Toko faha 9

1 Dra tamin'gny faha-ro ambin'gny folon'gny vola, ze volan'i Adara, tamin'gny andro faha-telo ambin'gny folo, nofa mby hagnatateraky gny lalagna vo lilin'gny pazaka, tamin'gny andro ze nanantenain'ireo fahavalon'gny Jiosy hahazoany fahefa amin'ereo, dra nasimbaliky zeho. Gny Jiosy gny nanam-pahefa tamin'ireo ze nalay andreo. 2 Dra nivory tao an-tanay reo Jiosy nanera reo faritany abin'i Ahasoerosy pazaka, so hanzera reo ze nikasa hapidi-doza andreo. Dra sy afaky nizoro hanohisy andreo, akory fa nilasaky tamin'ireo vahoaky aby gny tahosy andreo. 3 Reo panapaky gny faritany aby, governoram-paritany, reo governora, vo gny panao raharahan'gny pazak, dra nagnapy gny Jiody akory fa nilasaky teo amin'ereo gny tahosy an'i Mordekay. 4 Fa lahibe i Mordekay tao an-tragnon'gny pazaka, sady niely nanera gny faritany aby gny lazany, fa nizary lahibe gny lelahy Mordekay. 5 Dra namely reo fahavalony tamin'gny mesa gny Jiosy, namono vo nandripaky andreo, sady nanao arak'ize sitrak'ereo tamin'ireo ze nalaigny anazy. 6 Nahafaty vo naharipaky olo dimanzati ereo tao amin'gny ferova fatrasin'i Sosana. 7 Novon'ereo i Parsandata, Dalfona, Aspata, 8 Porata, Adalia, 9 Parmasta, Arisay, Ariday, Vaizata 10 vo reo zanadahy folon'i Hamana zanak'i Hamedota, fny fahavalon'gny Jiosy. Fe sy nandroba fananga ereo. 11 Androtr'izay avo dra nitatery tagny amin'gny pazaka, gnyisan'ereo ze maty tagny amin'gny ferova fatrasin'i Sosana. 12 Dra ho gny pazaka tamin'i estera pazaka vavy ho: "Nahafaty olo dimanzato tao fatrasin'i Sosana gny Jioasy, agnisan'izeho reo zanandahin'i Hamana folo. Dra ino zeha gny nahin'ereo tamin'ireo faritani'gny pazaka sisa? Dra amizao ino gny ilaniha? Home aniha zeho. Ino gny fangatahaniha? Home aniha zeho." 13 Dra ho Estera ho: "No sitraky gny pazaka, dra aoky gny Jiosy ze agna Sosana hahazo alala hagnatateraky tihy lily tiky koa hamaray, dra aoky reo fatin'gny zanak'i Hamana folo lahy hahanto amin'gny hazo fagnantogna." 14 Dra nandily bo hagnatateraky anizeho gny pazka. Gny lily dra niboaky boaky tao Sosana, dra nahanton'ereo gny zanak'i Hamana folo lahy. 15 Dra nivondro reo Jiosy aby tao Sosana tamin'gny andro faha-efasy ambin-gny folon'gny vola Adara, dra nahafaty olo telonzato fagnapiny tao Sosana, fe sy nandroba fanagna. 16 Reo Jiosy sisa ze tagny amin'ireo faritanin'gny pazaka koa dra nindray so hiaro gny ain'ereo, dra afaky tamin'ireo fahavalony ereo sady nahafaty dimy arivo sy fito aly tamin'ireo ze nakahala anazy. Fe sy bo nikasi-tagna gny harenan'ireo ze nobony koa ereo. 17 Tamin'gny fahatelo ambin'gny folon'gny vola Adara gny nitrangan'izeho. Tamin'gny andro fahaefasy ambin'gny folo koa dra nizano ereo dra nanao anizeho ho andro fanasa vo firavoravoa. 18 Fe reo Jiosy ze tagny Sosana nindray nivory tamin'gny andro faha telo ambin'gny folo vo gny faha-efasy ambin'gny folo. Tamin'gny andro fahadimy ambin'gny folo koa dra nizano ereo dra nahiny andro fanasa vo firavoravoazeho. 