Toko faha 11

1 Dra gny finoa gny atoky amireo raha linigny tami-pahatokisa, Io gny hita. 2 Fa noho izay reo razambe dra nakatoavy nohonigny finoan'ereo. 3 Amigny finoa gny hahafatarasika fa gny didin'Agnahary gny namorogna anizao totolo izao, dra ze hita maso dra sy natao tamigny raha ze hita maso. 4 Tamigny finoa gny nanoloran'i Abela fagnatisy soa kokoa ho an'Agnahary noho gny an'i Kaina, tamigny alalan'izay gny nitaliliany anazy ho marina, dra Zagnahary nizaka soa anazy noho reo fagnatisy, dra amigny finoa gny bo hizakan'i Abela, na dre fa maty aza izy. 5 Tamigny finoa gny namindra an'i Enoka ba sy ahitany gny fahafatesa. "Sy hita izy, akory nalan'Agnahary." Fa talohanigny nangala anazy, dra nizoro vavolombelo fa akasitrahan'Agnahary izy. 6 DRa gny fa sy nahita finoa dra sy mety hekasitrahany. akory taliavy ho ze magnato an'Agnahary dra sy maisy mino fa misy Izy dra Izy gny mamaly soa anireo ze mitalia anazy. 7 Tamigny finoa Noa, gny nagnome gny hafasy boak'amin'Agnahary momba anireo raha ze sy bo hita, nindray tamigny fagnaza an'Agnahary gny nagnamboarany gny sambo ze namozeny gny akohonany. Fa tamigny fanova anizay, gny nasiaha anizao totolo izao vo nahaviany ho pandova gny hafamarigna araky gny finoa. 8 Tamigny finoa Abrahama, gny fa tonoka, gny nakato vo nandeha nagnagny amigny toera ze hahazoany ho lova. Nandeha izy, sy nahay ze tany nombany. 9 Tamigny finoa gny niaignany tagny amigny tany napanatena manahaky gny vahiny. Niay tao agnatinigny tragno lay izy nindray tamin'Isaka vo i Jakoba, reo piara-mandova amigny fapanatena mitovy. 10 Fa izy nitalia gny tana ze mana anireo fagnoregna, gny tana ze Zagnahary gny pamari-tragno vo pagnori-trgno. 11 Tamigny finoa, na dre Saraha Izy vatany ze sy miteraky aza, gny nahazoan'i Abrahama gny fahafaha ho ray. Nitragna izay na dre fa tena atisy aza izy, akory niheveriny hanahaky gny matoky name gny fapanatena izy. [Fagnamariha: Misy fagnotania mombanigny ho gny finoan'i Abrahama sa gny finoan'i Saraha gny navohitra. " Tamigny finoan'i Saraha, na dre fa atisy aza izy, gny nahazoany gny hery hanagnanaky, na dre fa tena atisy aza izy hinday zaza, akory nihevisy gny nagnome gny fapanatena anazy ho matoky."] 12 Noho izay, avy amizay lelahy zay, ze fa ho maty, gny nahaterahan'ireo ze manahaky anireo kita egny an-dagnisy gny hamaroany vo manahky gny fasy magnamoro gny ranomasy, ze sy voaisa. 13 Tao amigny finoa reo gny fa reo gny maty sy nitakasy reo fapanatena. Fa koa, tafaranigny nahita vo niarahaba anereo boaky lavisy egny, dra nagneky ereo fa vahiny vo sesi-tany eto atany. 14 Ho an'ireoze mizaka manahaky anizay raha zay dra magnazava fa mitalia tanindraza ereo. 15 Raha nieriserisy gny firenena ze nialany ereo, dra mety nana fahafa hihery. 16 Fa manahaky anizay, nagniry firenena soasoa ereo, dra izay, gny agny an-dagnisy. Noho izay sy mahamegnasy an'Agnahary gny voatoka ho Zagnaharin'ereo, dra nagnoma tana ho anereo Izy. 17 Tamigny finoa Abdrahama, gny fa nosapa, dra nanolosy an'Isaka. Io gny zanadahiny toka ze natolony, izy gny nahazo anireo fapanatena. 18 Tamin'i Abrahama gny nizaka ho : " Amigny alalan'Isaka gny hanondroa anireo taranako." 