Toko faha 4

1 Gny fa nizaka tamireo vahoaky i Petera vo i Jaona, dra avy reo pisoro vo gny lahibenigny piamby gny tepoly dra reo Sadoseo. 2 Ory fatrasy ereo noho i Petera vo i Jaona napianasy gny vahoaky vo nitory gny fisangana amigny maty tamigny alalan'i Jesosy. 3 Nisambory ereo dra natao tagny apoza mandrapahavianigny mary, akory fa hariva gny andro tamizay. 4 Kanefa maro tamireo olo ze nahare gny hafasy gny nino; dra gny isan'ireo lelahy ze nino dra dimy arivo teo ho eo. 5 DRa nony marainy igny dra niango tao Jerosalema gny panapak'ereo, zokiolo dra reo panora-dalana. 6 Teo i Anasy pisorombe, kaiafa, Jaona, vo i Aleksandro vo ze havanigny pisoron'aby. 7 Nony naroso teo agnevony i Petera vo i Jaona, dra nagnotany anereo ho: "Amigny hery hanao, na amigny agnara ino , gny nanovandrareo anizay?" 8 Boak'eo i Petera, feno gny Fagnahy Masy, dra nizaka anereo ho: "Handrareo ry panapaky gny vahoaky, vo gny loholo, 9 gny nagnotania mombanigny asa soa nataonay tamin'io lelahy narary io zahay tamin'io andro io_tamigny fomba akory gny nahasitrany io lelahy io? 10 Dra aoky ho fatandrareo aby vo gny vahoakin'Israely aby, fa tamigny agnaran'i Jesosy Kristy boaky agny Nazareta, ze nihomboandrareo, nasangan'Agnahary tamigny maty _tamigny alalany gny izoroanity lelahy tihoky eto amasondrareo." 11 Jesosy Kristy dra vato ze nataondrareo pagnoritragno sinosino fe seky fa natao ho lohanigny vato fehizoro. 12 Dra sy misy famozena boaky amigny hafa, fa sy misy agnara hafa ambaninigny lagnisy namenigny olo ze sy maisy hahavozy asika." 13 Gny fa nahita gny fahavanian'i Petera vo i Jaona ereo, dra nahasapa fa olo-sotra, olo sy nandia fenara, dra talazo ereo, nahafatasy fa niaraky tamin'i Jesosy i Petera vo i Jaona. 14 Aokry ereo nahita gny lelahy sitrany nizoro niaraky tamin'ereo, dra sy nahita zinaka hanohera anizay ereo. 15 Fa gny fa avy nandidy reo apostoly hagnenga gny fivorianigny fila-kevisy ereo, dra nifapizaka ereo. 16 Hoy ereo ho: "Ino gny tokony hatao amity lelahy tahoky? Noho gny fahagaga vita tamigny alalan'ereo dra fatasireo olon'aby mipetraky eto Jerosalema zay, dra sy azosika lavy. 17 Fa ba sy hiparitahan'izay amigny vahoaky koa, dra ndoa isika hapitandry anereo ba sy hizakan'ereo anizay agnara zay sasy. 18 Tonokany hilisy i Petera vo i Jaona dra nizakany ereo sy hizaka vo sy hapianasy amigny agnaran'i Jesosy sasy. 19 Kanefa namaly anereo koa i Petera vo Jaona nizaka ho: "Gny mary eo amason'Agnahary gny magneky andrareo mihoasy anazy, dra handrareo gny misara. 20 Sy afaky gny hizano sy hizaka momba reo raha hitanay vo renay zahay." 21 Tafaranigny fapitandrema an'i Petera vo i Jaona, dra nangany nandeha ereo. Fa sy nahita fomba hagnasazia anereo ereo, akory nidera an'Agnahary reo vahoaky noho gny raha vitany. 22 Gny lelahy ze niay gny fahagaga vo fagnasitragna dra nihoasy gny efa-polo tao. 23 Tafaranigny nagnafaha anereo, dra avy teo amigny vahoakyny i Petera vo i Jaona dra nitatarany anereo ze raha nizakanireo lohonigny pisoro vo reo loholo tamin'ereo. 24 Gny fa ren'ereo zay, dra niara-nanandrasy gny feon'ereo ho an'Agnahary ereo dra nizaka ho: "Topo, hanao gny nanao gny lagnisy vo gny tany vo gny rano masy, vo ze ao aminazy aby. 25 Nizaka tamigny alalanigny Fagnahy Masy tamigny vavanigny panoponao, gny rasika Davida hanao ho: 'Nagnino gny masiaky reo firenena Jentilisa, vo reo olo mieriserisy raha sy misy ilana azy?' 26 Handrareo mizaka ho: Reo pazakanigny tany dra nitambasy, vo reo panapaky dra nivondra hanohisy gny Topo, vo hanohisy gny Kristy.' 27 Fa i Heroda vo i Pontsy Pilaty, ze niaraky tamireo jentilisa vo reo vahoakin'i Israely, gny niara-niango tao atana hanohisy an'i Jesosy panopondrareo, ze nosorandrareo. 28 Nindray nivory ereo ba hanao ze nataonigny tagnandrareo vo reo drafindrareo ze fa nitapahin'ereo hatao meloha. 29 Amizao, Topo, atio reo fapitandremanereo dra ameo reo panoponao ba hizakany gny zakanao akavania tateraky. 30 Ahiziro gny tagnanao ba hagnasitra, dra hagnome reo famatara vo fahagaga amigny alalanigny agnaran'i Jesosy panoponao masy." 31 Gny fa boaky nivavaky ereo, dra nihizongozo gny toera ze niarahan'ereo nivory, dra feno gny Fagnahy Masy ereo aby dra nizaka gny zakan'Agnahary akavania. 32 Gny akabeazan'ireo ze nino dra fo vo fagnahy raiky. Sy nisy nizaka fa gny raha ze azony dra anazy manoka, fa raha niarahan'ereo nana. 33 Niaraky tamigny hery lahibe gny nagnambaranigny apostoly gny fizoroan'ereo vavolombelo momba gny fisangana'i Jesosy Topo tamigny maty, dra fahasoava lahibe gny teo amin'izy aby. 34 Sy nisy olo nana-zava maha-ory teo amin'ereo, fa ze nana tany aby na tragno dra navily vo nandesa gny volanigny raha aby ze lafo. 35 dra napetraky teo atombok'ireo apostoly, dra nizara tamigny olo sirairay arakize taliavin'ereo. 36 Josefa, Levita raiky, lelahy boakagny Sipra ze nataon'ireo apostoly ho Barabasy (midika ho zanadahinigny Fapahereza), 37 nivarosy tany vo ninday gny vola dra nametraky anazy teo atombok'ireo apostoly.