2 Napahory gny Israely gny fahefan'i Midiana. Nohonigny amigny Midiana, dra nanao fialofa ho anereo tao an-dava-bato, dra tao amigny ferova fatrasy gny vahoakin'Israely. 3 Dra isaky ny namboly ireo vokany ny Israelta,dra nanafiky anazy dra gny Midianita vo gny Amalekita ary gny olo avy agny asignana. 4 Nanoby gny tafiny teo amigny tany izy ireo ary namotiky ireo vokasy,tegny amigny lalana rehetra magnagny Gaza. Sy nagnenga hany ho an'ny Israely, na agnondry, va biby fiopy, na ampndra izy reo. 5 Isaky gny miakasy ereo vo gny biby fiopiny dra gny lainy, dra manahaky gny andiambalala gny fianian'izy reo, dra sy vita isahy na gny olo na reo ramevany. Nanafiky gny tany ba hamoteha an'izay ereo. 6 Tena napaosa an'ireo Israelita tokoa gny Midiana hany nitoka fatrasy an'i Yaveh gny vahoakin'Israely. 7 Gny nitoka matrasy an'i Yaveh gny vahoakin'Israely nohon'ny amin'i Midiana, dra nandefa paminany ho an'ny vahoakin'Israely i Yaveh. Hoy gny paminany tamin'izy reo ho: 8 Izao gny zakan'i Yaveh, Zagnaharindr'Israely: ''Ninday andrareo niakasy avy tany Egypta zaho; ninday andrareo niboaky avy tao amigny tragno fagnandevoza zaho. 9 Namozy andrareo teo amigny tanan'ny Egypitiana, vo teo amigny tanan'ereo aby zay nahaory andrareo zaho. Nandroaky anazy teo alohandrareo, vo nagnome gny taniny ho andrareo zaho. 10 Hoy izaho tamindrareo ho: ''izaho gny Yaveh Zagnaharindrareo; nandidy andrareo sy hanopo gny Zagnahariny gny Amorita, agny amigny tany hitobohandrareo zaho.'' Nefa sy nankato gny feoko handrareo.''' 11 dra avy gny azelin'i Yaveh dra nitoboky teo ambanin'ny hazo terebinta tao Ofra, zay an'i Joasy (gny Abiezrita), gny nagnasaraky gny vary tamigny fiveleza zay tamigny tany, teo a,igny famiazana divay i Gideona, zanak'i Joasy_ba hagnavonia zay ami'reo Midianita. 12 Niboaky taminazy gny azelin'i Yaveh dra nizaka taminazy ho: ''Momba anao i Yaveh, ry pialy mahery!'' 13 Hoy Gideona taminazy: "Indrisy, ry topoko, raha momba anay i Yaveh, nagnino gny mitranga izao aby zao? Eza reo asa mahagaga ze nizakanigny razanay taminay, tamin'ereo nizaka ho: "Sy ninday anay niaraky boak'agny Egypta ra i Yaveh?' Nefa amizao dra fa nahafo anay dra nanolosy anay teo atagnan'i Midiana i Yaveh." 14 Nagnety anazy Yaveh dra nizaka ho: "Mandehana amizao hery fa anagnanao izao. Afaho eo atagnan'i Midiana i Israely. Sy fa nagniraky anao ra zaho?" 15 Hoy Gideona taminazy: "Nagnino re ry topo gny hamozeko an'Israely? Ingo, gny fianakaviako gny marefo indridra ao amin'i Manase, dra izaho gny farany sy manan-daza indrindra ao atragnonigny babako." 16 Hoy Yaveh taminazy: "Homba anao Zaho, dra handresy gny tafiky gny Midianita manotolo manahaky gny olo raiky hanao." 17 Hoy Gideona taminazy, raha mahita fitia aminao zaho, dra ameo famatara zaho fa hanao vatany gny mizaka aminahy. 18 Ka miala eto re, mandra-piaviako eto aminao hindesa gny fagnomeza dra hametraky anizay eo anoloanao." Hoy i Yaveh: "Handigny zaho mandra-piavianao." 19 Dra lasa i Gideona dra nagnoma zanak'osy dra avy tamigny lafariny eranigny efaha gny nanovany mofo sy misy masirasira. Nataony tao agnaty taty gny hena, dra nataony tao agnaty vilagny gny rano dra nandesiny teo aminazy teo ambaninigny hazo terebita, dra nasehony anereo. 20 Hoy gny azelin'Agnahary taminazy: "Takaro gny hena vo gny mofo sy misy masirasira dra apetraho eo agnabonity vatolapy tihoky reo, dra araraho ho eo amireo gny rony." Dra izay gny nataon'i Gideona. 21 Dra gny azelin'i Yaveh nanizisy gny tendronigny tahy tamigny tagnany. tamizay gny nikasihany gny hena vo gny mofo sy misy masirasira; nisy afo niakasy boak'ao amigny vatolapy dra nandevo gny hena vo gny mofo sy misy masirasira. Boak'eo dra lasa gny azelin'i Yaveh dra sy nahita anazy sasy i Gideona. 