Toko faha 7

1 Gny pisorom-be nizaka hp: "Mary ra zay raha aby zay?" 2 Stefana nizaka ho: "Ry rahalahy vo ry ray, tenoy zaho: "Gny Zagnaharinigny voninahisy niseho tamigny raika Abrahama tamin'izy tagny a Mesopotamia, talohanigny nipetrahany tao Harana; 3 nizaka taminazy iizy ho: "Mela eo amgny taninao hanao vo reo havanao, dra mandehana agny amigny tana ze asehoko anao." 4 Boak'eo niala anigny taniny Kaldeana izy dra nipetraky tagny Harena; nanomboky teo, tafaranigny nahafatesanigny babany, nandesin'Agnahary tagny amin'io tany io izy, ze hipetrahanao amizao. 5 Sy nameny ho lova teo izy, aha, sy apy hapy anobia tomboky. Fa nagnome toky izy_na dre bo sy nanagnanaky aza i Abrahama fa_ izy dra hagnome gny tany anazy ho fanagnany vo ho anireo taranany agny afara, 6 Zagnahary dra nizaka taminazy manahaky anizao, fa reo taranany dra hipetraky maharisy agny amgny tany firene-kafa, dra reo ponona ao dra hinday anereo amigny fagnandevoza vo fapahoria mandrisy gny efa-zato tao. 7 'Nefa ho sarako gny firenena ze topon'ereo,' hoy zagnahary, dra afaran'izaya dra hagnato vo hidera anahy eo amin'io toera io ereo. 8 Boak'eo namen'Agnahary an'i Abrahama gny fagneke amigny famora, dra i Abrahama dra lasa baban'i Isaka dra nanapaky anazy tamigny andro fahavalo; Isaka dra lasa baban'i Jakoba, dra i Jakoba lasa baba'ireo patriarika ro ambiny folo. 9 Akory reo patriarika dra nialo an'i Josefa, dra navilin'ereo tagny Egypta izy; fa zagnahary dra niaraky tamintazy 10 dra namozy anazy tamireo olo aby reo. I Josefa dra nameny fakasitraha vo fahendrena teo agnatrehan'i Farao, pazakan'i Egypta, ze nametraky anazy ho governora manapaky an'i Egypta vo agnabon'ireo fanagnany gny olon'aby. 11 Dra avy gny mosary nanera an'i Egypta vo i Kanana, vo fizaliam-be, dra reo razasika dra sy nahita hany ho hany. 12 Fa gny fa nahare i Jakoba fa nisy vary tao Egypta, dra nandeha reo razasika tamigny lian'ereo volohany izy. 13 Tamigny lian'ereo faharo i Josefa napahafatasy gny vatany tamireo rahalahiny, dra gny fianakavian'i Josefa dra lasa fatas'i Farao. 14 Josefa dra nagniraky reo rahalahiny hizaka an'i Jakoba babany ba hoavy agny Egypata, miaraky amireo havany aby, teo amigny dimy ambiny fitopolo olo raha atambasy. 15 Noho izay Jakoba dra nizoso ta Egypta agny, dra matyy izy, izy vo reo razasika. 16 Nilaza ho a Sekema agny ereo dra nangany tao amigny lolo ze nivilin'i Abrahama tamigny volafosy tamireo zanak'i Hamora tagny a Sekema. 17 Gny fa nagneky gny fotoanigny fapanatena, ze nataon'Agnahary tamin'i Abrahama, dra nihamaro vo nitombo gny olo tao Egypta, 18 mandra-pasangananigny pazaka hafa tao Egypta, pazaka ze sy nahafatasy gny momba an'i Josefa. 19 Io pazaka io avo gny namitaky gny vahoasika vo napahory reo razasika, ereo dra nanery gny razasika hagnenga reo zanany ambavan-doza ba sy ho velo. 20 Tamizay fotoa zay i Mosesy gny niteraky; izy dra soa teo agnatrehan'Agnahary dra niteza telo vola tao an-tragnonigny Babany. 