Toko faha 4

1 Mizaka zaho fa gny pandova, gny bo zaza izy, dra sy hafa amigny andevo, na dre toponigny raha aby aza. 2 Kanefa izy dra eo ambany fifehezan'ireo piamby vo reo pitahiry raha sarobily mandra-pahavianigny daty ze napetrany gny babany. 3 Manahaky anizay avo koa, tamy isika bo ny zaza, dra nandevozin'ireo lalana fisipi-pianaran'izao totolo izao. 4 Fa gny fa avy gny fahafenoanigny fotoa, dra nandefa gny Zanany Zagnahary, ze nateran-apela, nateraky tao ambaninigny lalana. 5 Nanao anizay Izy ba hagnavota reo ze ambaninigny lalana, ba hahafatarasika mitakasy gny fanangana ho zanaky. 6 Dra akory zanaky handrareo, dra nirahin'Agnahary ho ao aposika gny Fagnahinigny Zanany, ze mitoka ho: "Aba, ray." 7 Noho izay sy andevo, fa zanaky, dra gny raha zanaky, dra pandova amigny alalan'Agnahary avo koa hanao. 8 Fa tamizay fotoa zay, handrareo bo sy nahay an'Agnahary, dra natao ho andevon'ireo zay, amigny hery voazagnahary, dra sy zagnahary velively. 9 Fa amizao handrareo dra lasa nahay an'Agnahary, na koa hoe fatan'Agnahary handrareo, dra akory gny heverindrareo amigny abidim-penara malemy vo sy misy dikany? Te ho andevozy ndraiky ra handrareo? 10 Mandiniky reo andro vo reo vola vo gny vani-potoa vo gny tao handrareo! 11 Matahosy gny amindrareo zaho fa soa dra ho zava-poa gny asako teo amindrareo. 12 Mengavy andrareo zaho, ry rahalahy, manova manahaky anahy, akory zaho avo koa dra fa lasa manahaky andrareo. Sy nanao rasy taminahy handrareo. 13 Kanefa fatandrareo fa noho gny aretim-batako gny nignambarako andrareo gny filazasara tamigny volohany. 14 Na dre ninday andrareo tamigny faka-panahy aza gny toe-batako, dra sy nanao sinosino na nagniliky anahy handrareo. Fa niresindrareo manahaky gny ho azelin'Agnahary koa zaho, manahaky gny hoe zaho mihisy gny Kristy Jesosy. 15 Eza, noho izay, gny fahasoavandrareo amizao? Fa mizoro vavolombelo amindrareo zaho fa raha azondrareo atao, dra nalandrareo gny masondrareo vo namendrareo anahy zay. 16 Dra noho izay, fa lasa fahavalondrareo ra zaho akory mizaka amindrareo gny mary? 17 Ereo dra mazoto gny hitao andrareo, fa sy amigny sao. Te hagnily andrareo agny ivelany ereo, ba hanagnandrareo zoto-po ho anereo. 18 Soa avo gny mana zoto-po amigny tazo soa, dra sy gny fa miaraky amindrareo avo zaho. 19 Ry zanako, bo mizaly amigny fahararianigny fiteraha ho andrareo ndraiky zaho mandra-piforon'i Kristy ao amindrareo. 20 Magniry zaho ba ho afaky miaraky amindrareo amizao dra hagnova gny feoko, akory sahira-say noho gny amindrareo zaho. 21 Zakao aminahy, handrareo ze magniry gny ho eo ambaninigny lalana, moa sy miteno gny lalana ra handrareo? 22 Akory voasorasy fa i Abrahama dra nanagnanaky rolahy, gny raiky boaky amigny andevo dra gny raiky boaky amigny apela hafa. 23 Fa gny raiky dra nateraky gny andevo apela araky gny nofo, fa gny raiky koa dra nateraky gny apela tamigny zaka fapanatena. 24 Reo raha reo dra azo resy manahaky gny fagnohara, akory reo apela reo dra magnambara fagneke ro. GNy raiky amin'ereo dra boaky amigny tendrombohis'i Sinay dra niteraky zaza andevo izy. Izy io dra i Hagara. 25 Dra i Hagara dra maneho gny tendrombohis'i Sinay agny Arabia; dra maneho an'i Jerosalema amizao fotoa zao, akory andevozy niaraky tamireo zanany izy. 26 Fa i Jerosalema ze agny ambony dra afaky, dra izy gny renisika. 27 Akory voasorasy ho: "Mifalia, hanao ry momba ze sy miteraky. Mitokatokava fatrasy dra manova avo koa fifalia, hanao ze sy mizaly amigny fahararianigny fiteraha. akory gny zanaky gny apela ze nafoy dra maro noho gny an'ireo apela manambaly." 28 Fa handrareo, ry rahalahy, manahaky an'i Isika, dra zanaky gny fapanatena. 29 Tamizay fotoa zay gny olo ze teraky araky gny nofo dra nalaiky ze teraky araky gny fagnahy. Manahaky anizay avo koa gny amizao. 30 Kanefa ino gny zakanigny sorasy masy? "Alefaso agny gny andevo apela vo gny zanadahiny. Fa gny zanadahinigny andevo apela dra sy hizara lova miaraky amigny zanadahinigny apela hafa." 31 Noho izay, ry rahalahy, sy zanaky gny andevo apela sika, fa zanaky gny apela afaky.