19 Abrahama dra nihevisy fa Zagnahary dra hahavita hananga an'Isaka amireo maty, dra amigny heviny amigny ohasy, boaky amin'ereo gny hahazoany anazy ndraiky. 20 Tamigny finoa momban'ireo raha ho avy koa gny nisofan'Isaka rano an'i Jakoba vo i Esao. 21 Tamigny finoa Jakoba, tamin'izy fa ho maty, gny nison-drano anireo zanak'i Josefa sirairay aby. Nivavaky Jakoba, nitehy tamigny lohanigny tehiny. 22 Tamigny finoa Josefa, gny fa nagnariny gny fiafarany, gny nizaka gny fialanigny zanak'Isaely boak'agny Egypta dra nagnafarany gny amigny tolany. 23 Tamigny finoa Mosesy, gny teraky izy, dra navonin'ireo ray aman-dreniny nandrisy gny telo vola akory hitan'ereo fa zaza soa izy. Ay natahosy gny didinigny pazaka ereo. 24 Tamigny finoa Mosesy, tafaranigny nahalahibr anazy, gny nanda gny hitokava anazy ho zanadahinigny zanakapelan'i Farao, 25 Fa koa, nisafidy gny hizaly niaraky tamigny vahoakin'Agnahary izy, toy izay hotia reo fahafinaretanigny fahota mandrisy gny fitoa sy apy. 26 Nizaka izy ho gny fahafaham-baraka amigny fagnaraha an'i Kristy dra harena lahibe noho reo haren'i Egypta. Akory napifatoky reo masony tamigny valisoa izy. 27 Tamigny finoa gny nialan'i Mosesy tagny Egypta. Sy natahosy gny fahasiahanigny pazaka izy, fa niarisy anizay manahaky gny nahitany gny sy hita maso. 28 Tamigny finoa gny nitandremany gny Paska vo gny famafaza gny lio, ba sy hikasiky gny zanaky lahitkan'ireo Israely gny pandringa gny zanako lahitoka. 29 Tamigny finoa gny nisahan'ereo gny Ranomasy Mena manahky gny magnisaky tany sy misy rano. Gny fa nagnandra nanao anizay reo Egyptiana, dra voately ereo. 30 Tamigny finoa gny nirodagnanigny mandan'i Jeriko, gny fa boaky nohodidy nandrisy gny fito andro ereo. 31 Tamigny finoa gny sy nahafaty an'i Rahaba gny pivarotegna nindray tamireo paniasia, akory nitakasy reo psafo tany tamigny fedagna izy. 32 Ino avo koa gny afaky ho zakako? Fa ho lany gny fotoako raha mizaka momban'i Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela, dra momban'ireo paminany zaho. 33 Tamigny alalanigny finoa gny nahazoan'ereo gny fazaka, niasa ara-drariny, dra nitakasy reo fapanatena. Nagnakombo gny vavan'ireo liona ereo, 34 namono gny herinigny afo, nilomay gny lela mesa, akory tamireo arety, lasa nahery agnaly, dra nandresy reo tafiky vahiny. 35 Nisanga tamigny maty taminigny fanangana-ko velo reo apela. Reo hafa dra napizaly, taminigny sy fagneke gny famosora ba hahazoan'ereo fisangana soa kokoa. 36 Gny hafa dra nisapany tamigny fanesoa vo reo fizera, eh fa na dre gny fotosy vo gny fagnagadra aza. 37 Nitorahim-bato ereo. Nisofa hizara ro ereo. Nivono tamigny mesa ereo. nirerirery tamigny holis'agnondry vo holis'osy ereo. Sy nana ereo, napihorohoro, napahory. [Fagnamaria: gny dika-zaka ilany taliha dra mivaky manao anizahoky ho: "Nitorahim-bato ereo. Nisofa hizara ro. Napandalovy fisapa. nivono tamigny mesa."] 38 Izao totolo izao dra sy mendriky anereo. Nirerirery tagny agnefisy, tagny amireo. Tendrombohisy, tagny amireo lava-bato, dra tagny amireo lavaky ambaninigny tany ereo. 39 Kanefa reo olon'aby reo dra neken'Agnahary nohonigny finoan'ereo, sy nitakasy gny fapanatena ereo. 40 Nagnoma raha soa ho asika Zagnahary, ba sy ho lavorary ereo, raha sy misy asika.