Toko faha 7

1 Gny fa nandesin'i Yaveh Zagnaharinao tagny amigny tany ze ho fanagnanao hanao, dra handroaky firenena maro hiala eo anoloanao Izy__reo Hetita, reo Girgasita, reo Amorita, reo Kananita, reo Perizita, reo Hivita, dra reo Jebosita__firenena lahibe fito vo mahery kokoa noho hanao. 2 Izay dra Yaveh Zagnahariko izay manolosy anazy ireo ho anao aby mandresy anazy ireo hanao, dra sy maisy mamotiky tateraky anazy ireo hanao. Sy hanao fifagneke amin'azy ireo hanao, dra sy haneho famidrapo amin'azy ireo. 3 Na koa hikarakara fanambalia amin'azy ireo hanao. Sy hagnome gny zanakao vavy ho an'ny zanak'izy ireo lahy hanao, dra sy hangalaky gny zanak'izy ireo vavy ho an'ny zanakao lahy hanao. 4 Satria izy ireo hapivily lalana gny zanakao gny amigny fagnaraha anahy, ba hahafahan'izy ireo manopo Zagnahary hafa. Noho izay dra hirehisy amidrareo gny hatezeran'i Yaveh, dra hadringana adrareo malaky izy. 5 Izao gny tokony hifagnarahanao amin'azy ireo: ''Hamotiky gny sangam-baton'izy ireo hadrareo, hanapaky gny baon'Aserahan'izy ireo, dra hagnoro ireo sapy voasokis'izy ireo. 6 Satria hanao dra firenena izay voatoka ho an'i Yaveh Zagnahariko. Dra nifily anao ba ho vahoakiny, mihiasy noho ireo vahoaky faha aby eran'izao tontolo izao izy. 7 Sy nametraky gny fitiavany yeo amidrareo na nisafidy adrareo nohon'ny hamaroan'isadrareo noho gny vahoaky hafa i Yaveh___satria hadrareo gny visy indridra tamin'ireo vahoaky aby___ 8 Fa satria tiany adrareo, dra napanatenainy tamin'ireo razadrareo izy. Izay gny nahavy an'i Yaveh ninday adrareo niboaky tamigny tana mahery dra nagnafaky adrareo tao amigny tragno fagnandevozana, teo atagnan'i Farao, pazakan'i Egypta. 9 Noho izay dra fataro fa Yaveh Zagnahariko__izy gny Zagnahary, ilay Zagnahary mahatoky, izay mitana ireo fagneke vo fahatokia ho an'ny taranaky agnarivony midray amin'ireo izay tia anazy vo mitadrina ireo didiny, 10 Fa sazio egny amigny tavany ireo izay malaky anazy, ba hanimbana anazy ireo; sy handefisy amin'ireo izay makahala anazy izy; hamaly anazy eo agnatrehany izy. 11 Noho izay hanao dra hitadrina ireo baiko, ireo lalana, dra ireo didy izay nididiko ho ataonao anio, dra hapiatra ireo hanao. 12 Raha miteno reo lalana hanao, dra mitandry vo manao anizay, dra hitandry gny fagneke vo gny fahatokia ze napanatenany tamigny razanao Yaveh zagnaharinao. 13 Hitia andrareo Izy, hitahy gny vokasy gny vatandrareo vo gny vokasy gny tanindrareo, gny varindrareo, gny divay vaovaondrareo, vo gny menaky, gny fitombon'ireo biby tezandrareo vo reo zanak'agnondry aman'osindrareo, ao amigny tany ze napanatenany tamireo razandrareo fa hameny andrareo. 14 Ho voatahy kokoa noho reo olo hafa aby hanao; sy hisy lelahy momba na apela momba eo amindrareo na eo amigny biby tezandrareo. 15 Hangala gny aretyn'aby aminao i Yaveh; sy hataony mahazo anao reo areti-drasin'i Egypta fatasao, fa hataony amireo gny fa malaiky anao zay. 16 Handringa gny vondron'olo aby ze hagnomezan'i Yaveh zagnaharinao fandresena anao hanao , dra sy hiatra anereo gny masonao. Sy hanopo gny zagnaharin'ereo hanao, akory ho fandriky ho anao anizay. 17 Raha mizaka ao aponao hanao ho: "Maro an'isa noho zaho reo firenena reo; akory gny handeseko anireo?"__ 18 ka matahosy anereo; hahasiaro ze nataon'i Yaveh zagnaharinao tamin'i Farao vo Egypta aby hanao; 19 reo fizaliam-be ze hitanigny masonao, reo famatara, reo fahagaga, gny tana mahery, vo sandry misotra ze nitondran'i Yaveh anao niboaky. Yaveh Zagnaharinao dra hanao manahaky anizay ko amireo vahoaky aby ze hatahoranao. 20 Fagnapin'izay, Yaveh Zagnaharindrareo dra handefa gny fanenisy ao amin'ereo, mandra-paharingako reo sisa tavela vo ze magnavony gny vatany aminao amigny fagnatrehanao. 21 Sy hatahosy anereo hanao, akory Yaveh zagnaharinao dra eo aminao, zagnahary lahibe vo hatahora. 22 Yaveh Zagnaharinao dra handroaky sikelikely anazy aby gny fa eo anoloanao. Sy haharesy anazy aby indary mandeha hanao, fa dra hihamaro reo bibi-dia hagnodidin'anao. 23 Fa Yaveh zagnaharindrareo dra hagnome fandresena ho anao amin'ereo gny fa hialy amin'ereo hanao; hapivarahosan'anereo Izy mandra-paharingan'ereo. 24 Hataony eo ambany fahefanao reo pazakan'ereo, dra hahafoa gny agnaran'ereo amigny ambany lagnisy hanao. Sy hisy afaky hisanga manoloan'anao, mandra-paharinganao anereo. 25 Hagnoro reo sary sokos'ireo zagnaharin'ereo hanandrareo__ka misiririsy gny volafosy na gny volamena ze mandrakosy anereo dra mangalaky anizay ho anigny vatandrareo, akory raha manao anizay handrareo, dra ho voafandrik'izay__akory fanevatevan'an'i Yaveh zagnaharindrareo zay. 26 Sy hinday fahavetaveta ao atragnonao hanao dra hanomboky hanopo anizay. Halaiky anizay vatany hanao, akory fa voatoka ho anigny faharava zay.