21 Gny fa naboaky tegny ivelany izy, dra gny zanakapelan'i Farao gny nananga vo niteza anazy manahaky gny zanadahiny. 22 I Mosesy dra napianasy reo fahendrena aby nanagnanigny Egytiana, izy dra nahare tamigny zakany vo gny asany. 23 Dra gny fa ho efapolo tao izy, avy tao apony gny hisiliky reo rahalahiny, zanak'Israely. 24 Nahita Israelita raiky ze napahory dra niaro anazy i Mosesy sady namaly anigny ze napahory anazy tamigny famonoa gny Egyptianina. 25 Nihevisy izy fa ho azon'ireo rahalahiny fa tamigny alalanigny tagnany Zagnahary gny nagnavota anereo, nefa dra sy azon'ereo zay. 26 Gny andro magnaraky dra avy tao amireo Israely ilany izy raha ereo nifalisy; nagnandra gny napitony gny sirairay aby izy, nizaka ho: "Ry lelahy, handrareo dra pirahalahy, magnino handrareo mifandrasy io?" 27 Fa gny raiky ze nanao sy mety tamigny namany nanosiky anazy, dra nizaka ho: "Iza gny nanendry anao ho panapaky vo hisara anay? 28 Tianao ra gny hamono anahy, manahaky gny namonoanao reo Egyptiananina omaly?" 29 Nienga i Mosesy gny fa nahare anizay; lasa piavy izy tao amigny taninigny Midiana, ze niterahany gny zanany rolahy. 30 Gny fa dila gny efapolo tao, nisy azely raiky nipotra taminazy tagny agnefisy tegny amin'tendrombohisy Sinay, teo amigny lelafonigny voaroy nirehisy. 31 Gny fa hitan'i MOsesy gny afo, talazo izy amigny fahita; dra gny fa nagnato izy dra nagnety anazy, ingo boak'agny nisy feonigny Topo nizaka ho: 32 "Izaho gny zagnaharin'ireo razanao, zagnaharin'i Abrahama, vo Isaka, dra i Jakoba." Natahosy i Mosesy dra sy nahavany nagnety. 33 Gny Topo nizaka taminazy ho: "Alao gny Kapa egny amigny tombonao, fa io toera ze hizanognanao io dra tany Masy. 34 Fa hitako gny fizalianigny vahoako ze ao Egypata, reko gny fitaregnan'ereo, dra fa nizoso nagnavosy anereo zaho; Ko amizao, alefako ho agny Egypta hanao." 35 Io i Mosesy ze nilagnin'ereo, gny fa nizaka ereo ho: "Iza gny nanendry anao ho panapaky vo ho pisara?" Izy gny tokony ze nalefan'Agnahary sady ho panapaky gny pagnavosy. Zagnahary nandefa anazy tamigny alalanigny tagnanigny azely ze nipoisy tamin'i Mosesy tegny amigny voaroy. 36 Nitariky anereo hiala tao Egypata i Mosesy, gny fa boaky nanao fahagaga vo famatara mena, dra tegny agnefisy nandrisy gny efapolo tao. 37 Io avo gny i Mosesy ze nizaka tamigny vahoakin'Israely ho: "Zagnahary dra hananga paminany ho andrareo eo amigny rahalahindrareo, paminany manahaky anahy."' 38 Izy gny lelahy ze tao apiangona tao agnefisy niaraky tamigny azely ze nizaka taminazy tegny amin'tendrombohis'i Sinay. Izy gny lelahy niaraky tamireo razasika; izy gny lelahy ze nandray gny zaka velo zara ho asika. 39 Izy gny lelahy ze sy nakatoavin'ireo razasika; narozin'ereo lavisy anereo ereo, dra agny apon'ereo dra nihery tagny Egypta ereo. 40 Tamin'io fotoa io nizaka tamin'i Arona ereo ho: "hagnova Zagnahary zahay hitariky anahy, manahaky an'i Mosesy, ze nitariky asika hiboaky any Egypta, sy fatasika ze nitranga taminazy." 