Toko faha 7

1 Ka dra nandeha nanao firavoravoa nidray tamin'i Estera Pazaka gny pazaka vo Hamana. 2 Tamin'iho andro faharo iho, dra ho gny pazaka tamin'i Estera ho: "Ino gny fagnirianiha, ry Estera Pazaka? Ho taterahy aminiha zeho. Ino gny fangatahaniha? Hatramin'gny ansasaky gny fanzaka, dra ho taterahy zeho." 3 Dra namaly Estera Pazaka ho: "No nahita fitia teo amasoniha zaho, ry pazaka, sady no ankasitrahaniha, dra aoky home anahy gny aiko--- zeho gny fagniriako, dra mangataky anizeho ho an'gny vahoakiko avo koa zaho. 4 Fa navily zahay, zaho vo gny vahoakiko, so ho potehy, ho vono, vo ho ripahy. No navily ho amin'gny fagnandevoza avo ra zahay, bo ho andevo lahy vo apela, dra ho nisigny zaho, akory y ho nisy fahoria manahaky anizao afaky hagnamary gny fitakoseha gny pazaka." 5 Dra ho i Ahasoerosy Pazaka tamin'i Estera pazakavaviny ho: "Ia zeho?" Eza gny hahita gny olo nanesisesiky gny fony hanao raha manahaky anizeho?" 6 Ho Estera ho: "Gny lelahy rafy, zeho fahavalo zeho, dra gny Hamana rasy igny!" Dra nihorohoro teo agnatrehan'gny pazaka lahy vo gny pazaka vavy i Hamana. 7 Nisanga tamin-kahoria boaky teo amin'gny finoman-divay tao amin'gny fanasa gny pazaka dra nandeha tao amin'gny zaridain'gny lapa, fe nizano so hitalaho gny amin'gny ainy tamin'i Estera Pazaka i Hamana. Sizony fa nisy loza tapaky gny pazaka ho anazy. 8 Dra nihery boaky tagny an-zaridain'gny lapa gny pazaka dra nilisy tao amin'gny efitragno ze nandrosoa gny divay. Teo dra nilavo teo amin'gny seza lava nisy an'i Estera i Hamana. Ho gny pazaka ho: "Hizera gny pazaka vavy eo agnatrehakko ato amin'gny tragnoko mihisy se izy?" Vantany vo niboaky boaky tao am-bavan'gny pazaka zeho fehezanteny zeho, dra nisaforan'ireo panopo gny tarehin'i Hamana. 9 Bokeo dra nizaka Harbona, raiky tamin'ireo tandapa nanopo gny pazaka ho: "Misy hazo fagnantogna dimapolo hakiho miory eo agnilan'gny tragnon'i Hamana. Naory ho an'i Mordekay iho, gny raiky ze nizaka fatrasy bo hiaro gny pazaka." Dra ho gny pazaka ho: " Ahantony eo amin'izeho izy." 10 Ka dra nahanton'ereo teo amin'gny hazo fahnantogna ze nomaniny ho an'i Mordekay i Hamana. Bokeo dra lefy gny hahorian'gny pazaka.