Toko faha 15

1 Gny olo ilany dra nandeha boaka Jodia agny hatragny Antiokia dra napianasy reo rahalahy, dra nizaka ho: "Raha sy vita tapaky araky gny fomba fanaon'i Mosesy handrareo, dra sy ho voavozy handrareo." 2 Izay dra ninday an'i Paoly vo i Barnabasy tao agnaty fifandira vo aly hevisy tamin'ereo. Noho izay i Paoly vo i Barnabasy dra voatery niaraky tamigny ilany hafa tamin'ereo hiakasy a Jerosalema agny ba hihaogna amireo apostoly vo reo loholo momba anizay fognotania zay. 3 Noho izay ereo, nalefanigny fengona, dra namakivaky an'i Foinika vo i Samaria dra nitalily gny fiova-pon'ireo Jentilisa. Ereo dra ninday hafalia lahibe tamireo rahalahy aby. 4 Gny fa avy ta Jerosalema ao ereo, dra nitakarinigny fengona vo reo apostoly dra reo loholo, dra nitatisy reo raha aby ze nataon'Agnahary tamin'ereo. 5 Nefa gny olo ilany ze nino, ze tao amigny tarik'ireo Fariseo, dra nisanga vo nizaka ho: "Taliavy gny manao fanapaha anereo vo gny mibaiko anereo vo gny mibaiko anereo hitandry gny lalan'i Mosesy." 6 Noho izay reo Apostoly vo reo loholo dra nindray nivory ba handiniky anizay raha-misy zay. 7 Tafaranigny aly lahibe, nisanga i Petera dra nizaka tamin'ereo ho: "Ry rahaly, fatasao fa taloha ela be Zagnahary gny nanao safidy teo amindrareo, ba ho amigny alalanigny vavako dra tokony hahare gny zakanigny filazasara reo Jentilisa, dra hino. 8 Zagnahary ze manahafatasy gny fo, vavolombelo amin'ereo, nagnome gny Fagnahy masy anereo, Manahaky gny nataony tamisika; 9 dra sy nanao fagnavakavaha tamisika vo tamin'ereo Izy, nagnalio gny fon'ereo tamigny finoa. 10 Dra noho izay nagnino handrareo gny misapa an'Agnahary, ho tokony hametrahandrareo zioga eo amigny vozon'ireio pianasy nefa na gny razasika na isika aza sy mahavita milaza? 11 Nefa mino sika fa ho voavozy amigny alalanigny fahasoavn'i Topo Jesosy, manahaky anereo avo koa. 12 Gny olo aby drasy narevoky nandrisy gny nitenoan'ereo an'i Barnabasy vo i Paoly mitatisy reo famatara vo reo fahagaga niasan'Agnahary ze niasa tamireo Jentilisa tamigny alalan'ereo. 13 Gny fa nizano nizaka ereo, dra namaly Jakoba, nizaka ho: "Ry rahalahy, tenoy zaho. 14 I Simeona dra fa nizaka gny fomba nagnapin'Agnahary ta-pahasoava volohany reo Jentilisa ba hangalaky amin'ereo olo ho anigny agnarany. 15 Reo zakan'ireo paminany dra momba anizay, araky gny voasorasy ho: 16 'Afaran'ireo raha reo dra hevero zaho, dra hananga ndraiky gny tragno lain'i Davida zaho, ze fa nezera; hanambosy vo hagnery amigny loniny ndraiky reo faharavany zaho, 17 ba hitalia gny Topo reo olo sisa tavela, ao agnatin'izay reo Jentilisa aby ze atao amigny agnarako.' 18 Izao gny zakanigny Topo, reo ze fa nanao reo raha reo ze fa fatasy tamireo razambe faela. (Fagnamariha: Reo dika-zaka ilany taloha dra mivaky manahaky amizao: "Izao gny nizakanigny Topo, amireo ze fatasy tamigny andro faela gny ilany aby. 19 Noho izay, gny heviso dra sy tokony hagnakorota reo boaky amigny Jentilisa ze nitoliky tamin'Agnahary isika. 