Toko faha 33

1 Zao gny so-drano nataon'i Mosesy lelahin'Agnahary tamigny vahoakin'Israely talohanigny nahafatesany. 2 Hoy izy ho: Boak'ao Sinay i Yaveh dra niposaky boak'eo Seira teo agnabon'ereo. Namirapirasy boak'ao atendrombohisy Parana Izy, dra avy nindray tamireo azely masy harivaraiky. Helasy gny teo atagnany hanana. 3 Eny, tia an'ireo vahoaky Izy, reo azely masin'aby dra eo atagnanao avokoa, dra nekohoky eo atombokao ereo, nitakasy gny zakanao ereo. 4 Nandidy lalanaraiky ho asika i Mosesy, dra lova raiky ho anigny fengonan'i Jakoba. 5 Dra nisy pazaka tao Jerosalema, gny fa nivory reo loholonigny vahoaky, reo fokon'i Israely aby miakasy. 6 Aoky ho velo Robena dra sy ho maty, nefa ho visy anie reo olony. 7 Zao gny so-drano ho an'i Joda. Hoy Mosesy ho: Tenoy, ry Yaveh, gny feon'i Joda, dra andeso eo amigny olony ndraiky izy. Melia honazy; meteza ho fagnapia manohisy an'ireo fahavalony. 8 Momba an'i Levy koa, dra hoy Mosesy ho: Gny Tomimanao vo gny Orimanao dra anigny olo sy mivadiky, dra ze nagnatianao toera tao Masa, ze nifamalianao tao amigny ranon'i Meriba. 9 Gny lelahy ze nizaka momba gny rany vo gny reniny ho: "Sy nahita anereo zaho." Sy nekeny na dre reo rahalahiny aza, dra sy niheveriny reo zanany. Fa nitandry gny zakanao izy, dra nita gny fagnekenao. 10 Napianasy an'i Jakoba gny didinao Izy dra Israely gny lalanao. Hametraky liti-kazo magnisy eo anoloanao izy vo gny fagnatisy oroa aby eo agnabonigny alitaranao. 11 Tahio, ry Yaveh, reo fanagnany, dra ekeo gny asanigny tagnany. Torotoroy gny valahanize misanga hanohisy anazy, vo gny an'ireo olo ze malaiky anazy, ba sy ho tafasanga ndraiky ereo. 12 Gny amin'i Benjamina, dra hoy i Mosesy ho: Gny malalan'i Yaveh dra mandry fahizay eo agnilany: Yaveh gny miaro anazy mandrakariva, dra magnino eo agnelagnelanigny sandrin'i Yaveh izy. 13 Gny amin'i Josefa, dra hoy i Mosesy ho: Ho tahin'i Yaveh anie amireo raha soanigny lagnisy anie gny taniny, dra amigny ando, dra amigny rano laliky ze mamisaky ambany. 14 Ho tahy amireo raha soa ze vokasy gny masoandro anie gny taniny, amireo raha soa vokas'ireo volana, 15 amireo raha soa indrindran'ireo tendrombohisy fahagola, dra amireo raha-soan'ireo havoa maharisy mandrakizay. 16 Ho tahy amireo raha soa gny tany vo ze heriny anie gny taniny, dra amigny sitrapo soan'Izy ze tao amigny voaroy. Aoky gny fitahia ho eo an-dohan'i Josefa, dra ho eo atapon-dohanigny andria teo amireo rahalahiny. 17 Gny teraky volohany gny agnomby, dra be voninahisy izy, dra reo tendrony dra zagnon'agnombimanga. Amizay gny hanotoany gny olo, izy aby, hatragny aparanigny tany. Reo gny agnalignalin'i Efraima; reo gny agnarivorivon'i Manase. 18 Gny amin'i Zebolona, dra hoy i Mosesy ho: Mifalia, amize handehananao, dra hanao, ry Isakara, ao an-dainao. 19 Hitoka reo vahoaky ho agny atendrombohisy ereo. Agny gny hagnateran'ereo fagnati-pahamarigna. Fa ereo gny hitroko reo Haren-dranomasy, vo avyamigny fasy eo amoron-dranomasy. 20 Gny amin'i Gada dra hoy Mosesy ho: Ho Tahy ze magnitasy an'i Gada, honin'agny manahaky gny liona vaviny izy, dra hamiravira sandry na loha egny izy. 21 Nangalaky gny soa indrindra ho anigny vatany izy, fa tagny gny nanokana gny zara0taninigny pitariky. Avy nitariky tamireo lahibenigny vahoaky izy. Nitaterahiny nindray tamin'Israely gny fahamarignan'i Yaveh mbamin'ireo didiny. 22 Gny amin'i Dana, dra hoy Mosesy ho: i Dana dra zana-diona ze miasapy boak'agny Basana. 23 Gny amin'i Naftaly, dra hoy i Kosesy ho: i Naftaly, visy fakasitraha, sady feno gny fitahian'i Yaveh, mandova gny tany hatragny andrefa vo asimo. 24 Gny amin'i Asera, dra hoy Yaveh ho: Ho tahy mihoasy noho gny zanadahiny hafa aby anie Asera; aoky ho hakasitrahan'ireo rahalahiny izy, dra aoky izy hanoboky gny tombony agnaty menaky oliva. 25 Ho vy vo varahy anie reo hilinigny tagnanao; araky gny fahalavan'ireo andronao, gny ho fahamaroanigny filaminanao. 26 Ry Jesorana__gny mahisy, sy misy manahaky an'Agnahary, ze mitikisy gny lagnisy ba hamozy anao, dra egny amigny rahon'amigny fiandrianany. 27 Gny Zagnahary mandrakizay dra felofa, dra reo sandry mandrakizay gny eo ambany. Mandroaky gny fahavalo sy ho eo anoloanao Izy, dra manao ho: "aringano!" 28 Mandry fahizay Israely. Azo atoky gny loharan'i Jakoba ao amigny tany misy vary vo divay vaovao; egny, egny, aoky gny lagnisy handasaky ando eo aminazy. 29 Maro reo fitahinao, ry Israely! Iza gny manahaky anao, dra firenena voavozin'i Yaveh, gny apinganigny famozenao, dra sabasy gny voninahisao? Ho avy hatahosy eo anoloanao reo fahavalonao; dra hisahinao reo fitoerany abo.