Toko faha 6

1 Sy nahita tory gny pazaka tamin'igny hariva igny. Nandily gny panopo izy so handay gny boky fitahiriza tatara tamin'gny fotoa nitondrany, dra nivakia fatrasy tamin'gny pazaka zeho. 2 Voarakisy tao fa niresaky mahakasik'i Bigtana vo Taresy i Mordekay, ro tamin'ireo manamboninahisy gny pazaka ze niamby gny vatrangara filira, zay nikasa gny hanao rasy gny pazaka Ahasoerosy. 3 Dra nagnotany gny pazaka ho: "Ino ra gny fa nahy so nagnomeza voninahisy na nankatoava an'i Mordekay tamin'gny nanaovany anizeho?" Vo reo zativi lahin'gny pazaka ze nanopo anazy nizaka ho: "Sy nisy nahy taminazy." 4 Ho gny pazaka ho: "Ia gny ao an-kianza ao? Sendra avy teo an-kianza ivelan'gny tragnon'gny pazaka i Hamana bo hizaka aminazy gny amin'gny hagnatognany an'i Mordekay eo amin'gny hazo fagnatogna ze fa nasangany ho anazy. 5 Nizaka taminazy reo panopon'gny pazaka ho: "Hamana gny mizoro eo an-kianza." Dra ho gny pazaka ho: "Engao izy hilisy." 6 Nofa nilisy Hamana dra ho gny pazaka taminazy ho: " Ino gny tokony ahy amin'gny lelahy ze tian'gny pazaka homem-boninahisy?' Dra ho Hamana nizaka am-po ho: "Ia se gny homen'gny pazaka voninahisy ankoasy anahy?" 7 Ho Hamana tamin'gny pazaka ho: "Ho an'gny lelahy ze tian'gny pazaka omem-boninahisy, 8 aoky ho andesy gny akazo lava fiandriana, akazo ze fa fagnisian'gny pazaka, vo gny sovaly ze fa nitikiran'gny pazaka, vo amin'gny lohany eo gny satro-boninahisy. 9 Vo aoky gny akzo vo gny sovaly ho gny raiky amin'ireo manamboninahisy magneva haza loasy. Aoky ereo hapiazako gny lelahy tian'gny pazaka homem-boninahisy, vo aoky ereo hitariky anazy hitety gny lalan'gny tana amin'gny sovaly. Dra aoky ereo hagnambara ho: 'Zeho gny nahy tamin'gny lelahy tian'gny pazaka homem-boninahisy!"' 10 Dra ho gny pazaka tamin'i Hamana ho: "Malaky alao gny akazo vo gny sovaly, araky ze fa nizakaniha, dra ahivo ho an'i Mordekay gny Jiosy ze mitoboky eo am-bavahadin'gny pazaka zeho. Ka misy ahy lasaky reo ze nizakaniha." 11 Vo Hamana nangala gny akazo vo gny sovaly. Dra napiakazony i Mordekay dra nandesiny nitety gny lalan'gny tanan'aby tamin'gny sovaly izy. Nagnambara teo agnoloany izy ho: "Zeho gny nahy tamin'gny lelahy ze tian'gny pazaka homem-boninahisy!" 12 Nihery teo am-bavahadin'gny pazaka i Mordekay, fa Hamana koa napalaky gny sovaliny ho agny an-tragnony, nalahelo, nisafosy loha. 13 Nitataran'i Hamana tamin'i Zaresy valiny vo reo sakezany aby gny raha aby nihatra taminazy. Vo gny olon-kendry aby vo Zaresy nizaka tamiazy ho: "No Mordekay, ze nanomboky nandavo aniha teo agnatrehany, gny Jiosy, dra sy hahatrasy anazy mihisy hanao, fa dra ho lavo eo agnatrehany vatany hanao." 14 No bo niresaky taminazy ereo, dra avy reo manamboninahisy gny pazaka. Dra nanday malaky an'i Hamana tagny amin'gny fanasa ze fa nomagnin'i Estera ereo.