Toko faha 32

1 Mitenoa, ry lagnisy, dra angao zaho hizaka. Aoka gny tany hiteno gny zakan'ny vavako. 2 Aoka gny fapianarako hilasaky manahaky gny ranora, aoka gny zaka halahaso hidray manahaky gny ando, ho manahaky gny ora matify amigny ahi-meso, vo ho manahaky gny oram-be amigny zava-magniry. 3 Fa hitory gny agnaran'i Yaveh zaho, dra hagneky gny fahalehibiazan'ny Zagnaharisika. 4 Ilay vatolapy, tateraky gny asany; fa marina avikoa gny lalany aby. Izy ilay Zagnahary mahatoky, izay sy misy heloka. Marina vo mahisy izy. 5 Nanao rasy nanohisy anazy izy ireo. Sy ba zanany izy ireo. Fahafaham-baraka hon'azy ireo izay. Taranaky sola toetra vo ory izy ireo. 6 Izay se gny fomba hamalianao fitia an'i Yaveh, ry vahoaky mola vo sy misy saina? sy babanao se izy, ilay iray izay nahary anao? Nanao vo nagnory anao izy. 7 Aheregno ao asainao ireo andron'ny fotoa fahiny, saino gny taona maro fa lasa. Agnotanio gny babanao dra hasehony anao, ireo loholonao dra ho zakan'ny ireo aminao. 8 Tamigny nagnomezan'ilay avo indrindra an'ireo firenena gny lovan'izy itreo__tamigny nizarany gny olombelo aby, dra gny nametrahany gny faritanin'ny vahoaky, dra gny nagneragnany gny isak'ireo andriamaniny avo koa. 9 Fa gny azaran'i Yaveh dra ireo vahoakiny; Jakoba gny zara lavany. 10 Hitany tagny amigny tany efisy izy, vo tagny amigny tany efisy lao vo sy mamokasy; niaro vo nokarakara anazy izy, niamby anazy manahaky gny anakadriamanosy izy. 11 Manahaky gny voro mahery izay miamby gny ankaniny vo mitilitily eo agnabon'ireo zanany, namelasy gny elany Yaveh dra nangalaky anazy ireo, dra nandesiny tegny agnabon'ny elany izy ireo. 12 Yaveh raiky gny nitariky anazy; sy nisy Zagnahari-hafa nidray taminazy. 13 Napamdeha anazy tegny amin'ireo toerana avon'ny tany izy, dra namaha anazy gny vokasy gny saha; namelona anazy tamigny Tantely avy amigny vatolapy izy, dra menaky tamigny harambato afovato. 14 Nihina hero-dronono avy amigny agnomby vo nisotro ronono avy amin'ireo agnondry miaraky amigny Osy izy, nidray tamigny tavin'ny zanak'agnodry, agnodry lahin'ny Basana vo ireo Osy lahy, nidray tamigny varim-bazaha soa indrindra__dra nisotro divay mandroasy avy tamigny ranom-boaloboky hanao. 15 Fa nihanatavy Jerosalema dra nidaka__nihanatavy hanao, tena natavy loasy hanao,dra nihina izay nahavisy anao___nahafo an'in Zagnahary izay nanao anazy izy, dra nolaviny gny vatolapin'ny famozena. 16 Nnay izay nahasaro-piaro an'i Yaveh tamin'ireo Zagnahari-hafa izy ireo; tamin'ireo zava-vetaveta gny napatezetrany anazy. 17 Nanao sorona tamigny demonia izy ireo, izay sy Zagnahary___Zagnahary izay sy fatas'izy ireo, Zagnahary izay vao noseho, Zagnahary izay sy natahoran'ireo razambendrareo. 18 Nataonao foana gny vatolapy, izay fa avy babanao, dra nihalignony ilay Zagnahary izay niteraky anao. 19 Hitan'i Yaveh izay dra nafoiny izy ireo, satria nihasy anazy gny zanany lahy vo vavy. 20 Hoy izy ho: Hagnavony gny tavako amin'izy ireo zaho,'' dra ho hitako eo izay hiafaran'izy ireo; fa taranaky pivadiky izy ireo, zanaky izay sy mahatoky. 21 Nanao izay nahasaro-piaro anahy tamin'izay sy Zagnahary izy ireo dra napahaory anahy tamin'ireo zava-poana. Izaho hapialina anazy ireo amin'izay sy vahoaky; hapahaory anazy ireo amigny firenena mola zaho. 22 Fa nirehisy gny afo honon'ny fahoriako dra magnoro hatragny amigny fiaigna-sihita ambany indrindra; mandevo gny tany vo gny vokasy ao amigny izay; mapirehisy ireo fototry gny tedrombohisy izay. 23 Hapivangongo loza eo amign'izy ireo zaho; hitifisy anazy ireo amigny zana-sipikao aby zaho; 24 Ho fatin'ny hanoanana izy ireo dra ho levon'ny hafana ma vo fadrava mafaisy; halefako ho eo amin'izy ireo koa gny nifin'ireo bibidia, midray amigny poizin'ny biby amigny botany. 