20 Fa isika dra hanorasy ho anereo fa sy maisy miala amigny fahalotoan'ireo sapy ereo, amigny fahavetaveta, dra amigny hegnan'ireo biby vono, vo amigny lio ereo. 21 Akory Mosesy dra fa voazaka tamigny isa-tana tamigny andro faela dra izy vaky ao amireo Synagoga isaky gny Sabata. 22 Dra tao soa tamireo apostoly vo reo loholo, niaraky tamigny fengona manotolo, gny hifily an'i Joda ze atao ho i Barnabasy, vo i Silasy, pitariky gny fengona, vo gny handefa anereo agny Antokia agny miaraky amin'i Paoly vo Barnabasy. 23 Ereo dra nanorasy anitiky: "Hatragny amireo apostoly vo reo loholo, reo rahalahy boaky a Jentily agny, boaky Antiokia, Siria, vo Kilikia: Arahaba! 24 Isika dra fa nahare fa reo olo ilany dra niala tamisika, sy nisy baiko boaky amisika, dra nagnelingely andrareo tamireo fapenara ze napikorota gny fagnahindrareo. 25 Izao gny izy, zahay aby dra fa nagneky gny hifily reo lehaly vo handefa anereo agny amindrareo miaraky amin'i Barnabasy vo i Paoly malalanay, 26 lelahy ze nanao gny ainy sy ho ay ho anigny agnaran'i josesy Kristy Toposika. 27 Noho izay zahay dra magniraky an'i Joda vo i Silasy, nizaka amindrareo io raha io avo amigny zakan'ereo manoka. 28 Fa ho soa amigny fagnahy Masy vo aminay, gny sy hapendesa anaereo eta lahibe noho reo raha tena taliavy reo: 29 ba hialandrareo amireo raha nataondrareo ho fagnatisy amigny sapy, lio, reo raha nivono, dra avy amigny fahavetaveta. Raha mitandry gny vatandrareo amizay handrareo, dra ho soa amindrareo zay. Veloma." 30 Noho izay ereo, gny fa voaroaky, dra nizoso ta Antiokia; boak'eo ereo dra namory gny vahoaky niarak, dra nanolosy gny taratasy ereo. 31 Gny fa voavakin'ereo zay, dra nifaly ereo noho gny fapahereza. 32 Joda vo i Silasy, paminany koa, dra nakahery reo rahalahiny tamigny zaka maro vo napahery anereo. 33 Gny fa boaky nizano fotoa visivisy tao ereo, dra nalefa apedagna boaky amireo rahalahy ho agny amigny ze nandefa anereo ereo. 34 [Fagnamariha: Gny dika-zaka tranainy indridra dra mangalaky gny andininy faha34 (Atio gny Asa 15: 40): "Nefa bo satrin'i Silasy gny hizano teo."] 35 Fa i Paoly vo i Barnabasy dra nizano ta Antiokia agny niaraky tamireo maro hafa, ze napenarin'ereo vo nitalilin'ereo gny zakany Topo. 36 Tafaranigny andro visy i Paoly dra nizaka tamin'i Barnabasy ho: "Ndao sika hihery fa hamangy reo rahalahy amigny tana ze naizakasika gny zakanigny Topo agny ndraiky, dra hahita vasa manao akory ereo ao." 37 I Barnabasy dra te hinday an'i Jaona avo koa atao i Marka hiaraky amin'ereo. 38 Nefa i Paoly nihevisy fa sy soa gny hindesa an'i Marka, ze nagnenga anereo tagny Panfilia vo sy nanohy niara-niasa tamin'ereo niasa. 39 Boak'eo dra sisy fifandira fatrasy, dra nisaraky ereo, dra i Barnabasy ninday an'i Marka niaraky taminazy dra nandeha sambo nagna Sipra agny. 40 Fa i Paoly nifily an'i Silasy dra nandeha, tafaranigny nagnomezan'ireo rahalahy anazy andrekisy ho anigny fahasoavanigny Topo. 41 Boak'eo izy dra nandeha namakivaky an'i Syria vo i Kilikia, dra napatazaky reo fengona.