Toko faha 8

1 Tamin'izeho andro zeho dra nomen'i Ahasoerosy Pazaka an'i Estera Pazaka vavy gny fanagnan'i Hamana, gny fahavalon'gny Jiosy, vo Mordekay nanomboky nanopo teo agnatrehan'gny pazaka, fa nizakan'i Estera tamin'gny pazaka gny fomba nifandraisan'i Mordekay taminazy. 2 Nalan'gny pazaka gny perasy tombo-kaseny, ze nalany ndraiky tamin'gny Hamana, vo natolony an'i Mordekay zeho. Nanendry an'i Mordekay ho piandraikisy gny fanagnan'i Hamana i Estera. 3 Dra niresky tamin'gny pazaka ndraiky i Estera. Niankohoky tamin'gny tany izy dra nitomagny no nengavy taminazy gny bo hagnafoagna gny hevi-drasin'i Hamana gny Agagita, amin'gny tetiky ze niheveriny hagnohera reo Jiosy. 4 Dra nanondro an'i Estera tamin'gny tehy volamena gny pazaka, dra niary izy dra nizoro nagnoloa gny pazaka. 5 Ho isy ho: "No sitraky gny pazaka, sady no nahita fitia teo amasoniha zaho, no mary eo agnatrehan'gny pazaka zeho, sady mahita sitraky eo amasoiha zaho, dra aoky ho sorata gny lily so hagnafoa reo taratasy nisoratan'i Hamana zanak'i Hamedata Agagita, reo taratasy ze nisoratany bo hamono reo Jiosy ze agny amin'ireo faritanin'gny pazaka aby. 6 Fa hahiko akory gny fagnety gny loza miantraiky amin'gny vahoakiko? Hahiko akory gny haharisy hagnety gny fandripaha reo havako?" 7 Nizaka tamin'i Estera pazaka vo tamin'i Mordekay gny Jiosy i Ahasoerosy pazaka ho: "Ingo, fa nomeko an'i Estera gny tragnon'i Hamana, sady nahanton'ereo tamin'gny hazo fagnantogna izy, akory nandeha nanafiky reo Jiosy. 8 Manorata lily hafa amin'gny agnaran'gny pazaka ho an'ireo Jiosy dra tomboy amin'gny perasy gny pazaka zeho. Fa gny lily ze fa voasorasy tamin'gny agnaran'gny pazaka sady voatomboky tamin'gny perasy gny pazaka dra sy afaky foagna." 9 Dra voatoka reo panora-dalagnan'gny pazaka tamin'izeho fotoa zeho, tamin'gny vola fahatelo, ze volan'gny Sivana, tamin'gny andro fahatelo amby ro-polon'gny vola. Gny lily voasorasy dra mirakitry ze iaby nandilian'i Mordekay mahakasiky reo Jiosy. Zeho dra nisorata ho an'ireo governoram-parisy, reo governora vo manam-boninahisy gny farisy ze hatreo India dra hatragny Etiopia, faritany 127, ho an'gny isam-paritany nisora araky gny fizakany aby, vo ho an'ireo Jiosy amin'gny sorasy vo fizakan'ereo. 10 Nanorasy tamin'gny agnaran'i Ahasoerosy Pazaka i Mordekay dra nanomboky anizeho tamin'gny perasy fitomboan-kasen'gny pazaka. Gny taratasy dra nalefany tamin'gny alalan'gny iraky mitikisy sovaly malaky fandehana ze napesany ho amin'gny fanopoa gny pazaka, nala tao amin'gny tragnon-sovalin'gny pazaka. 11 Nagnome fahefa reo Jiosy isaky gny tana gny pazaka so hiaraky hivory vo hialy so hiarova gny ain'ereo: bo handripaha, bo hamonoa, sady bo hamoteha ze herim-pialia boaky amin'ireo vahoaky na faritany ze mety hanafiky andreo, ao agnatin'izeho reo zaza amin'apela, na handroba gny fanagnan'ereo. 12 Tokony niantraky tamin'ireo faritanin'i Ahasoerosy Pazaka aby zeho, amin'gny andro fahatelo ambin'gny folo amin'gny vola faha-ro ambin'gny folo, zay volan'i Adara. 13 Gny dika mitovy tamin'gny lily dra tokony naboaky ho lalagna vo naseho am-pahibemaso ho an'ireo vahoaky aby. Reo Jiosy dra tokony ho vonogny hamaly faty reo fahavalon'ereo. 14 Dra nitikisy gny sovalin'gny pazaka ze napesay ho amin'gny famopoa gny pazaka reo iraky. Nandeha sy nisy hatak'andro ereo. Naboaky boaky tao amin'gny lapa tagny Sosana avo koa gny lilin'gny pazaka. 15 Vo Mordekay niala teo agnatrehan'gny pazaka nanao akazo fiandriana manga vo fosy, vo satro-boninahisy volamena lahibe vo akazo lava rongony fosy madiniku volom-parasy, ka dra nihiaky vo nifaly gny tanan'i Sosana. 16 Nisy hazava vo haravoa, vo hafalia vo voninahisy teo amin'ireo Jiosy. 17 Tagny amin'gny faritany kiraikiraiky vo tagny amin'gny tana kiraikiraiky, ndre teza ndre teza nahavian'gny lilin'gny pazaka, dra nisy hafalia vo haravoa tamin'ireo Jiosy, fanasa vo andro fifalia. Maro tamin'ireo karazan'olo tamin'gny tany gny nazary Jiosy, akory nilasaky teo amin'ereo gny tahosin'ireo Jiosy.