Toko faha 3

1 Fa fataro zao: amireo andro farany dra sy hisy reo fotoa-sarosy. 2 Akory gny olo ho tia tegna, tia vola, ho pirehareha, ho pandoka tegna, ho panevateva an'Agnahary, sy manoa ray amn-dreny, sy misaotra, vo sy masy. 3 Sy hana-pitiava gny fianakavia ereo, panohitohisy, ho pagnendrikendriky, sy hahafehy tegna, hahery setra, sy ho tia gny soa. 4 ho pamadiky ereo, sy misy eriserisy, pagnambony tegna, tia fahafinareta mihoasy noho reo tia an'Agnahary. 5 Hana gny toetra manahaky an'Agnahary ereo, kanefa dra handa gny heriny. Miala amireo olo reo. 6 Akory gny ilany tamireo olo reo dra reo lelahy ze milisy ao atokatragno dra mahababo reo apela mola. Reo gny apela ze sy afaky amigny fahota vo voatariky amireo fila samihafa. 7 Reo apela reo dra mianasy avo, kanefa sy ho avy amigny fahafatara gny fahamarigna mihisy. 8 Manahaky anizay avo koa i Jana vo i Jambra nisanga nanohisy an'i Mosesy. Tamizay dra nisanga avo koa reo papianasy sandoky reo hanohisy gny mary. EReo dra lelahy sy salama say, sy akasitrahany tamigny finoa. 9 Fa sy handroso lavisy ereo. Akory gny hamolany dra ho hita mazava amigny olon'aby, manahky gny anireo lelahy reo. 10 Fa raha handrareo koa, dra fa nagnaraky gny fapenarako, gny fitondra, gny fikasa, gny finoa, gny fahareta-po, gny fitiava, gny fahareta, 11 reo fagnezeha, reo fizalia, vo ze nitranga taminahy tagny Antiokia, tagny Ikonioma dra tagny Lystra. Niarisy reo fagnezeha zaho. Boaky amireo aby reo, dra namozy anahy gny Topo. 12 Ze tehiay araky gny fomban'Agnahary ao amin'i Kristy Jesosy dra ho kinia. 13 Reo olon-drasy vo reo pisandoky dra ho agny amigny rasy hatragny. Ereo dra hitariky reo olo-kafa ho agny amigny lalan-diso. Dra ereo vatany dra ho voatariky amizay koa. 14 Fa raha handrareo koa, mitoby ao amireo raha ze fa nianarandrareo vo ze fa ninoandrareo fatrasy ho avy amin'iza gny fa nianarandrareo. 15 Fatandrareo fa hatramigny fahazaza dra fa nahay reo asa sarasy masy handrareo. Reo dra hahavita hahahendry andrareo ho amigny famezena amigny alalanigny finoa an'i Jesosy Kristy. 16 Gny sorasy Masy aby dra avy amigny sindrimandrin'Agnahary. Izay dra tomony ho anigny foto-papianara, ho anigny fanondroa reo diso, ho anigny fagnisia, dra ho anigny fapiofagna amigny fahamarigna. 17 Izay dra ba hahaavy gny lelahin'Agnahary hahay gny soa, vo ho voaoma tateraky amigny asa soa aby.