Toko faha 7

1 Melkizedekaizay, pazakan'i Salema, pisoron'Agnahary faratapony, ze nifera tamin'i Abrahama gny fa nihery boaky nandresy reo pazaka dra nitahy anazy. 2 Izy gny namen'i Abrahama gny apahafolonigny raha aby. Gny agnarany ho "Melkizedeka" dra midika ho "pazakanigny fahamarigna." Gny agnarany hafa dra " pazakan'i Salema," izay dra: "Pazakanigny fuiadagna." 3 Izy dra sy mana-baba, sy manan-dreny, sy mana razambe, dra sy mana fiatombohan'ireo andro reo vo sy mana fiafaranigny fiegna. Fa koa, mitovy amigny Zanan'Agnahary izy, akory mitoby ho pisoro mandrakizay. 4 Atio gny halahiben'io lelahy io. Gny razambesika Abrahama dra nagnome gny apahafolon'ireo raha ze azony tamigny aly. 5 Amigny lafiny raiky. reo zanadahin'i Levy ze mitakasy gny fisora dra mana baiko boak'amigny lala ba hamory gny apahafolo-karena boak'agny amireo olo, izay dra, boak'amin'ireo rahalahin'ereo, na izay aza ereo, avoko, dra avy amigny vatan'i Abrahama. 6 Fa amigny lafiny raiky, Melkizedeka, ze sy voasorisy boak'amin'ereo gny taranany, dra nitakasy apahafolo-karena boaka amin'i Abrahama, dra nagnome so-drano anazy, gny raiky ze nana reo fapanatena. 7 Sy misy fandava fa gny olo ambany dra amenigny olo ambony so-drano. 8 Amizay tranga izay, gny olo mety maty dra mitakasy apahafolo-karena, fa ami-ty tranga tihoky dra voaporofo fa bo velo izy. 9 Dra, amigny fomba fizaka, Levy, ze nitakasy apahafolo-karena, dra nandoa apahafolo-karena tamigny alalan'i Abrahama avo koa, 10 akory Levy dra tao agnatinigny vatanigny razambeny gny fa nihaina tamin'i Abrahama i Melkizedeka. 11 Amizao raha azo atao amigny alalanigny fisorogna levitika gny fahatateraha (fa tao ambanin'izay gny olo gny nitakasy gny lalana), dra fila bebe dra ho ino gny mety nisy ho anigny pisoro hafa ba hisangana araky gny fomban'i Melkizedeka, dra sy takary araky gny fomban'i Arona? 12 Fa gny fa nova gny fisorogna, dra sy maisy hova avo koa gny lalana. 13 Fa gny raiky ze nizaka gny momban'ireo raha reo dra anigny foko hafa, ze sy misy olo manopo eo amigny alitara mihisy. 14 Fa mazava amizao, fa avy amin'i Joda gny nahaterahanigny Toposika, Foko ze sy nizakan'i Mosesy mihisy gny mahakasiky reo pisoro. 15 Ze zakasika dra fa mazava avokoa raha misy pisoro hafa misanga amigny endrik'i Melkizedeka. 16 Sy avy tamigny fotosy gny lalanigny taranaky gny nofo gny nahavy anazy ho pisoro, fa avy tamigny fotosy gny herinigny fiegna sy mety levo. 17 Fa gny Sorasy Masy dra mizoro vavolombelo momba anazy ho: "Hanao dra pisoro mandrakizay araky gny fomban'i Melkizedeka. 18 Fa nisy fagnafoagna gny didy teo aloha akory nalemy sy nisy dikany zay. 19 Fa sy nisy raha nataonigny lalana tonga lafasy. Kanefa, misy gny fapidira fahatokia soa ho anigny hoavy ze hagnatonasika an'Agnahary. 20 Sy nitranga izay raha sy nisy gny fandresa fiegna. Amigny lafiny raiky, reo hafa reo dra lasa pisoro sy nitalia fiegna. 21 Fa amigny lafiny raiky hafa, ty raiky tihoky, Jesosy, dra lasa pisoro tamigny alalanigny fianiagna nataonigny nizaka taminazy ho: "Gny Topo dra niania dra sy hiova amigny heviny ho: 'Hanao dra pisoro mandrakizay."' 22 Tamigny alalan'izay avo koa Jesosy gny nagnome atoky gny fagneke-pihavana soa koa. 23 Amigny lafiny raiky, maro gny lasa pisoro akory gny fahafatesa gny manaka anereo hanohy. 24 Amigny lafiny raiky hafa, akory Jesosy mitoby mandrakizay, dra mana fisorogna mandrakizay izy. 25 Noho izay izy avo koa dra afaky mamozy tateraky reo ze magnato an'Agnahary amigny alalany, akory izy dra miay avo ba hagnelagnela ho anereo. 26 Fa gny pisorombe manahky anizay dra mety ho asika. Izy dra sy mana-pahota, sy mana-signy, malio, nisarahy tamireo panota, dra lasa agnabo noho reo lagnisy. 27 Sy mitalia izy, sy manahaky reo pisorombe, hanolosy soro isan'andro, gny volohany ho an'ireo fahotany manoka, dra boak'eo ho an'ireo fahotanigny olo. Fa nanao anizay indray mandeha ho anigny olo aby izy, gny fa nanolosy gny vatany. 28 Fa gny lalana manondro gny olo ze mana fahaleme ho pisoro. Fa gny zakanigny fiegna, ze avy tafaranigny lala, dra nitakasy zanadahy, ze natao ho soa mandrakizay.