19 Zeho gny mahavy reo Jiosy ao amin'ireo zana-bohisy, ze nagnory gny fasangen'ereo tagny ambanivohisy, mitandry gny andro faha-efasy ambin'gny folon'gny vola Adara ho andro firavoravoa vo fanasa, dra andro ze hifanoloan'ereo fagnomeza ara-sakafo. 20 Dra niraketin'i Mordekay an-sorasy zeho iaby zeho dra nandefa taratasy ho an'gny Jiosy aby ze tagny amin'gny faritany iabin'i Ahasoerosy pazaka izy, na lavisy na mariny, 21 handilia andreo hitandry gny andro fahaefasy amibin'gny folo vo faha dimy ambin'gny folon'gny vola Adara isan-tao. 22 Reo gny andro nafahan'gny Jiosy tamin'ireo fahavalony, vo vola ze nivalian'gny alahelon'ereo ho fifalia, vo fandala ho andro firavoravoa. Nahin'ereo andro fanasa vo firavoravoa zeho, vo fifagnomeza ara-sakafo, vo fagnomeza ho an'gny mahantra. 23 a nitohizan'gny Jiosy gny fakalaza ze fa natombok'ereo, anaova arak'ize nosoratan'i Mordekay. 24 Tamin'izeho fotoa zeho i Hamana zanadahin'i Hamedoda gny Agagita, gny fahavalon'gny Jiosy aby, dra nanao teti-drasy hanohisy gny Jiosy so handripaky andreo, dra nanoraky gny pora izy (na ho, nanao filoka izy), so handrava vo handripaha andreo. 25 Fe nofa avy teo agnatrehan'gny pazaka gny toe-drahraha, dra namoaky lily an-taratasy izy fa gny teti-drasy ze nivolavolain'i Hamana hanohera gny Jiosy dra tokny hahery ho eo an-dohany, dra tokony hahanto amin'gny hazo izy mbamin'ireo zanadahiny. 26 Dra nitokavin'ereo ho Porima reo andro reo, boaky amin'gny agnara ho Pora. Noho ze iaby voasorasy tagnatin'izeho taratasy zeho, vo ze iaby hitan'ereo vo ze nahazo andreo, 27 dra neken'gny Jiosy gny fomba amam-panao vaovao raiky vo andrekisy. Zeho fomba zehi dra ho andreo, ho an'ireo taranany. vo ze iaby mindray amin'ereo. Zeho dra mbo hakalazan'ereo zeho andro ro zeho isan-tao. Hakalaza zeho amin'gny fomba manoka amin'gny fotoa mitovy isan-tao ereo. 28 Ireo andro reo dra ho hakalaza sady ho tandrema isaky gny taranaky mifandimby, isam-pianakavia, isam-parisy, dra isan-tana. Reo Jiosy reo vo gny taranany dra sy hizano gny hitandry am-pahatokia reo andron'gny Porima reo, so sy halignon'ereo zeho mihisy. 29 Estera pazaka vavy zanaky apelan'i Abihaila vo i Mordekay gny Jiosy dra nanorasy tamim-pahefa feno dra nagnafatrasy tiky taratasy faharo mahakasin'i Porima tiky. 30 Taratasy gny nalefa tamin'gny Jiosy aby tany amin'ireo faritanin'gny fanzakan'i Ahasoerosy 127, niraria fandriam-pahalema vo fahamarigna reo Jiosy. 31 Reo taratasy reo dra nagnafatrasy reo andron'i Porima amin'ireo fotoa ze nanendre anizeho, arak'ize nandilian'i Mordekay gny Jiosy vo i Estera pazaka vavy an'ireo Jiosy. Dra neken'ireo Jiosy ho an'gny vatany zeho adidy zeho vo ho an'ireo taranak'ereo, manahak'ize fa nagneken'ereo gny fotoan'gny fifadian-kany vo gny fitomagnia koa. 32 Nagnafatrasy reo fisipiky mahakasik'i Porima reo gny lilin'i Estera, dra voasorasy tao agnatin'gny boky zeho.