Toko faha 9

1 Mitenoa, ry Israely; fa hisaky an'i Jordana hanao amizao, ba handeha hangalaky anireo firenena lahibe vo mahery nohonigny vatanao, vo ho amireo tana ze lahibe misy manda manakasy gny lagnisy, 2 dra vahoaky bevety sady lava, reo zanadahinigny Enakita, ze fatasao, dra ze fa nandresanao gny olo nizaka ho: 'Iza gny afaky hisanga manoloa reo zanadahin'i Anaka?' 3 Fataro dra amizao fa Yaveh zagnaharinao gny mialoha anao manahaky gny afo mandevo; handringa anereo Izy, dra handesy anereo eo anoloanao; dra handroaky anereo dra ho vono malaky ereo, araky ze fa nizakan'i Yaveh taminao. 4 Ka mizaka gny ao aponao, gny fa voaroakin'i Yaveh zagnaharinao sy ho eo anoloanao, ereo ho: 'Nohonigny fahamarignako gny nindesan'i Yaveh anahy ho topony ty tany tihoky,' akory nohonigny harasia-pagnahin'ireo firenena reo gny nahavy an'i Yaveh handroaky anazy sy ho eo anoloanao. 5 Sy nohonigny fahamarinanao na gny fahisi-ponao gny hahavy anao ho toponigny tanin'ereo, fa nohonigny harasia-pagnahin'ireo firenena reo gny mahaavy gny Zagnaharinao handroaky anereo sy ho eo anoloanao, dra ba hahafahany magnatateraky gny fahamarinanigny zaka ze nianianany tamireo razambenao, dra tamin'i Abrahama, Isaka dra i Jakoba. 6 Ko aoka ho fatanao, fa sy nohonigny fahamarinanao gny hagnomezan'i Yaveh zagnaharinao io tany soa io ho lasanao, fa olo maherilo hanao. 7 sarovy dra ka adinoy gny nahasianao anao gny fahorian'i yaveh zagnaharinao tagny agnefisy; hatramigny andro agnenganao gny tany Egypta dra hatramigny nahaviandrareo teto amity toera tihoky, dra nikomy nanohisy an'i Yaveh hatragny handrareo. 8 Tagny Horeba avo koa dra nihasy gny fahaorian'i Yaveh handrareo, dra tena nasiaky tamindrareo Yaveh dra saiky handringan'andrareo. 9 Gny fa niakasy ho agny atendrombohisy zaho ba hitakasy reo vato pisaky, dra reo vato pisaky gny fagneke ze nataon'i Yaveh nindray taminao, nitoby tagny atendrombohisy andrisy gny efapolo andro vo efapolo hariva zaho; sy nihina mofo na nino rano zaho. 10 Namen'i Yaveh anahy reo vato pisaky ro nisoratanigny tagnany; voasorasy teo amoreo gny raha aby araky gny tegny aby ze nambarn'i yaveh andrareo tagny atendrombohisy teo agnevonigny afo tamigny andronigny fivoria. 11 Dra gny fa tapisy gny efapolo andro vo efapolo hariva dra namen'i Yaveh anahy reo vato pisaky ro, dra reo vato pisaky gny fagneke. 12 Hoy Yaveh taminahy ho: 'Misangana, mizosoa malaky boak'eo, fa reo vahoakao, ze nandesinao boak'agny Egypta, dra fa nanola gny vatan'ereo. Nalaky nive tamigny lala nandidiako anazy ereo. Ereo dra namboasy sary raha agnily anereo. 13 Akoasy zay, nizaka taminahy Yaveh dra nizaka ho: 'Fa hitako vahoaky tahoky, vahoaky mahery loha ereo. 14 Angao raiky zaho, ba hahafahako mandringan'anereo vo mamafy gny agnarany sy ho eo ambaninigny lagnisy, dra hataoko ho firenena mahery vo lahibe noho ereo hanao.' 15 Noho zay dra nahody zaho dra nizoso boak'egny atendrombohisy, dra nirehesy gny tendrombohisy. Tatagnako atiky reo vato pisaky ronigny fagneke. 16 Nagnety zaho, dra ingo, nanota tamin'i Yaveh Zagnahirindrareo handrareo. Namolavola zanak'agnomby ho andrareo handrareo. Nalaky nivily tamigny lalana ze nandidian'i Yaveh andrareo handrareo. 17 Nalako reo vato pisaky ro dra nariako sy ho eo atagnako reo. Nivakiko teo amasondrareo zay. 18 Nekohoky efapolo andro vo efapolo hariva teo agnatrehan'i Yaveh ndraiky zaho; sy nihina mofo zaho na nino rano, nohonigny amireo fahotandrareo aby ze nataondrareo, tamigny nanovandrareo rasy teo amason'i Yaveh, ba hagneseha gny fahatezerany. 19 Fa natahosy gny fahoria vo gny firehetanigny sy fakasitraha ze tena mahaory an'i Yaveh tamindrareo dra saiky handringan'andrareo zaho. Fa niteno anahy avo koa Yaveh tamizay fotoa zay. 20 Ory fatrasy tamin'i Arona Yaveh dra saiky handringan'anazy; tamin'io dra nivavaky ho an'i Arona avo koa zaho. 21 Nalako gny fahotandrareo, gny zanak'agnomby ze namboarindrareo, dra noroaky zay, nizerako, dra nitorotoroko ho tena masaiky, mandra-pahaavy anazy ho madiniky manahaky botany. Niriako tagny amigny renirano ze mikoria boa'agny atendrombohisy gny vovny. 22 Tagny Tabera, tagny Masa, vo tagny Kibrota-hatava gny niasiandrareo gny fahasiahan'i Yaveh. 23 Gny fa nandefa andrareo hiala tao Kadesi-Barnea Yaveh dra nizaka ho: 'Mandehana miakasy dra alao ho fanagna gny tany ze nameko andrareo,' dra nikomy nanohisy gny didin'i Yaveh zagnaharindrareo handrareo, dra sy nino na niteno gny feony. 24 Nikomy nanohisy an'i Yaveh handrareo hatramigny andro nahafarako andrareo. 25 Dra niakohoky efapolo andro vo efapolo hariva teo agnatrehan'i Yaveh zaho, akory Izy nizaka fa handringan'andrareo. 26 Nivavaky tamin'i Yaveh zaho dra nizaka ho: "Ry Yaveh topo, ka aringa reo vahoakao na reo pandovanao ze navotanao tamigny fahalahibenao, ze netinao niboaky boa'agny Egypta tamigny tagna mahery. 27 Sarovy Abrahama, Isaka, dra i Jakoba panoponao; ka magnety gny herilohanity vahoaky ty, na gny harasia-pagnahiny, na reo fahotany, 28 fandrao gny tany ze nandesanao anay hizaka ho: "Akory Yaveh sy afaky ninday anereo tagny amigny tany ze napanatenany anereo, dra akory nalaiky anereo Izy, gny nindesany anereo niboaky ba hamonoan'anereo agny agnefisy." 29 Kanefa vahoakinao vo lovanao reo, ze nandesinao tamigny herinao lahibe vo tamigny fiasanigny herinao.'