Toko faha 3

1 Dra i Petera vo i Jaona niakasy tegny amigny tepoly tamigny oranigny fivavaha, gny ora faha sivy. 2 Dra nisy lelahy raiky namely fa hatragny apiteraha nindesy isan'andro tegny amigny vavahady soa endriky gny Tepoly, ba hangataky fagnomeza ara-bola agny amireo olo ze magnegny amigny tepoly. 3 Gny fa nahita an'i Petera vo i Jaona ze handeha hilisy gny tepoly, dra nangataky fagnomeza ara-bola tamin'ereo izy. 4 Nibazy gny masony niaraky tamin'i Jaona i Petera dra nizaka ho: "Atio zahay". 5 Gny lelahy malemy nagnety anereo, nanategna gny hitakasy raha boaky agny amin'ereo. 6 Nefa i Petera nizaka ho: "Volafosy vo volamena gny sy anagnako, nefa ze anagnako gny sy anagnako, nefa ze anagnako, gny homeko anao. Amigny agnaran'i Jesosy Kristy boaky agny Nazareta, Mandehana." 7 Nitakasy anazy tamigny tagna havana, i Petera nananga anazy, dra avy hatrany dra lasa natazaky gny tombokigny lelahy vo gny kitrokeliny. 8 Nidikosy, gny lelahy malemy dra nisanga dra nanomboky nandeha; dra niaraky naheriloha tamin'i Petera vo i Jaona tao atepoly izy, nandeha, nidikosy, dra nidera an'Agnahary. 9 Gny olon'aby dra nahita anazy nandeha vo nidera an'Agnahary. 10 Sikarin'ereo fa izy gny lelahy nangataky fagnomeza ara-bola tamireo olo teo amigny vavahady soanigny tepoly; dra tena gaga vo talazo ereo noho gny raha nitranga taminazy. 11 Dra noho izy nita an'i Petera vo Jaona, gny olon'aby dra nirohasy nagnegny amin'ereo tegny amigny felofa ze natao ho alokin'i Solomona gny olon'aby, dra tena talazo. 12 Gny fa nahita anizay i Petera dra namaly gny olo ho: "Handrare ry vahoakin'Israely, nagnino gny talazo handrareo? Nagnino gny masondrareo gny mandiniky anay, ohasigny ho herinay na fahamasinanay manoka gny napandeha anazy? 13 Gny Zagnaharin'i Abrahama, vo An'Isaka, dra an'i Jakoba, gny Zagnaharin'ireo rasika, nagnome voninahisy an'i Jesosy panopony. Izy gny natolondrareo vo nilavindrareo teo anoloan'i Pilato, tamin'izy nanapa-kevisy gny handefa anazy. 14 Nilavindrareo gny raiky ze Masy vo Mary dra aleondrareo nangataky gny pamono olo ba ho alefa ho andrareo. 15 Nivonondrareo gny Pagnory gny fiegna, ze nasangan'Agnahary tamigny maty_dra vavolombelon'izay zahay. 16 Amizao, noho gny finoa amigny agnarany_gny lelahy ze hitandrareo vo fatandrareo_ igny agnara igny avo gny nahavy anazy hahery. Gny finoa boaky amin'i Jesosy gny nagnome anizao fahasitragna feno zao ho anazy eto agnatrehandrareo aby. 17 Amizao, ry rahalahy, fataro fa nanao anizay handrareo noho gny sy fahalalandrareo, manahaky gny nataon'ireo pinday andrareo avo koa. 18 Fa reo raha ze voazakan'Agnahary meloha tamigny vavan'ireo paminany aby, ho tokony hizaly gny Kristy, fa taterany amizao. 19 Mibebaha, noho izay, dra miheregna, ba ho voavono gny fahotandrareo, ba ho avy gny fotoa mahavelombelo eo agnatrehanigny Topo; 20 dra ba handefa anigny Kristy ze voatendry ho anao izy, dra i Jesosy. 21 Izy gny sy maisy ho takarinigny Lagnisy ambara-pahavianigny ora fagneregna amigny loniny gny raha-aby, mombanize nizakan'Agnahary faela tamigny vavan'ireo paminany masy. 22 Nizaka vatany i Mosesy ho: 'Gny Topo Zagnahary dra hananga paminany manahaky anahy boaky amireo rahalahindrareo. Handrareo hiteno gny raha-rasy ze ho zakany amindrareo. 23 Hitranga gny ho, ze olon'aby sy miteno anizay paminany zay dra ho ringany tateraky sy ho ao amin'olo.' 24 Eh, aza reo paminany aby nanomboky teo amin'i Samoela vo reo ze avy tafaranay, dra nizaka fatrasy vo nitalily reo andro reo. 25 Handrareo gny zanak'ireo paminany vo gny fagneke ze nataon'Agnahary tamireo razambe, araky gny nizakany tamin'i Abrahama ho: 'Ao amigny taranakao dra ho tahy reo fianakavian'aby era-tany.' 26 Tafaranigny nananganan'Agnahary gny panopony, dra nandefa anazy ho andrareo aloha izy, ba hitia andrareo amigny fialandrareo amigny fahaserovandrareo."