Toko faha 16

1 Avy tagny Derbe vo Lystra avo koa i Paoly, dra ingo, teo gny pianasy raiky atao i Timoty, nazadahiny gny apela Jiosy ze nino; Grika gny babany. 2 Izy dra soa laza tamireo rahalahiny ze tagny Lystra dra Ikonioma. 3 Toan'i Paoly hiara-dia aminazy Izy; dra nalany izy dra nitapahiny noho reo Jiosy ze teo amireo toera reo, akory fatas'ereo aby fa Grika gny babany. 4 Raha nandeha namakivaky reo tana maro ereo, dra nanolosy toromariky ho anireo pino ba hakato gny fapenara, ze nireratinigny Apostoly vo gny loholo tao Jerosalema. 5 dra niha-natazakky tamigny finoa gny fengona dra nitombo isa isan'andro. 6 Nandeha namakivaky gny farisy gny Frygia vo Galatia Paoly vo gny namany, akory nagnory gny Fagnahy Masy ereo nitalily gny zaka agny amigny faris'i Azia. 7 Gny fa nilisy nagnaraky an'i Mysia, dra te-handeha ho agny Bitynia ereo, nefa nisakanany Fagnahin'i Jesosy ereo. 8 Dra nandalo tamin'i Mysia, dra nandeha nizoso tagny amigny tana an'i Troasy ereo. 9 Nahita fahita i Paoly tamigny hariva igny : Lelahy raiky Makedoniana nisanga teo, nitoka anazy dra nizaka ho: "Avia atiky Makedonkia dra vozeo zahay." 10 Gny fa boaky nahita gny fahita i Paoly, dra nandeha hihazo an'i Makedonia avy hatragny zahay, nahasapa fa zagnahary gny nitoka anay ba hitory gny filazasara amin'ereo. 11 Nitikisy sambo noho izay boaky aTroasy agny, dra nizosy mahisy ho agny Samatrakia zahay, dra nihazo an'i Neapolia zahay gny andro magnaraky. 12 Boak'eo dra nandeha nagnagny Filipy zahay, zay isanigny tana Makedonia, ze tana mana-daza indrindra ao amigny farisy vo gny zana-tany Romana, dra nizano tao amizay tana zay nandrisy gny andro maro zahay. 13 Tamigny andronigny Sabata dra nandeha tagny ivelanigny vavahady agnilanigny renirano zahay, ze nieriseretinay fa misy toera-pivavaha. Nipetraky zahay dra nizaka tamireo apeka ze nindray avy teo. 14 Nisy apela raiky atao i Lydia zay, pivaro-damba voloparasy boaky agny amigny tananan'i Tyatira, ze nanopo an'Agnahary, niteno anazy. Nanokaky gny fony gny Topo hitandry gny zaka ze nizakan'i Paoly. 15 Gny fa vita batisa izy vo gny akohonany, dra napiriky anay izy, nizaka ho: "Raha nisara anahy ho matoky amigny Topo handrareo, dra milira vo moboha ao atragno." Dra nandresy lahasy anay izy. Dra tamizay, raha nandeha nagnagny amigny toera-pivavaha zahay, dra nisy tovovavy raiky mana fagnahinigny sikily nifanena taminay. Ninday tombony mary ho anigny topony tamigny alalanigny sikily izy. 17 Nagnaraky anay vo i Paoly boaky afara ao io apela io dra nitoka fatrasy, nanao anizahoky ho: "Reo lelahy reo dra panopon'Agnahary avo indrindra. Mitalily amindrareo gny lala-pamozena ereo." 18 Nanao anizay nandrisy gny andro maro izy. Fa i Paoly dra nanomboky sososy taminazy dra nitoliky vo nizaka tamigny fagnahy ho: "Mandidy anao amigny agnaran'i Jesosy Kristy zaho ba hiboaky ao aminazy." Dra niboaky zay. 19 Gny fa hitan'ireo Topony fa lasa gny fanatena gny amigny tombony ho anereo, dra nisamborin'ereo i Paoly vo i Silasy dra nitarihiny ereo ho a sena agny teo anoloan'ireo mana-pahefa. 