Toko faha 5

1 Afaky telo andro, nanovan'i Estera gny akazo fiandrianany dra nandeha nisanga tao agnatin'gny kianzan'gny lapan'gny pazaka, teo agnoloan'gny tragnon'gny pazaka izy. Gny pazaka nitoboky teo amin'gny seza fiandrianany tao amin'gny tragnon'gny pazaka, mifagnatriky amin'gny filiran'gny tragno. 2 Nofa nahita an'i estera pazaka nisanga teo an-kianza gny pazaka, dra nahazo fankatoava teo amasony izy. Notondrony tamin'gny tehim-bolamena tegny an-tagnany izy. Ka dra nagnato i Estera dra nanendry gny tendron'gny tehim-panzaka. 3 Bokeo nizaka taminazy gny pazaka ho: "Ino gny ilaniha, ry Estera pazaka? Ino gny fangatahaniha? Ndre dra mihoasy gny ansasaky gny fanzakako aza, dra home aniha zeho." 4 Ho Estera ho: "No sitraky gny pazaka zeho, dra aoky gny pazaka vo Hamana ho avy amin'gny fanasa ze nomaniko ho anazy androany." 5 ra nizaka gny pazaka ho: "Andeso malaky Hamana, so hanao ze nizakan'i Estera." Ka dra nagnagny amin'gny fanasa ze nomanin'i Estera gny pazaka vo Hamana. 6 Nofa naroso tao amin'gny fanasa divay, dra nizaka tamin'i Estera gny pazaka ho: "Ino gny taliaviniha? Fa home aniha zeho. Ino gny fangatahaniha? Fa ndre dre mihoasy gny ansasaky gny fanzakako aza, dra home aniha zeho." 7 Namaly Estera ho: "Zeho gny taliaviko vo angatahiko, 8 no mahita sitraky eo amason'gny pazaka zaho sady no sitraky gny pazaka gny hagnome ze taliaviko vo hagnaza gny fagnatahako, dra aoky gny pazaka vo Hamana ho avy amin'gny fanasa ze homaniko ho andrareo hamaray sady dra hamaly gny fagnotanian'gny pazaka zaho."' 9 Niboaky tamin'izeho androzeho tamin'gny fo faly sady ravo i Haman. Fa nofa hitan'i Haman teo amin'gny vavahadin'gny pazaka i Mordekay, dra sy nisanga na nangitakitaky tamin-tahosy teo agnoloany i Mordekay, dra feno hahoria tamin'i Mordekay izy. 10 Ndre zeho aza, dra nifehy gny vatany i Hamana dra nandeha tagny an-tragnony. Napagniraky reo namany izy dra napivory andreo, nindray tamin'i Zaresa valiny. 11 Naherin'i Hamana nitanisa tamin'ereo gny famirapiratan'gny hareny, gny isan'ireo zanadahiny maro, gny fapisondrota aby ze nagnomezan'gny pazaka voninahisy anazy, vo gny fomba nandrosoany teo amin'ireo manamboninahisy vo reo panopon'gny pazaka aby. 12 Ho Hamana ho: "Estera pazaka dra sy nanasa olo laha-sy zaho ho avy mindray amin'ireo pazaka amin'gny fanasa nomagniny. Ndre dra hamaray koa aza dra nasainy hindray amin'ireo pazaka ndraiky zaho. 13 Fe zeho iaby zeho dra magneva ndre ino ndre ino ho anahy no bo mahita an'i Mordekay gny Jiosy mitoboky eo am-bavahadin'gny pazaka zaho." 14 Dra nizaka tamin'i Hamana vo reonamany aby Zaresa valiny ho: "Aoky ereo hanao hazo fagnatogna dimapolo hakihi gny haabony. Amin'gny maraindray dra miresaha amin'gny pazaka so hagnatognan'ereo an'i Mordekay eo amin'izeho. Vo dra mandeha am-pifalia mindray amin'gny pazaka agny amin'gny fanasa." Sitrak'i Hamana zeho dra nagnamboasy an'ireo hazo fagnatogna izy.