Toko faha 11

1 Noho zay dra aoky hitia an'i Yaveh zagnaharindrareo handrareo dra hitandry mandrakariva reo fapenarany, gny lalany, gny fisioiny, dra reo didiny. 2 Mariho fa sy mizaka amireo zanandrareo Zaho, ze sy nahafatasy akory na nahita gny fagnasazian'i Yaveh zagnaharindrareo, gny fahalahibeny, gny tagnany mahery, na gny tagnany misotra, 3 reo famatara vo asa ze nataony tagny agnevon'i Egypte tamin'i Farao, pazakan'i Egypta, dra tamireo taniny aby 4 Na nahita gny nataony tamigny tafik'i Egypta, tamireo sovalany, na tamigny kalesan'ereo, gny fomba nanovany gny Ranomasy Mena handifosy anereo raha nagneziky andrareo ereo, dra gny fomba nandringanan'i Yaveh anereo mandrak'androany, 5 na ze nataony hoanereo tagny agnefisy mandra-pahavindrareo tamity toera tihoky. 6 Sy hitan'ereo ze nataon'i Yaveh tamin'i Datana vo Abirama, reo zanak'i Eliaba zanadahin'i Robena, ze fomba nanokafanigny tany gny vavany dra nitelin'anereo, gny akohonan'ereo, gny lain'ereo, dra ze raha managnay aby nagnaraky anereo, teo agnevon'Israely aby. 7 Fa gny masondrareo gny fa nahita reo asa lahiben'i Yaveh aby ze nataony. 8 Noho zay dra tandremo reo didy aby ze handidiako andrereo amizao, ba hahaavy andrareo hatazaky, dra hilisy vo hangalaky gny tany ze hitandrareo ba ho fanagna, 9 dra ba ho lava andro handrareo agny amigny tany ze nianianan'i Yaveh tamireo razandrareo fa homen'aereo vo gny taranak'ereo, ze tany tondra-drano vo tately. 10 Fa gny tany, ze hidirandrareo ba hahazoan'anizay, dra sy manahaky gny tanin'i Egypta, ze niaviandrareo, ze namafazandrareo gny voandrareo vo nanondrahandrareo rano anizay tamigny tombondrareo, manahaky gny sahahagnisy meso; 11 fa gny tany, ze handehananao ba ho fanagna, dra tani-kavoa vo lohasaka, dra minon-drano boak'amigny ranon'oran-dagnisy, 12 gny tany ze karakaran'i Yaveh zagnaharindrareo gny misizo anizay mandrakariva, hatramigny fiandohanigny tao dra hatramigny fiafaranigny tao. 13 Zay dra hitranga, raha hiteno soa reo didiko ze handidiako andrareo amizao handrareo, dra gny hitia an'i Yaveh zagnaharindrareo vo hanopo anazy amigny fondrareo vo gny fagnahindrareo manotolo, 14 ba hagnomezako ranon'ora amigny tanindrareo amigny vani-potoany, dra gny volohan'ora, ba hahafahandrareo mamory gny varinddrareo, gny divaindrareo vaovao, dra gny diloilondrareo. 15 Hagnisy ahisy amigny tanindrareo Zaho ho an'ireo biby tezandrareo, dra hihina handrareo dra ho visy. 16 Tandremo gny vatandrareo ba sy ho voafitaky gny fondrareo, dra hivily vo hanopo zagnahary hafa vo hekohoky amin'ereo handrareo; 17 ba sy hirehisy amindrareo gny fahorian'i Yaveh; dra ba sy hapikato gny lagnisy Izy ba sy hisianigny ranon'ora, dra gny tany sy hamoa gny tegnany, dra ba sy haharingan'andrareo malaky amigny tany soa ze amen'i Yaveh andrareo. 18 Noho zay raketo ao apo vo raketo amigny fagnahindrareo reo zakako reo, fehezo ho famatara eo amigny tagnandrareo zay, dra angao zay ho fehiloha eo agnelagnelan'ireo masondrareo. 19 Hapenarindrareo reo zanandrareo zay dra mizaka momba anereo aby mipetraky ao atragno handrareo, gny fa mandeha egny andala, gny fa mandry , na gny fa mifoha handrareo. 20 Ho soratindrareo eo amigny tolam-batrangaranigny tragnondrareo vo eo amigny vavahadinigny tanandrareo zay, 21 ba hihamaro gny andondareo vo gny andron'ireo zanandrareo agny amigny tany ze nianianan'i Yaveh tamireo razambendrareo amen'anereo raha bo amboninigny tany koa gny lagnisy. 22 fa raha mitandry soa gny didy aby ze handidiako andrareo handrareo, dra manao anizay, hitian'an'i Yaveh zagnaharindrareo, handeha amigny lalany aby, dra hifikisy aminazy, 23 dra handoaky reo firenena aby reo hiala eo agnatrehandrareo i Yaveh, dra handrareo handroaky firenena lahibe vo mahery noho handrareo. 24 Ze toera hisahinigny lela-tombondrareo dra ho andrareo; hatragny agnefisy dra hatragny Libanona, hatragny amigny renirano, gny renirano Eofrata, dra hatragny amigny ranomasin'andrefa dra ho faritanindrareo. 25 Sy hisy olo hahazoro eo anoloandrareo. Yaveh zagnaharindrareo gny hametraky gny tahosy andrareo vo gny horohoro andrareoamigny tany aby ze hisahindrareo, araky ze fa nizakany tamindrareo. 26 Ingo, apetrako eo anoloandrareo amizao gny fitahia vo gny ozo: 27 gny fitahia, raha makato gny didin'i Yaveh zagnaharindrareo ze handidiako andrareo amizao handrareo, 28 dra gny ozo, raha sy makato gny didin'i Yaveh zagnaharindrareo handrareo, fa hive amigny lala ze handidiako andrareo amizao, dra hagnoriky zagnahary hafa ze bo sy fatandrareo. 29 Zay dra hitranga, gny fa hinday andrareo agny amigny tany ze handehanandrareo ba ho fanagna i Yaveh zagnaharindrareo, dra hametraky gny fitahian'agny atendrombohisy Gerizima handrareo, dra gny ozon'agny atendrombohisy Ebala. 30 Sy agny andafin'i Jordana ra reo, andrefanigny lalana andrefa, agny amigny taninigny Kananita ze manin'agny Araba, tandrifin'i Gilgala, agnilanigny hazo terembitan'i More? 31 Akory hisaky an'i Jordana handrareo hilisy hangalaky gny tany ze amen'i Yaveh zagnaharindrareo handrareo, dra ho fanagnandrareo zay dra honin'ao handrareo. 32 Ho tandremandrareo gny didy aman-dalana aby ze apetrako eo anoloandrareo amizao.