41 Dra nanao agnomby lahy kely ereo tamizay andro zay dra ninday fagnatisy teo amigny sapy, dra nifaly tamigny asa-tagnany ereo. 42 nitoliky i Zagnahary dra namela anereo ba ho fidera reo kita egny an-dagnisy, araky gny voasorasy tao amigny bokinigny paminany: "Handrareo ra nanolosy anahy biby maty sy fagnatisy nandrisy gny efapolo tao tao agnefisy, tragnonigny Israely? 43 Nekendrareo gny tabernakelin'i Moloka vo gny kitan'Agnahary Refana, vo reo sary ze ataondrareo hidera anazy, dra izaho hinday andrareo agny aakoasin'i Babylona. 44 Reo razasika dra nana tabernakelinigny fizoroa vavolombelo tao an'efisy, araky gny baikon'Agnahary agny fa nizaka tamin'i Mosesy izy, ze tokony ntaony nitovy tamgny fomba fa hitany. 45 Io gny tragnolay ze nalan'ireo razasika, dra nandesiny tao amigny tany niaraky tamin'i Josoa, teo agnatrehan'ireo razasika, reo fagnahinigny firenena ze nandroahan'Agnahary gny tany ze nitakarin'ereo ho fanagnan'ereo manoka, gny tragnolay dra nitoby tao amigny tany nandrisy gny andron'i Davida, 46 dra izy nahazo fakasitraha tao amigny fahitan'Agnahary dra nagnotany raha hahita toera honegna ho an'Agnaharin'i Jakoba. 47 Fa i Salomona gny namboasy gny tragno ho an'Agnahary. 48 Na izay aza, gny Avo indrindra dra sy nipetraky tao amigny tragno vita tamigny tagn, araky gny voazakanigny paminany ho: 49 "Gny lagnisy gny seza fiandriagnako, dra gny tany gny pisy tomboko. Tragno manahaky gny ino gny afaky amboarinao ho anahy? Hoy gny Topo, na toera manahaky gny ino gny hisarako? 50 Sy tanako ra gny nanova reo raha aby reo? 51 Reo olo fatrasy hatoka vo sy voatapaky ao apo vo sofy, handrareo dra manohisy avo gny Fagnahy Masy; handrareo dra manao manahaky ze nataonigny razandrareo. 52 Iza tamireo razandrareo gny sy nagneziky paminany? Nivonon'ereo gny paminany ze niseho talohanigny fiavianigny Fahamarigna, dra amizao handrareo dra lasa pamadiky vo pamono anazy koa, 53 handrareo vahoaky ze nitakasy gny lalana ze napetran'ireo azely, kanefa sy nitanandrareo zay." 54 Dra gny fa nahare reo raha reo gny pikamba ao amigny fila-kevisy, tohy gny fon'ereo, dra nihily vaza ereo tamigny Stefana. 55 Fa izy, ze feno Fagnalhy Masy, nagnety soa gny lagnisy dra nahita gny voninahin'Agnahary, dra nahita an'i jesosy nizoro teo akavanan'Agnahary. 56 Stefana nizaka h: "Atio, hitako misokaky reo lagnisy, dra gny zanak'olo mizoro eo akavanan'Agnahary." 57 Teo amizay dra nitapenan'ireo pikamba ao amigny fila-kevisy gny sofin'ereo, dra nihiaky niaraky tamigny feo fatrasy, nihazakazaky ereo nagnegny aminazy. 58 Nitarihin'ereo ivelanigny tana izy dra nanomboky nitora-bato anazy ereo, dra reo vavolombelo dra nametraky gny akazony teo amigny tombokigny zaza lahy atao i Saoly zay. 59 Gny fa nitora-bato an'i Stefa igny ereo, nitoka fatrasy gny Topo izy dra nizaka ho: "Topo Jesosy, reso gny fagnahiko." 60 Nandohaliky izy dra nitoka tamigny feo fatrasy ho: "Topo, ka tana zao ota zao hanohera anereo." Gny fa boaky nizaka anizay izy dra nitafandry.