Toko faha 10

1 Taty afara dra maty gny pazakanigny vahoan'i Amona, dra lasa pazaka teo amigny toerany i Hanona zanadahiny. 2 Hoy i Davida hoe:" hanao soa amin'i hanona zanak'inahasy aho.tahaka ngynanaovan ny ndrainy soa taminahy."koa dianandefa ireo mpanompony hapahery an'i hanona mahakasika ny rainy davida. Nidisy tao amigny tani'ny vahoakan'i Amona ireo mpanopony. 3 Saiky hoy ireo ampitarika ny vahoakan'i Amona tmin'i Hanona tompon'izy ireo hoe: "Mihevisy toa ve ianao fa magnome voninahisy gny rainao i daviva satria nandefa ireo mpanompony taminao ve i davida mba hagnety gny tanana, hisikilo izany, mba handrava izany?" 4 Ko nisamborin'i Hanona reo panopon'i Davida, niharatiny gny asasaky gny volombavan'ereo, nitapahiny hatragny amigny foto-peny gny akazon'ereo, dra niroahiny. 5 Gny fa nagnazava olo hisena anereo izy, akory afa-baraka tateraky reo lelahy. Hoy gny pazaka ho: "Mitoera ao Jeriko mandra-pagnirinigny volombavandrareo ndraiky, dra miheregna boak'eo." 6 Gny fa hitanigny vahoakin'i Amona fa lasa malailay amin'i Davida ereo, dra nandefa pinday hafasy ny vahoakan'i Amona ary nagnarama ireo Syriana avy ao Bty-rehoba sy Zoba, miaramila nandeha an-tongotra roa alina sy lelahy arivo tamin' ny mpanjakan'i Maka, ary lelahy roa arivo sy iray alina tamin' ireo oln'i Toba. 7 Gny fa nahare anizay i Davida, dra nandefa an'i Joaba vo gny tafiky maramila aby izy. 8 Avy reo Amonita dra nilahasy hialy teo amigny fidera teo amigny vavahadinigny tanan'ereo, raha bo nizoro teo amigny saha malalaky reo Syriana boak'agny Zoba vo Rehoba, dra reo olo boak'agny Toba vo Maka. 9 Gny fa nahita reo fahavalo teo anoloanay vo tao afarany i Joaba, dra nisafidy gny ilany tamireo ze mahay mialy faratapony izy dra nandamin'anereo hialy amireo Syriana. 10 Raha gny amireo tafiky sisa tavela, dra natolony ho baikon'i Abisay rahalahiny, dra nalany hialy amigny tafik'i Amona ereo. 11 Hoy i Joaba ho: "Raha fatrasy loasy honahy reo Syriana, dra hanao, Abisay, gny sy maisy magnavosy anahy. Fa raha fatrasy loasy ho andrareo gny tafik'i Amona, dra ho avy zaho dra hagnavosy andrareo. 12 Mahereza, dra andeha isika haneho gny tazasika ho anigny vahoasika, akory i Yaveh dra hanao soa ho anigny tazony." 13 Ko nandroso i Joaba vo reo maramila tao amigny tafiny ba hialy hanohisy reo Syriana, ze voatery nienga teo agnatrehanigny tafik'Israely. 14 Gny fa nahita reo miaramilanigny Syriana nienga gny tafik'i Amona, dra nienga an'i Abisay koa ereo dra nihery tao amigny tana. Boak'eo i Joaba nihery boak'agny amigny vahoakin'i Amona dra nihery tagny Jerosalema. 15 Gny fa hitan'ireo Syriana fa ho resin'Israely ereo, dra nivondro ndraiky ereo. 16 Boak'eo Hadadezera napitoka andia Syriana boak'agny an-dafinigny Onin'i Eofrata. Avy tao Helama niaraky tamin'i Sobaka, gny pifehy gny tafik'i Hebadezera lohan'ereo ereo. 17 Gny fa nizaka anizay i Davida, dra namory gny Israely aby izy, nisaky an'i Jordana, dra avy tagny Helama. Nilahasy hialy hanohisy an'i Davida reo Syriana dra nialy taminazy. 18 Nienga an'Israely reo Syriana. Nahafaty maramila pinday kalesy fitozato vo pitikisy sovala efas'aly i Davida. Narasy i Sobaky pifehy gny tafik'ereo dra maty tagny. 19 Gny fa hitan'ireo pazaka aby ze panopon'i Hadadezera fa resin'Israely ereo, dra nanao fihavana tamin'Israely ereo dra lasa panopony. Noho izay reo Syriana dra natahosy gny hagnapy gny vahoak'i Amona.