Toko faha 12

1 Noho izay, akory isika voadidy vavolombelo maro be manahaky gny raho, dra handeha isika hamela gny vesasy aby vo gny fahota maro magnodidy asika. Handeha isika hihazakazaky apahareta gny fihazakazaha ze natoby teo alohasika. 2 Handeha isika hitandry amin'i Jesosy, gny papiatomboky vo pagnatateraky gny finoa. Fa nohonigny hafalia ze napetraky teo anolohany, dra niarisy gny hazofizalia Izy, sy niraharaha gny hegnasizay, dra nitoby teo atagna-kavananigny seza fiandriagnan'Agnahary. 3 Noho izay erisereto gny momba anazy, gny raiky ze niarisy fanohera manahaky anizay boak'amin'ireo panota hanohisy gny vatany, ba sy ho reraky ao apondrareo handrareo dra hilavo lefo. 4 Sy bo nanohisy handrareo na niezaky hanohisy gny fahota hatramigny fahalahan-dio, 5 dra halignondrareo gny fapahereza ze napenary andrareo manahaky gny amireo zanaky ho: "Ry zanako lahy, ka magnameva gny fisipiky gny Topo, na mihareraky raha ahisiny handrareo." 6 Fa gny Topo magnafay gny tany aby, dra Izy magnasazy gny zanaky aby ze sy takariny. 7 Miareta fizalia manahaky gny fisipiky. Zagnahary dra minday andrareo manahaky gny zanaky. Fa zanaky ino gny teo dra sy nifaizinigny babany? 8 Fa raha sy mana fisipiky handrareo, se anagnanigny olo aby, dra zazasary fa sy zanany. 9 Dra nana gny baba ara-nofo manahaky gny pagnafay isika, dra nagnaza anireo sika. Sy tokony hakato gny rainigny fagnahy ra isika dra ho velo? 10 Fa esy andagniny gny andro araky ze marina tamin'ereo. 11 Nefa esy akilany, Zagnahary nanao anizay ho ani'ze soa ho asika ba hafahasika mana azara amigny fahamasignany. Sy misy famaiza mitranga ho soa, fa manaitay aza. Kanefa izay afara kely dra mamokasy gny vikasy feno fedagnanigny fahamarigna ho an'ireo ze nizary taminizay. 12 Noho izay hatazaho reo tagnandrareo ze miraviravy vo reo lohalindrareo malemy. 13 Manova lala mahisy ho anigny tombondrareo, ba ze malemy dra sy hiala fa ho soa aza. 14 Magnezeha fiadagna miaraky amigny olon'aby, dra gny fahamasigna avo koa ze sy hahitan'iza iza gny Topo raha sy miaraky amizay. 15 Mitandrema ba sy hisy na iza na iza sy hana gny fahasoavan'Agnahary, dra sy hisy afaky gny faharariny, mitombo hiteraky korota, ba sy ho maro gny lasa voaloto amizay. 16 Mitandrema ba sy hisy fizangazanga na olo sy zagnahary manahaky an'i Esao, ze namarosy gny fizokiany ho anigny hany raiky. 17 Fa handrareo mahafatasy gny fa afaky izay, gny fa nagniry gny handova gny fitahia izy, dra nilavy, akory sy nahita hiriky amigny fibebaha izy, na dre nikasaky anizay tamin-dranomaso aza. 18 Fa handrareo sy avy teo amigny tendrombohisy ze sy azo kasihy, tendrombohisy gny afo magnoro, mezy, fahamezigna, dra tafiosy. 19 Handrareo dra sy avy teo amigny tropetra magneno fatrasy, na teo amigny feo ze mizaka reo zaka zay gny piteno anizay dra nangataky ba sy hisy zaka hafa ho zaka amin'ereo. 20 Fa ereo sy afaky niarisy ze nididy ho: "Fa na dre gny biby makasiky gny tendrombohisy aza, dra sy maisy ho torahim-bato izay." [ Fagnamariha: Reo dika zaka ilany taloha dra mivaky manahaky anizahoky ho: ""Fa na dre biby raiky ze mikasiky gny tendrombohisy igny aza, dra sy maisy ho torahim-bato izay na ho vono amigny zana-sipiky.""] 21 Fa mapatahosy loasy gny fahita ze nizakan'i Mosesy ho: "Mihorohoro zaho dra matahosy." 22 Fa handrareo koa, dra avy boak'eo amigny tendrombohisy Ziona dra teo amigny tanan'Agnahary velo, gny Jeresalema agny an-dagnisy, dra teo amireo azely agnalignaliny tamigny fakalaza. 23 Handrareo dra avy boakeo amigny atokon'olonigny voloha-teraky, ze voasorasy agnara agny an-dagnisy. Handrareo dra avy teo amin'Agnahary, gny pisara gny olon'aby, dra teo amireo fagnahin'ireo olonigny fahamarigna ze natao tonga lafasy. 24 Handrareo dra avy boak'eo amin'i Jesosy, gny pagnalala gny fagnekena vaovao, dra teo amigny lio lasaky ze soa kokoa noho gny lion'i Abela. 25 Aoky handrareo sy handa gny raiky ze mizaka. Fa raha sy hienga ereo tamin'ereo nanda gny raiky napitandry anereo teto atany, dra nasaiky kokoa gny hengasika raha mihody amigny raiky ze mapitandry asika boak'agny an-dagnisy isika. 26 Tamigny fotoa raiky, gny feony nagnozongozogna gny tany. Fa amizao Izy napanatena vo nizaka ho: "Bo hagnozongozo indray mandeha zaho, sy tany avo fa gny lagnisy koa." 27 Ireo zaka reo, " Indray mandeha koa", dra midika gny famindra reoraha ze afaky hozongozogny, izay dra raha ze nohary, ba hitoby reo raha ze sy azo hozongozogny. Noho izay, akory mitakasy fazaka ze sy azo hozongozogny, dra aoky ho pakasitraky isika dra amizay fomba izay dra hidera an'Agnahary apagnaza fatrasy vo ami-tahosy. 29Fa gny Zagnaharisika dra afo mandevo.