25 Hahaory any ivelany gny sabatra, dra hanao manahaky izay koa gny fapihorohoroana ao amigny afisy gny fadria. Hadringana gny tovolahy vo gny viriziny izay, gny zaza minono, dra gny lelahy fosy volo. 26 Fa nizakako fa hapiely anazy ireo lavisy zaho, dra hasahaso sy ho eo amigny olombelo gny fahasiarova anazy ireo. 27 Gny sy nohon'ny fahatahorako gny fiasian'ny fahavalo, vo gny sy hisaran'ireo fahavalony anazy ireo diso , dra hizakan'izy ireo ho: '' Misadratra gny tagnany,' dra nataoko avokoa ireo raby ireo. 28 Fa firene sy hahitam-pahedrena Israely, ary sy misy fahazava-say ao amigny. 29 Indrisy, raha ba hendry izy ereo, dra afaky nahatakasy izany, dra afaky andiniky izay hiafarany! 30 Ataon'ny iray manaoakory gny hagneziky arivo, na gny ro hapandososy iray alina, gny sy gny vatolapiny gny fa namarosy anazy, dra Yaveh gny fa nahafo anazy ireo? 31 Fa gny vatolapin'ireo fahavalosika dra sy mitovy amigny vatolapisika, araky izay fa eken'ny fahavalosika. 32 Fa gny voalobony dra vy amigny voalobok'i Sodoma, dra avy amin'ireo sahan'i Gomora; voaloboky misy poizina gny voalobony; dra mafaisy ireo sapany. 33 Poizin'ny manerana gny divain'izy ireo dra poizi-mandozaben'ny manerana. 34 Sy fikasana miafiana nitehiriziko se zay, voaisy tombo-kase tao atragno fitiera-drakisy? 35 Anahy gny famalia, vo gny fapagnodiava, amigny fotoa hahasolafaky gny tombon'izy ireo; fa atomoso gny andro hahitan'izy ireo loza, dra hitranga malaky ireo raha voatedry hon'azy ireo.'' 36 Satria Yaveh dra hagnome rariny gny olony, dra hamidra fo amin'ireo panopony izy. Ho hitany fa sy manakery izy ireo, dra sy nisy tafazano, na ireo andevo na gny olon'afaky. 37 Dra hizaka izy ho:''Eza ireo Zagnahariny, gny vatolapy izay nialofan'izy ireo? ___ 38 Ireo Zagnahary izay nihinana gny tavin'ireo sorona nataony vo nisotro gny divai-pagnatisy ailin'izy ireo? Aoka izy ireo hisangana dra hagnapy adrareo aoka izy ireo ho fiarovadrareo. 39 Atio akehitriny fa izaho, dra izaho, avo gny Zagnahary, dra sy misy Zagnahary afasy izaho; izaho gny mahafaty, dra izaho gny mahavelo; izaho gny madrasy, dra izaho gny magnasitrany, dra sy misy hafa afaky hamozy anao amigny heriko. 40 Egny manadrasy gny tagnako ho amigny lagnisy zaho dra mizaka ho: 'Satria velo madrakizay zaho, dra hiasa. 41 Gny fa madragnisy gny sabatro mazelasy zaho, dra gny fa manomboky minday gny rariny gny ragnako, dra hamaly ireo fahavaloko zaho, dra hovaliako ireo izay nalaiky anahy. 42 Hataoko mamon-dra gny zana-sipikao, dra gny zabatro hihinana nofo midray amigny ran'ireo voavono vo ireo babo, dra hatramigny lohan'ireo pitariky gny fahavalo.''' 43 Miravoravoa, hadrareo ry firinina, midray amigny vahoaky Zagnahary, fa hamaly gny ran'ny panopony izy; hamaly faty ireo fahavalony ho an'ny taniny izy, dra ho an'ny olony. 44 Dra avy Mosesy dra nagnisaky gny egny rehetran'izay fihira izay teo asifin'ireo vahoaky, izy, vo Hisea zanaky lahin'i Nona. 45 Dra tapisy voaisaky Mosesy tamin'Israely manotolo izay tagny aby izay. 46 Dra hoy izy tamin'izy ireo: ''Hafatohy ao asaidrareo ireo zaka aby izay nizoroako vavolombelo tamidrareo androany, ba hadidiadrareo gny zanakidrareo hitadrina an'izay, gny tegny aby an'ity lalana ity. 47 Fa sy zava-poana ho adrareo izay, satria fiaignadrareo, fa amin'izay raha izay gny hahalava gny andronao amin'ilay tany izay hisahanao an'i Jordana ho fanagnanao.'' 48 Nzaka tamin'i Mosesy Yaveh tamin'io andro io avo dra nizaka ho: 49 ''Mandehana miakasy amin'ireo tedrombohis'i Abarima, miakasy hatragny atedrombohisy Nebo, izay agny amigny tanin'i Moaba, tadrifin'i Keriko. hagnety gny tany kanana, izay homeko ireo zanak'Israely ho fanagnany hanao. 50 Ho maty eo amigny tedrombohisy izay hiakaranao hanao, dra ho voahangona eo amin'ireo vahoakinao, manahaky gny nahafati an' Arona Israelita namanao tagny atedrombohisy Hora dra nahangona teo amin'ireo vahoaky. 51 Izay gny hiseho sartia hanao dra sy natoky anahy teo agnatrehan'ireo vahoakin'Israely tagny amigny ranon'i Meriba tagny kadesy, tagny agnefisy Zina; satria hanao sy ninday anahy tamivoninahisy so tamifagnaza teo agnatrehan'ireo vahoakin'Israely. 52 Fa ho hitanao eo alohanao gny tany, kanefa sy handeha agny hanao, agny amigny tany izay homeko gny vahoakin'Israely.''