22 Dra Gideona nahafatasy fa azelin'i Yaveh izy. Hoy Gideona ho: "Oh, ry Yaveh Zagnahary! Fa nifagnatri-tava tamigny azelin'i Yaveh zaho!" 23 Hoy Yaveh taminazy: "Fiadagna anie ho anao! Ka matahosy, fa sy ho maty hanao." 24 Dra nagnory alitara ho an'i Yaveh teo i Gideona. Tonokany ho: "Yaveh dra fiadagna" izay. Mandraka androany dra bo misangana ao Ofranigny fokon'i Abiezrita zay. 25 Dra tamizay hariva zay dra hoy Yaveh taminazy: "Alao gny agnomby lahin-dranao, dra gny agnomby lahy faharo ze fa fito tao, ravao gny alitaran'i Bala ze anigny ranao, dra tapaho gny Aseraha ze eo agnilan'izay. 26 Manangana alitara ho an'i Yaveh Zagnaharinao eo amigny tapon'ity toera fialofa tihoky, dra aoregno araky gny tokony ho izy zay. Atolory ho fagnatisy oroa gny agnomby lahy faharo, amigny fapera gny hazo boak'amigny Aseraha ze nitapahinao." 27 Dra nangalaky folo tamireo panopony i Gideona dra nanao araky ze nizakan'i Yaveh taminazy. Dra akory natahosy loasy gny akohonan-drany vo reo lelahy tao atana gny hanao anizay mandrisy gny andro izy, dra nataony nandrisy gny hariva zay. 28 Nony maaray gny fa nifoha gny lelahy tao atana, dra fa rava gny alitaran'i Bala, dra gny Aseraha teo agnilany dra natao fagnatisy teo amigny alitara ze vo nagnory. 29 Gny lelahy teo atana dra nifapizaka ho: "Iza gny nanao anizao?" Gny fa nizaka tamigny hafa ereo dra nikaroky ze valiny, dra hoy ereo: "Gideona zanak'i Joasy gny nanao anizao raha zao." 30 Dra hoy reo lelahy tao atana tamin'i Joasy ho: "Aboaho gny zanakao ba hovono ho maty, akory niravany gny alitaran'i Bala, dra aokory nitapahiny gny Aseraha teo agnilan'izay." 31 Hoy i Joasy tamin'ireo aby ze nanohisy anazy ho: "Hifona gny raha misy ho an'i Bala ra handrareo? Hamozy anazy ra handrareo? Na iza na iza hifona ho anazy, dra aoky ho vono ho maty raha bo marina koa. Raha zagnahary i Bala, aoky izy hiaro gny vatany gny fa niravanigny olo gny alitarany." 32 Dra tamizay andro zay i Gideona dra nitokavin'ereo ho: "Jerobala," akory hoy izy ho: "Aoky hiaro gny vatany i Bala." Akory fa nandrava gny alitaran'i Bala i Gideona. 33 Dra gny Midianita vo gny Amalekita dra gny olon'aby boak'agny asignana dra nindray nivory. Nisaky an'i Jordana ereo dra nitoby teo amigny Lohasakan'i Jezirela. 34 Fa avy tamin'i Gideona gny fagnahin'i Yaveh. Nienga gny tropetra, Nitoka gny fianakaviam-ben'i Abiezrita i Gideona, ba hagnarahan'ereo anazy. 35Nandefa iraky eran'i Manase manotolo izy, dra ereo koa, dra voahoso ba hagnaraky anazy. Nandefa iraky ho an'i Asera, Zebolona, dra Naftaly avo koa izy, dra niakasy ba hihao aminazy ereo. 36 Hoy Gideona tamin'Agnahary: "Raha nihery gny hapiasa anahy hamozy an'Isaely Hanao, araky ze nizakanao_ 37 Ingo, izaho mametraky gny volon'agnondry eo amigny famoloa. Raha misy ando eo amigny volon'agnondry, dra maiky eo amigny tany aby, dra ho fataso fa hapiasa anahy ba hamozy an'Israely hanao, araky ze nizakanao." 38 Manahaky anizao gny niseho_nifoha maraindraim-be i Gideona gny maraindray, niara-nifihazany gny volon'agnondry, dra nisy andro niboaky tamigny volon'agnondry, apy nahafeno apondra raiky gny rano. 39 Dra hoy Gideona tamin'Agnahary ho: "Ka ory aminahy, fa bo hizaka ndray mandeha zaho. Angao re zaho ba hagnandra hapiasa ndraiky mandeha gny volon'agnondry. Ho maiky gny volon'agnondry amin'io fotoa io, dra aoky ho feno andro gny tany magnodidy anazy." 40 Nanao ze nangatahiny Zagnahary tamizay hariva zay. Gny volon'agnondry dra maiky, dra feno ando teo amigny tany aby nagnodidy anizay.