Toko faha 9

1 Hoy i Davida ho: "Misy olo tafazano ze azoko anehoa hasoafagnahy nohonigny amin'i Jonatana ra ao amigny fianakavian'i Saoly?" 2 Nisy panopo raiky atao ho: Ziba tao amigny fianakavian'i Saoly, dra nitoka anazy ho agny amin'i Davida ereo. Hoy gny pazaka taminazy ho: "Hanao ra gny Ziba?" Dra namaly izy ho: "E, panoponao zaho." 3 Dra hoy gny pazaka ho: "Sy misy olo tavela ze azoko anehoa gny hasoafagnahin'Agnahary ra boak'ao amigny fianakavian'i Saoly?" Namaly gny pazaka i Ziba ho: "Jonatana dra bo managnanaky lelahy, ze malemy tomboky." 4 Hoy gny pazaka taminazy ho: "Eza izy?" Dra namaly gny pazaka i Ziba ho: "Ingo, ao atragnon'i Makira zanadahin'i Amiela agny lo-debara izy." 5 Boak'eo i Davidapazaka nagniraky anazy vo napamoaky anazy tao atragnon'i Makira zanadahin'i Amiela boak'agny Lo-debara. 6 Noho izay Mefiboseta zanak'i Jonatana zanadahin'i Saoly, dra nagneo amin'i Davida dra napekohoky gny tavany teo amigny tany ho voninahis'i Davida. Hoy i Davida ho: "Mefiboseta." Dra namaly izy ho: "Ingo, panoponao zaho!" 7 Hoy i Davida taminazy ho: "Ka matahosy, fa haneho hasoafagnahy aminao ho an'i Jonatana nohonigny amigny ranao vatany zaho, dra hagnerin'aminao gny tanin'i Saoly dadabenao aby zaho, dra hihinan'eo an-databaso mandrakariva hanao." 8 Nekohoky i Mefiboseta dra nanao anizahoky ho: "Ino ty panoponao, gny tokony hagnety ami-sitraky amboa maty manahaky anahy hanao. 9 Boak'eo gny pazaka dra napitoka an'i Ziba, panopon'i Saoly, dra nanao taminazy ho: "Ze an'i Saoly vo gny fianakaviany aby dra nameko gny zafinigny toponao. 10 Hanao, reo zanakao lelahy, dra reo panoponao dra sy maisy miasa gny tany honazy dra sy maisy miziza gny vokasy hanao ba hanagnanigny zafinigny toponao hany ho hany. Fa i Mefiboseta, zafinigny toponao, dra sy maisy hihina mandrakariva eo an-databaso." Dra Ziba dra nanagnanaky lelahy dimy ambiny folo vo panopo ropolo. 11 Boak'eo Ziba nizaka tamigny pazaka ho: "Hataonigny panoponao ze andidianigny pazaka topoko gny panopony aby. "Dra napianigny pazaka ho: 12 "Raha gny amin'i Mefiboseta dra hihinan'eto an-databasao izy, manahaky gny raiky amireo zanadahiny pazaka." Nanagnanaky lelahy tanora atao ho Mika zay i Mefiboseta. Gny nitoby teo atragnon'i Ziba aby dra panopon'i Mefiboseta avokoa. 13 Ko dra nitoby tagny Jerosalema i Mefiboseta, dra nihina teo an-databasy gny pazaka mandrakariva izy, na dre nalemy aza gny tombony ro.