Toko faha 10

1 Fa gny lalana dra alok'ireo raha soa ho avy avo, fa sy tena endrik'ireo raha reo. Ireo ze magnotany an'Agnahary dra sy afaky gny ho lafasy amigny alalanigny soro mitovy amize andesin'ireo pisoro isa-tao. 2 Raha izay sy fa nisahasy gny nanolosy anireo soro reo ra ereo? Amizay tranga zay, raha fa nilioviny ndray mandeha ereo, dra sy ba hahafatasy gny ota sasy reo pivavaky. 3 Fa amireo soro reo dra misy fapasiahiva reo ota isa-tao. 4 Akory gny lionigny agnomby lahy vo osy lahy dra sy mahavita mangalaky reo ota. 5 Gny fa avy teto amizao totolo izao Kristy, dra nizaka Izy ho: "Sy soro na koa fagnatisy gny nirindrareo. Fa koa, vata ze fa nomanindrareo ho anihy. 6 Gny fagnatisy noroa na soro ho anigny ota dra sy nifalianao. 7 Dra hoy Zaho ho: "Atio, tihoky zaho, araky ze voasorasy momba Anahy ao amigny Sorasy masy ba hanao gny sitrandrareo. 8 Volohany nizaka izy ho: "Sy soro, na koa fagnatisy, na fagnatisy oroa, na soro ho anigny ota gny nirindrareo. Dra Hanao sy nifaly tao amin'ereo." Reo dra soro ze atolosy araky gny lala. 9 Dra nizaka izy ho: "Atio, zaho hanao gny sitrandrareo." Izy dra nangalaky fapihara volohany ba hametraha gny fapihara faharo. 10 Tamizay sitraky zay, isika dra nihamasigny tamigny alalanigny fagnatisy gny vatan'i Jesosy Kristy ndray mandeha. 11 Amigny lafiny raiky, gny pisoron'aby dra mizoro isan'andro manopo an'Agnahary. Izy dra manolosy soro mitovy avo, na izay aza ereo dra sy afaky mangalaky reo ota mihisy. 12 Amigny lafiny raiky hafa, Kristy dra nanolosy soro raiky ho anigny ota mandrakizay, nitoby teo atagnakavanan'Agnahary Izy. 13 Izy dra mandigny mandra-panova reo fahavalony ho pisy tomboky ho anigny tombony. 14 Fa tamigny fagnatisy raiky izy dra nahalavorary mandrakizay reo ze nihamasiny. 15 Gny Fagnahy Masy ho dra mizoro vavolombelo ho asika. Fa tamigny volohany Izy nizaka ho: 16 "Tihoky gny fagneke ze hataoky miaraky amindrareo afaran'ireo andro reo, hoy gny Topo. Hatobiko ao apondrareo gny lalako, dra hanorasy anizay ao asain'ereo zaho. 17 Sy hahasiaro gny ota vo reo helok'ereo sasy zaho." 18 Dre na eza misy famela anizay, dra sy misy soro ho anigny ota sasy. 19 Noho izay, ry rahalahy, isika dra mana fahatokia gny hilisy ao amigny toera masy faratapony tamigny lion'i Jesosy. 20 Izay gny lalana vaovao sady velo ze nisokafiny ho asika tamigny alalanigny lamba, izay ho, tamigny alalanigny nofony. 21 Akory isika dra mana pisoro lahibe mitandry gny tragnon'agnahary, 22 aoky isika hagnato amigny fo malio amigny finia feno fahatokia, ba hanagnasika fo voalio amigny fierisereta rasy dra hanagnasika vatan voalio tamigny rano malio. 23 Aoky isika hihazo fatrasy gny fagneke gny fiandradra mahatokisika, sy apihozongozo, akory Zagnahary, ze napanatena, dra mahatoky. 24 Aoky isika handiniky gny fomba handrisiha gny sirairay amigny fitiava vo reo asa soa. 25 Aoky isika sy hagnazano gny fiaraha miango, manahaky gny nataonigny ialany. Fa koa, mifakahereza hatragny hatragny, vo somandraky fa hitandrareo fa magneky gny andro. 26 Fa raha toa isika mekendry manota gny fa avy nitakasy gny fahalala gny mary, dra sy misy fagnatisy ho anigny ota sasy. 27 Fa koa, toka avo gny fandignisa mahatahosy gny fisara, dra fahoria mirehisy ze hamotiky reo fahavalon'Agnahary. 28 Na iza na iza nanda gny lalan'i Mosesy dra ho maty sy misy indrafo amigny fizoroa vavolombelon'ireo ro na telo ze nagnatri-maso. 29 Fagnasazia rasy lavisy manahaky gny akory gny eriseretindrareo fa mendriky reo ze nagnisaky gny Zanan'Agnahary, ze nanao gny lionigny fifagneke ho sy masy__Gny lio ze nagnamasy Anazy__dra nanirasira gny fagnahinigny fahasoava? 30 Fa isika mahafatasy gny raiky nizaka ho: "Anahy gny valifaty; Izaho gny hamaly." vo dra: "Gny Topo dra hisara gny olony." 31 Raha mapatahosy gny hilasaky eo atagnan'Agnahry velo! 32 Fa tadidio reo andro taloha, gny fa nihazavany handrareo, gny fomba niaretandrareo gny aly fatrasy tamigny fizalia. 33 Handrareo dra nafahy barakaapahibemaso tamigny fagnarasia vo tamigny fagnezeha, dra handrareo nindray nizaratamireo ze nandalo fizalia manahaky anizay. 34 Akory handrareo dra nana fangoraha-po tamireo ze voagadra, dra handrareo nagneky tami-pifalia gny fangala gny fanagnandrareo. Dra nahafatasy handrareo fa gny vatandrareo mana fanagna soa vo maharisy mandrakizay. [Fagnamariha: Gny dika zaka taloha dra sy hahita gny fehezateny ho: "Fa handrareo dra nana fangoraha-po tamigny gadrako."] 35 Noho izay dra ka aria gny fahatisandrareo, ze mana valisoa lahibe. 36 Fa handrareo dra mila fahareta, ba hahazoandrareo ze napanatenan'Agnahary, gny fa nanao gny sitrapony handrareo. 37 Fa sy ho ela, gny raiky ze ho avy dra ho avy vatany dra sy ho ela. 38 Gny oloko mary dra hivelo amigny finoa. Raha mihemosy izy, Izaho dra sy ho faly aminazy." 39 Fa isika dra sy agnisan'ireo ze mihemosy ho amigny faharava. Fa koa, isika dra agnisan'ireo ze mana finoa ho amigny fahazoa gny fagnahisika.