Toko faha 11

1 Dra gny fa avy gny lohatao, amigny fotoa ze fandehanan'ireo pazaka hialy, dra nirahin'i Davida i Joaba, panopony, vo reo tafikIsraely aby. Nandringa gny tafik'i Amona dra nanao fahirano an'i Raba ereo. Saiky nizano tagny Jerosalema i Davida. 2 Gny fa niavy gny hariva dra nifoha teo apandriany i Davida dra nandeha tagny amigny tafonigny lapany. Boak'egny izy gny nahita apela raiky teo apandroa, dra tena soasoa atia gny apela igny. 3 Noho izay dra nandefa gny momba gny apela igny i Davida. Nosy olo raiky nizaka ho: "Sy i Batseba, zanakapelan'i Eliama ra zay, dra sy gny valin'i Oria gny Hetita ra zay?" 4 Dra nandefa pinday hafasy i Davida dra nangalaky anazy; dra avy tagny aminazy izy, dra nindray nandry taminazy izy (akory vo avy nagnalio vata tamigny fadim-bola izy). Boak'eo dra nihery tagny atragnony izy. 5 Navesasy gny apela igny, dra napagniraky vo nizaka an'i Davida izy; hoy izy ho: "Bevoka zaho." 6 Boak'eo i Davida napagniraky tagny amin'i Joaba nanao anizahoky ho: "Alefaso aminahy atiky i Oria gny Hetita." Dra nalefan'i Joaba tagny amin'i Davida i Oria. 7 Gny fa avy i Oria, dra nagnotany anazy i Davida ho nanao akory Joaba, nanao akory gny tafiky, dra nanao akory gny fandehanigny aly. 8 Dra hoy i Davida tamin'i Oria ho: "Mizosoa agny amigny tragnonao, dra amigny lapanigny pazaka i Oria, dra nandefa fagnomeza ho an'i Oria gny pazaka tafaranigny nandehanany. 9 Fa nandry teo ambatrangaranigny lapanigny pazaka nindray tamireo panoponigny topony aby i Oria, dra sy nizoso tagny atragnony izy. 10 Gny fa nizaka tamin'i Davida ereo ho: "Sy nizoso tagny atragnony i Oria", dra hoy i Davida tamin'i Oria ho: "Sy boaky nandeha ra hanao? Nagnino hanao gny sy nandeha nizoso tagny atragnonao?" 11 Namaly an'i Davida i Oria ho: "Gny fiara, vo Israely dra Joda dra mizano ao amireo lay, dra Joaba topoko vo toponireo panopoko dra nitoby tagny an-dohasaka. Nagnino gny ahafahako magnagny atragnoko ba ahafahako magnagny atragno ba hihina vo hino vo handry hiaraky amigny valiko? Raha bo velo vatany hanao, dra sy hanao anizay zaho." 12 Dra hoy i Davida tamin'i Oria ho: "Mizanogna eto heky aloha andrany, fa maraindray hanao hangako handeha." Dra nizano tao Jerosalema tamin'io andro io vo gny maray i Oria. 13 Gny fa niaso anazy i Davida, dra nihina vo nino teo agnatrehany izy, dra nomamon'i Davida izy. Gny hariva i Oria dra niboaky ba handry miaraky amireo panoponigny topony eo apandriany; sy nandeha nizoso tagny atragnony izy. 14 Dra nony maray dra nanorasy taratasy ho an'i Joaba i Davida, dra nandefa anizay tamigny alalanigny tagnan'i Oria. 15 Davida nanorasy tao amigny taratasy nizaka ho: "Apetraho eo anoloanigny aly fatrasy indrindra i Oria, dra mela eo aminazy boak'eo, ba mety ho voavely vo voavono izy." 16 Ko raha nanao fahirano tamigny tana i Joaba, dra nanendry an'i Oria tamigny toera ze nahafatarany reo maramila fahavalo matazaky indrindra hialy izy. 17 Gny fa niboaky reo lelahinigny tana dra nialy tamigny tafik'i Joaba, dra lavo gny ilany tamireo maramilan'i Davida, dra Oria gny Hetita avo koa dra voavono tagny. 18 Gny fa nandefa zaka tagny amin'i Davida momba gny raha mahakasiky gny aly i Joaba, 19 dra nandidy gny pinday hafasy izy, nizaka ho: "Gny fa voazakanao amigny pazaka gny raha aby mahakasiky gny aly, 20 gny mety hiseho dra gny ho ho ory gny pazaka, dra hizaka aminao izy ho: 'Nagnino gny nagnariny loasy gny tana hanao gny nialy? Sy fatasao ra fa mety boak'egny amigny manda ereo gny hitifisy? 21 Iza gny namono an'i Abimeleka zanak'i Jerobeseta? Moa sy apela raiky ra gny nandefa vato fikosoham-bary taminazy boak'egny amigny manda, ze nahafaty anazy tagny Tebeza? Nagnino hanao gny tegny amize mariny dra marininigny manda gny nandeha?' Dra sy maisy hamaly hanao ho: "Oria gny Hetita panoponao avo koa dra maty."' 22 Noho zay dra lasa gny pinday hafasy dra nandeha tagny amin'i Davida vo nizaka taminazy gny raha aby ze nagnirahan'i Joaba anazy ho zaka. 23 Dra hoy gny pinday hafasy tamin'i Davida ho: "Natazaky noho izahay gny fahavalo tagny ambolohany; niboaky nagneo aminay teo agnahisy ereo, fa nitakarinay nihery tagny amigny fidira amigny vavahady. 24 Boak'eo nitifisy tagny amireo maramilanao boak'egny amigny manda gny pitifis'ereo, dra voavono gny ilany tamireo panoponigny pazaka, dra maty avo koa Oria gny Hetita panoponao." 25 Dra hoy i Davida tamigny pinday hafasy ho: "Zakao an'i Joaba zao: 'Ka atao mahaory anao tiky, fa gny sabasy dra handevo raiky vo raiky hafa. Hamafiso kokoa hanohera gny tana gny alinao, dra ravao zay,' dra apirisiho izy." 26 Dra gny fa renigny valin'i Oria fa maty i Oria valiny, dra nandala tateraky gny valiny izy. 27 Gny fa nisinda gny alahelony, dra napagniraky vo napoly anazy tagny amigny lapany i Davida, dra lasa valiny izy dra niteraky zanadahy taminazy. Kanefa sy nakasitrahan'i Yaveh gny nataon'i Davida.