20 Gny fa ninday anereo teo anoloan'ireo pisara ereo, dra nizaka ho: "Magnakorota gny tanasika ty lelahy tahoky. Jiosy ereo. 21 Mizaka fomba ze sy ara-dalana ho anigny Romanina gny magneky na mapihasy anereo reo. 22 Dra nisanga gny vahoaky nanohisyan'i Paoly vo i Silasy; nangalaky gny lamban'ereo gny pisara dra nandidy anereo ba ho zera amigny hazo. 23 Gny fa nizera ftarsy ereo, dra nalefan'ereo agny atragnomezy dra nandidy gny piamby tragnomezy ba hiamby fatrasy anereo. 24 Gny fa naharay anizay lily zay gny piamby, dra nalefany tagny amigny farany laliky amigny foza ereo dra nifaheny teo amigny hazo gny tombok'ereo. 25 Nagnodidy gny misasakaly dra nivavaky i Paoly vo i Silasy dra nahita fidera an'Agnahary, dra reo gadra hafa niteno anereo. 26 Tapoky teo dra nisy horohoro tany lahibe, dra napihozongozo gny fotosy gny foza; dra nisokaky gny vatrangara ao aby, dra nihaha gny fehinigny olon'aby. 27 Taisy tamigny torimaso gny piamby gny tragnomezy dra nahita reo vatrangara-poza nisokaky; namoaky gny sabany izy dra te ho namano tegna, akory nieriseretiny fa nienga reo gadra tao. 28 Fa nitoka tamigny feo ftrasy Paoly, nanao anizahoky ho: "Ka mandrasy gny vatanao, akory atao aby zahay ab." 29 Napitoka Jiro gny piamby tragnomezy dra nilisy malaky tao agnatiny ao, toro-hevisy noho gny tahosy, nihohoky teo anoloan'i Paoly vo i Silasy, 30 dra ninday anereo niboaky vo nizaka ho: "Topoko, ino gny sy maisy hataoko ba ho voavozy zaho?" 31 Hoy ereo ho: "Minoa an'i Topo Jesosy, dra voavozy hanao, hanao vo gny havanao." 32 Nitory gny teniny Topo taminazy ereo, niaraky tamigny olon'aby tao atragnony. 33 Boak'eo dra nitakasy anereo tamigny hariva tamigny ora igny avo gny piamby foza. dra nanasa gny ferin'ereo dra izy vo reo tao amigny tragnony raiky aby manotolo dra natao batisa teo gny ho eo. 34 Boak'eo dra nizaka niarasy teo atragnony i Paoly vo i Silasy dra nandroso hany teo anoloan'ereo izy, dra nifaly vokoa izy niaraky tamireo ze tao atragnony, fa nino an'Agnahary izy. 35 Dra gny fa mariny gny andro, dra nandefa zaka tamireo piamby reo pisara, nizaka ho: " Angao handeha reo lelahy reo." 36 Nitatisy anizay zaka zay tamin'i Paoly gny piamby, nizaka ho: "Napinday zaka taminahy reo pisara ba hagnenga andrareo handeha: noho izay amizao miboaha, dra mandehana apiadagna." 37 Fa nizaka tamin'ereo i Paoly ho: "Nazera anay apahibemaso sy nisy fisara ereo, na dre mizaka gny zopirenena Romanina aza zahay_ dra nalefan'ereo tao apigadra, Amizao dra tian'ereo halefa asokosoko ra zahay? Aha! aoky gny vatan'ereo gny ho avy eto vo hitariky anay hiboaky." 38 Nitatisy anizay zaka zay tamigny pisara gny piamby, dra raha vo nahare ereo fa romana i Paoly vo i Silasy, dra natahosy ereo. 39 Avy vo nialasigny tamin'ereo gny pisara dra ninday anereo niboaky, nangataky anereo ba hiala ao atana. 40 Dra niala tao atragnomezy i Paoly vo i Silasy dra nagnao atragnon'i Lydia. Gny fa nahita reo lelahy i Paoly vo i Silasy, dra napahery anereo dra boak'eo dra niala tao atana ereo.