Toko faha 3

1 Ry Galatiana Adala! Iza gny nagnosavy andrareo? Teo amasondrareo indrindra gny nahareza an'i Jesosy Kristy voahombo. 2 Izao avo gny raha tiako ianara amindrareo: Nitakasy gny Fagnahy tamigny asanigny lalana sa tamigny finoa ze rendrareo handrareo? 3 Mola vatany ra handrareo? Netomboky tamigny Fagnahy handrareo, dra hiafara amigny nofo ra amizao? 4 Moa niarisy raha-maro tamigny sy misy dikany ra handrareo_ fa gny tena raha foa vatany zay? 5 Moa ra izy ze magnome gny Fagnahy andrareo vo manao asa mahagaga eo amindrareo dra manao anizay zay amigny asanigny lalana, sa amigny fitenoa amigny finoa? 6 Manahaky an'i Abrahama "nino an'Agnahary dra nisaina ho fahamarigna anizay," 7 dra manahaky anizay, fataro, fa reo ze amigny finoa dra zanak'i Abrahama. 8 Gny sarasy masy, nihita meloha fa Zagnahary hagnamarigna reo Jentilisa amigny finoa , dra nitory gny filazasara meloha tamin'i Abrahama, nizaka ho: "Boaky aminao gny hitahia gny finoa aby." 9 Ko reo ze amigny finoa dra voatahy miaraky amin'i Abrahama, gny olonigny finoa. 10 Reo ze miaky amigny amigny asanigny lalana dra eo ambaninigny Ozo; fa voasorasy ho: "Voaozo ze sy magneky gny raha aby voasorasy ao agnatinigny bokinigny lalan'aby, vo manao anireo." 11 Amizao dra mazava fa sy misy olo ze hamariny eo agnatrehan'Agnahary amigny alalanigny lalana, akory gny mary dra ho velo amigny finoa. 12 Fa gny lalana dra sy araky gny finoa, fa koa, "Gny olo ze manao gny asanigny lalana dra sy maisy velo amireo." 13 Kristy nagnavosy asika tamigny azonigny lalana tamigny nahaviany ho ozo ho asika__fa voasorasy ho: "Voaozo ze mihato amigny hazo" _ 14ba ho avy amigny Jentilisa gny fitahin'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ba ho amigny finoa gny ahazoasika gny fapanatenanigny Fagnahy. 15 Ry rahalahy, angao zaho hizaka araky gny fanaonigny olo. Ao amigny fifagnaraha ataonigny olo, sy misy afaky magnafoa na magnapy ze ao, gny fa tafapetraky gny lalana zay. 16 Dra reo fapanatena dra nizaka tamin'i Abrahama vo tamin'ireo taranany. Sy mizaka anizay ho: "Ho anigny taranaky," manondro olo maro, , fa olo raiky avo," ho anigny taranaky," dra i KRisty. 17 Dra izao gny tiako ho zaka: "Gny lalana, ze lasa telo-polo sy efa-zato tao taty afara, dra sy hahafoa gny fagneke ze fa napetran'Agnahary meloha. 18 Fa gny avy amigny lalana gny lova, dra sy avy amigny fapanatena sasy zay. Fa Zagnahary nagnome anizay an'i Abrahama tamigny lalanigny fapanatena. 19 Ino, dra, gny tazonigny lalana? Nasia anizay noho reo fandikan-dalana, mandra-pahavianigny taranak'i Abrahama eo amize nanova gny fapanatena. Gny lalana dra nataonigny panalalana raiky ho ho mana-kery tamigny alalanigny azely tamigny alalanigny azely. 20 Fa gny panalalana dra midika olo mihoasy gny raiky, kanefa zagnahary dra raiky avy. 21 Moa ra gny lalana manohisy reo fapanatenan'Agnahary? Sagnatria zay! Fa raha nisy lalana name ze afaky magnome fiegna, dra boaky amigny lalana gny fahamarigna. 22 Fa gny sorasy masy nagnagadra gny raha-aby ambaninigny fahota. Nanao anizay Zagnahary ba hapanatena gny hagnavota asika amigny lalanigny finoa an'i Jesosy Kristy. 23 Dra talohanigny nahavianigny finoa, isika dra nitana ho babo tao amininigny lalana, nigandra mandra-pisehonigny finoa. 24 Ko avy eo gny lalana dra lasa piamby asika mandra-piavian'i Kristy, ba ho voamary amigny finoa isika. 25 Fa izao dra avy zay finoa zay, dra sy eo ambaninigny piamby sasy isika. 26 Fa handrareo aby dra zanan'Agnahary eo amigny finoa an'i Kristy Jesosy. 27 Fa maro amindrareo ze natao Batisa tao amin'i Kristy, gny nitakasy an'i Kristy. 28 Dra sy misy sasy na Jiosy na Grika, na andevo na olon'afaky, na lahy na vavy, fa raiky avo handrareo ao amin'i Kristy. 29 Gny an'i Kristy handrareo, dra taranak'i Abrahama, vo pandova araky gny fapanatena handrareo.