Toko faha 31

1 Mosesy nandeha dra nizaka reo zaka reo tamin'i Israely aby. 2 Hoy izy tamin'ereo: "Ropolo amby zato tao zaho amizao; sy afaky mandeha miboaky vo milisy sasy zaho; hoy Yaveh taminahy ho: 'Sy hita an'i Jordana hanao.' 3 Yaveh Zagnaharinao, dra handeha manoloan'anao; hamotiky reo firenena eo amoloanao Izy, dra ho azonao reo. Josoa, handeha eo anoloanao izy, araky ze nizakan'i Yaveh. 4 Yaveh dra hanao aminireo manahaky ze nataony tamin'i Sihona vo Oga, pazakan'ireo Amorita, vo amireo tanin'ereo, ze nisolany. 5 Yaveh dra hagnome fandresendrareo anereo gny fa mialy handrareo, dra hanao ze nandidiako andrareo amin'ereo handrareo. 6 Matazaha dra mahereza soa, ka matahosy, dra ka raiki-tahosy anereo; akory Yaveh Zagnaharinao, Izy ze mandeha mindray aminao; sy hagnary anao na koa hahafo anao Izy." 7 Nitoka an'i Josoa i Mosesy dra nizaka taminazy teo amason'Israely aby ho: "Matazaha dra mahereza soa, akory handeha hindray amireo vahoaky reo agny amigny tany ze napanatenan'i Yaveh tamigny razan'ereo fa hagnome anereo hanao; hahaavy anereo handova anizay hanao. 8 Yaveh, Izy gny handeha eo anoloanao;hindray aminao Izy; sy hagnary anao na hahafo anao Izy; ka matahosy, ka kivy." 9 Nanorasy anizay lalana zay i Mosesy dra nagnome anizay an'ireo pisoro, reo zanak'i Levy, ze ninday gny fiaranigny fagneken'i Yaveh; nagnome dika mitovy amizay an'ireo loholon'Israely aby avo koa izy. 10 Nandidy anereo i Mosesy dra nizaka ho: "Isaky gny faranigny fito tao, amigny fotoa voatondro amigny fagnafoagna reo trosa, mandrisy gny Firavoravoanigny Fialofa, 11 gny fa avy hiseho eo agnatrehan'i Yaveh zagnaharinao eo amigny toera ze safidinao ho fitoerany masy gny Israely aby, dra hamaky io lalana io manoloan'an'Israely aby eo asofon'ereo hanao. 12 Vorio gny olo, gny lelahy, gny apela, gny zaza, dra gny vahininao ze ao amigny vavahadiny gny tananao, ba ho afaky handresy vo hianas'ereo, dra ba ho afaky hagnome voninahisy an'i Yaveh Zagnaharindrareo vo hitandry gny zaka aby amin'io lalana io ereo. 13 Atovy zay ba ho afaky hiteno vo hianasy hagnome voninahisy an'i Yaveh Zagnaharindrareo, gny zanak'ereo, ze sy mahafatasy, raha bo mipetraky ao amigny tany ze hitandrareo ho agny Jordana ho fanagnandrareo handrareo. 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy ho: "Ingo, ho avy gny andro ze sy maisy hahafatesanao; tokavo i Josoa dra manolora tegna ao amigny lay fihogna, ba hahafahako magnome baiko anazy." Dra nandeha Mosesy vo Josoa dra nanolosy gny vatan'ereo tao amigny lay fihogna. 15 Niseho tao amigny lay tamigny andry rahon'i Yaveh; gny andrin-draho nisanga teo amigny vatrangaranigny lay. 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Ingo, hindray handry amireo razanao hanao; io vahoak'io dra hisanga dra hanao manahaky gny pizangazanga magnoriky zagnahary hafa ze eo aminereo ao amigny tany ze handehananereo. Hahafo Anahy ereo dra handrava gny fagnekeko ze nataoko taminereo. 17 Dra, amin'io andro io, dra hirehisy aminereo gny haoriako dra hagnenga anereo Zaho. Hagnavony gny tarehiko aminereo Zaho dra ho levo ereo. Arety maro vo korota gny ho hitan'ereo ba hizaka manahaky anizao ereo amin'io andro io ho: 'Sy avy eto agnevosika ra reo arety reo akory sy eto agnevosika gny Zagnaharisika?' 18 Hagnavony gny tarehiko amin'ereo vatany Zaho amin'io andro io nohonigny rasy nataon'ereo aby reo, akory nitoliky tagny amireo zagnahary hafa ereo. 19 Amizao dra lia sarosy ho anigny tanandrareo ty hira tihoky dra apenaro gny vahoakin'Israely zay. Atovy ao am-bavan'ereo zay, dra mety ho fizoroa vavolombelo honahy amireo vahoakin'Israely zay hira zay. 20 Akory gny fa hinday anereo agny amigny tany ze napanatenako home reo razamben'ereo Zaho, tagny ze tondra-dronono vo tately, dra gny fa avy hihina dra visy vo afa-po ereo, dra hitoloky agny amireo zagnahari-hafa vo hanopo anereo dra hanao sinosino anahy vo handrava gny fagnekeko. 21 Gny fa avy eo agnevon'io vahoak'io gny rasy vo gny korota maro, dra ho vavolombelon'eo agnatrehan'ereo io hira io (akory sy halogno eo ambavan'ireo taranak'ereo zay). Akory fatako gny tetikasa ze forognin'ereo amizao, na dre nandesiko tagny amigny tany ze napanatenako anereo aza ereo." 22 Noho zay dra nanorasan'io hira io tamin'io andro io avo koa i Mosesy dra napianasy anizay an'ireo vahoakin'Israely. 23 Nagnome didy an'i Josoa zanadahin'i Nona i Yaveh nanao anizahoky ho: "Matazaha dra mahereza soa, akory hanao gny hinday gny vahoakin'Israely ao amigny tany ze napanatenako anereo, dra hindray aminao Zaho." 24 Izao gny niseho gny fa nahavita nanorasy reo zakanigny lalana tao agnaty boky i Mosesy, 25 fa handidy anireo Levita ze minday gny fiaranigny fagneken'i Yaveh izy, manao anizahoky ho: 26 "Reso ty bokinigny lalana fiaranigny fagneken'i Yaveh Zagnaharindrareo, ba ho eo manahaky gny vavolombelo manohisy anao zay. 27 AKory fataro gny Fikomiandrareo vo gny faherilohanereo; ingo, raha bo velo mindray amindrareo zaho androany, dra pikomy manohisy an'i Yaveh handrareo, maiky fa gny fa maty zaho? 28 Vorio eto aminahy reo loholonigny fokondrareo aby, vo reo manamboninahisy, ba hahafahako mizaka reo zaka reo eo asofon'ereo vo mitoka gny lagnisy vo gny tany ho vavolombelo manohisy anereo. 29 Akory fatako fa afaranigny hahafatesako handrareo dra hamitaky gny vatandrareo dra hiala amigny lala ze nandidiako andrareo; ho avy amindrareo gny arety amigny andro magnaraky zay. Hiseho zay akory hanao rasy eo amason'i Yaveh handrareo, ze hahavy Anazy ho ory amireo asanigny tagnandrareo." 30 Dra nizakan'i Mosesy teo asofin'ireo vahoakon'Israely aby gny tognon'izay hira izay mandrapa-tapisiny.