Toko faha 8

1 Nagneky gny fahafatesany i Saoly. dra nanomboky tamin'io andro io gny fagnezeha lahibe hanohera gny fengona ze tao Jerosalema; dra reo pino aby dra nipetraky nanera reo farisy Jodia vo Samaria, akoasy reo Apostoly. 2 Reo lelahy matahosy an'Agnahary dra nandevy an'i Stefana dra nanao hira findala anazy. 3 Fa Saoly dra nanola tateraky gny fengona; nitety tragno izy dra nangalaky reo lelahy vo reo apela, dra nandefa anereo tagny atragno mezy. 4 Fa reo poni ze niparitaky dra nandeha nitory gny teny. 5 Filipo dra nizoso tagny amigny tanan-dehibenigny Samaria dra nitory an'i Kristy tamin'ereo . 6 Gny fa nahare vo nahita reo famatara ze nataon'i Filipo gny vahoaky maro, dra nifatiky soa tamize zinakany ereo. 7 Reo Fagnahy maloto dra niboaky tamireo maro ze nilirany, nihiaky fatrasy, dra maro tamireo malemy vo kilemay gny nisitrany. 8 Noho izay dra nisy fifalia lahibe tao amigny tanan-dehibe. 9 Fa nisy lelahy raiky natao ho Simona zay tao amigny tanan-dehibe ao, ze vo sela gny panao olo; matetiky napitolagaga reo vahoakinigny Samaria izy, gny fa mitalily fa izy dra olo manan-daza. 10 Reo Samarita aby, monomboky amigny maraiky dra hantramigny lahibe indrindra, dra niteno soa anazy, dra hoy ereo ho: "Io lelahy io dra gny fehefan'Agnahary ze atao ho lahibe." 11 Ereo dra niteno anazy, akory izy dra napitolagaga anereo fa nandrisy gny fotoa ela tamireo oliny. 12 Fa gny fa nino an'i Filipo ereo noho izy nitory gny filazasara momba gny fazakan'Agnahary vo gny agnaran'i Jesosy Kristy, dra natao batisa ereo, na lelahy na apela. 13 Na i Simona aza dra nino, dra tafaranigny nanova batisa anazy dra nizano niaraky tamin'i Filipo avo izy. Gny fa nahita reo famatara vo asa lahibe ze niseho izy, dra gaga. 14 Dra gny fa renin'reo apostoly ao Jerosalema fa nitakasy gny zakan'Agnahary Samaria, dra nalefan'ereo tagny amin'ereo i Petera vo i Jaona. 15 Gny fa nizoso ereo, dra nivavaky ho anereo ereo, ba mety hitakaran'ereo gny Fagnahy Masy. 16 Fa mandrapahavian'izay fotoa zay, dra bo sy nisy nilasahanigny Fagnahy mihisy ereo; fa vita batisa tamigny agnaran'i Topo Jesosy avo. 17 Boak'eo i Petera vo i Jaona dra nametraky gny tagnany teo amin'ereo, dra nitakasy gny Fagnahy Masy ereo. 18 Dra gny fa hitan'i Simona fa gny Fagnahy Masy dra natolosy teo atagnan'ireo apostoly tamigny alalanigny fametraha-tagna, dra nameny vola ereo. 19 Hoy izy ho: "Ameo anahy avo koa zay fahefa zay, dra ze ametrahako tagna dra mety hitakasy gny Fagnahy Masy." 20 Fa hoy i Petera taminazy ho: "Ho levo miaraky aminao anie gny volafosinao, akory hanao nieriserisy gny hahazo gny fagnomezan'Agnahary amigny alalanigny vola. 21 Hanao dra sy mana azara na apahany amizay raha zay, akory gny fonao dra sy mary amin'Agnahary. 22 Noho izay mibebaha amigny faharasianao dra mivavaha amy Topo, so ba mety hamela gny fagnirianigny fonao Izy. 23 Fa izaho mahita fa hanao dra voapoizinigny lolo-po vo voafehiny gny fahota hanao." 24 Simona namaly dra nizaka ho: "Mivavaha amigny Topo ho anahy, ba sy hisy hitranga aminahy reo ze nizakanao. 25 Gny fa nozoro vavolombelo vo nitalily gny zakanigny Topo ereo, dra nihery tagny aJerosalema agny i Petera vo i Jaona, nitory gny Filazasara tamireo tana maro ao Samaritana. 26 Dra nisy azenigny Topo nizaka tamin'i Filipo sady nizako ho: "Misangana vo mandehana magnasimonigny lala mizoso boaky a Jerosalema magnagny aGaza agny igny." ( Io lala io dra agny agnefisy.) 27 Dra nisanga izy vo nandeha. Ingo, nisy lelahy boak'agny Etiopia, tandapanigny Kandasy, pazaka apelan'ireo Etiopiana. Izy gny nendrekisy gny raha aby. Avy tagny Jerosalema izy ba hidera. 28 Dra noly izy dra nipetraky teo amigny kalesiny, dra namaky gny zakan'Isaia paminany. 29 Dra gny fagnahy nizaka tamin'i Filipo ho: "Mandehana dra ka miala lavisy an'io kalesy io." 30 dra nihazakazaky nagnato anazy izy, dra nahare anazy namaky gny teny tao amin'Isaia paminany, dra nizaka ho: "Azona ra raha vakinao hoky io?" 31 Nizaka gny Etiopia nanao anizahoky ho: "Ino gny hahafatarako, raha sy misy olo mitari-dala anahy?" Niangavy an'i Filipo izy ba hagnato gny kalesa dra hipetraky hiaraky aminazy. 33 Fa tamigny fagnalam-baraka anazy dra nala taminazy gny rariny. Iza gny afaky hamarisy tateraky reo taranany? Nohonigny ainy nala teto atany." 34 Noho izay dra nagnotany anigny tandapa i Filipo, nanao anizahoky ho: "Mitalao aminao zaho, iza gny zakan'io paminany io, gny vatany avo, sa olo-kafa?" 35 Nanomboky nizaka i Filipo, dra nanomboky tamizay sorasy masy zay gny nitoriny gny filazasara momba an'i Jesosy taminazy. 36 Gny fa nandeha tegny an-dala ereo, dra nagnato tegny amize nisy rano ereo dra hoy tandapa ho: "Ingo, misy rano eto. Ino gny mahakasiky anahy sy atao batisa?" 37 (Fagnamarigna: Hoy Filipo ho: "Raha mino amigny fonao manotolo hanao, dra afaky atao batisa." Gny Etiopia namaly ho: "Mino zaho fa Jesosy kristy gny Zanan'Agnahary."') 38 Dra nasanigny Etiopia nazano gny Kalesa. Nizoso nagnegny amigny rano ereo, i Filipo vo gny tandapa, dra nataon' Filipo batisa izy. 39 Gny fa niboakby gny rano ereo, dra nandesinigny Fagnahinigny Topo i Filipo, dra sy hitanigny tandapa sasy izy, fa nandeha ta-pifalia tegny amigny lalany. 40 Fa i Filipo dra niseho tagny Azota dra nitety io farisy io izy, nitory gny filazasara eraky gny tanan-dehibe aby mandrapahavianigny tany Kaisara.