Toko faha 34

1 Dra niakasy boak'agny amigny tany lemak'i Moaba nangagny amigny tendrombohisy Nebo, nagnagnyatapon'i Pisga, ze tandrefin'i Jeriko i Mosesy. Tagny Yaveh gny napiseho taminazy gny tanin'i Gileada aby dra hatragny Dana, 2 vo Naftaly aby, dra gny tanin'i Efraima vo Manase, vo gny tanin'i Joda aby, magnagny amigny ranomasin'andrefa, 3 vo agny Negeva, dra gny tany lemaky gny lohasakan'i Jeriko, gny tananigny Rofia, dra hatragny Zoara. 4 Hoy Yaveh taminazy ho: "Tihoky gny tany ze niegnako tamin'i Abrahama, Isaka, vo Jakoba, nanao anizahoky ho: 'Homeko gny taranandrareo tihoky.' Nangako hagnety anizay tamigny masondrareo handrareo, saky sy handeha agny." 5 Dra maty tao amigny tanin'i Moaba i Mosesy, araky gny zaka napanatenan'i Yaveh. 6 Nalevin'i Yaveh tao amigny lohasaka ao amigny tanin'i Moaba manandrify an'i Beti-peora izy, fa sy nisy nahay ze misy gny lolony mandrak'amizao. 7 Ropolo amby zato tao i MOsesy tamin'izy maty; sy pahina gny masony, na nihena gny hery voazagnahariny. 8 Nandala an'i Mosesy tagny amigny tany lemak'i Moaba nandrisy gny telopolo andro gny vahoakin'Israely, boak'eo tapisy reo andro fandalan'an'i Mosesy. 9 Feno gny fagnahinigny fahendrena i Josoa zanadahin'i Nona, akory nametra-tagna taminazy i Mosesy. Niteno anazy gny vahoakin'Israely dra nanao ze nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 10 Sy nisy paminany manahaky an'i Mosesy mihisy tao Israely, ze fatas'i Yaveh nifagnatriky taminazy. 11 Sy bo nisy paminany manahak'anazy tamireo famatara vo fahagaga ze nagnirahan'i Yaveh anazy ba hatao agny amigny tany Egypta, agny amin'i Farao, vo reo panopony aby, dra agny amigny taniny aby. 12 Sy bo nisy paminany manahaky anazy amigny asa lahibe aby vo mapatahosy ze nataon'i Mosesy teo amason'Israely aby.