Toko faha 12

1 Dra Yaveh nandefa an'i Natana tagny amin'i Davida. Avy teo aminazy izy dra nizaka ho: "Ndray andro dra nisy lelahy raiky tao amigny tana raiky. 2 Nanandraha gny lelahy raiky dra gny raiky hafa nahatra(sy nanandraha). Gny raiky nanandraha dra nana agnondry aman'osy vo agnomby maro be, 3 fa gny lelahy nahatra sy nana na ino na ino afa-sy agnondry vavy kely raiky, ze niviliny vo nifahanany dra nitezany. Nindray laibe taminazy vo tamireo zanany zay. Nindray nihina taminazy vo nino tamigny kapoany mihisy aza gny agnondry, dra nandry teo amigny sandriny manahaky gny zanany apela zay. 4 Indray andro dra nisy pisikily avy tao amigny lelahy manandraha, fa sy tehangalaky biby raiky boak'ao amigny andian'agnondry aman'osiny vo reo agnombiny ba hame ho sakafo honazy gny lelahy manandraha. Fa nalany koa gny agnondry vavy kelinigny lelahy mahatra dra nahandrony ho anigny pamangy anazy zay." 5 Nirehisy gny hatezera tamigny lelahy manandraha i Davida, dra nizaka akasiaha tamin'i Natana ho: "Raha bo velo koa Yaveh, dra mendriky gny ho vono ho maty gny lelahy ze nanao anizay. 6 Sy maisy honerany efasy heny gny zanak'agnondry akory raha manahaky anizay izy, dra akory sy nana atra tamigny lelahy nahatra izy." 7 Dra hoy i Natana tamin'i Davida ho: "Hanao zay lelahy zay! Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, nizaka ho: 'Nanososy anao ho pazakan'Israely zaho, dra namozy anao hiala teo atagnan'i Saoly. 8 Nagnome anao gny tragnonigny toponao zaho, dra reo valinigny toponao ho eo asandrinao. Nameko anao avo koa gny akohonan'Israely vo i Joda. Fa raha bo masaiky loasy zay, dra ho nagnome anao raha maro hafa ho fagnapiny zaho. 9 Ko nagnino hanao gny nanao sinosino reo didin'i Yaveh, dra nanao rasy teo amasony? Nivononao tamigny sabasy i Oria gny Hetita dra nalanao ho valinao gny valiny. Nivononao tamigny sabasy gny tafik'i Amona izy. 10 Ko amizao dra sy hiala amigny taranakao mandrakizay gny sabasy, akory nanao sinosino anahy vo nangalaky gny valin'i Oria gny Hetita ho lasa valinao hanao.' 11 Hoy Yaveh ho: 'Ingo, hananga loza hanohisy anao boak'ao amigny akohonanao avo zaho. Eo anoloanigny masonao avo, gny hangalako reo valinao dra hagnomezako anereo ho anigny namanao, dra hindray handry apalalaha amireo valinao amigny atondrobenagnahary izy. 12 Fa nanota niafy hanao, saiky hataoky eo agnatrehan'Israely aby hataoko eo agnatrehan'Israely aby zay raha zay, amigny tondroben'agnahary."' 13 Dra hoy i Davida tamin'i Natana ho: "Nanota tamin'i Yaveh zaho." Namaly an'i Davida i Natana ho: "Yaveh avo koa fa nagnenga gny fahotanao. Sy ho vono hanao. 14 Kanefa, satria tamigny alalan'izay fihesiky izay gny nanovanao sinosino an'i Yaveh, dra ho maty tokoa gny zaza izay aterakao.'' 15 Avy eo dra niala i Natana dra noly tagny atragno. Namely ilay zaza izay nateraky gny nalin'i Oria tamin'i Davida i Yaveh, dra narary fatrasy izy. 16 Avy eo dra nitalaho fatrasy tamin'i Zagnahary ho an'ilay zazalahy i Davida. nifaly hany i Davida dra nilisy tao dra nandry tamigny tany gny hariva tontolo. 17 Ireo loholon'ny tragnony dra nizano vo nisanga teo agnilany, ba hapiary anazy avy eo amigny tany, fa sy mety niary izy, dra sy mety hihina nindray tamin'izy ireo. 18 Dra tamigny andro fahafito gny nahafaty ilay zazalahy. Ireo panopon'i Davida dra natahosy gny hizaka taminazy fa maty ilay zaza, fa hoy izy ireo ho: ''Ingo, gny bo velo ilay zaza dra nizaka taminazy izahay, dra sy niteno gny feonay izy. Ino gny metyho hataonay amigny vatany gny mizaka aminazy fa maty ilay zazalahy?!''' 19 Fa gny hitan'i Davida fa nifapibisibisiky ireto panopony, dra fatas'i Davida fa maty ilay zaza. Hoy izy tamin'ireo panopony ho: ''Maty se gny zaza?'' Namaly izy ireo ho: ''Maty izy.'' 20 Dra nisanga avi teo amigny tany i Davida dra nanasa gny tegnany, nihososy diloilo, dra nanolo ireo fitafiany. Nandeha nagnagny amigny Tabornakelin'i Yaveh izy dra nanao fanopoam-pivavaha tagny, dra avy eo nihery noly tagny amigny lapany izy. Gny nangataky izy, dra napetrak'izy ireo teo alohany gny sakafo, dra nihina izy. 21 Boak'eo reo panopony nizaka taminazy ho: "Nagnino gny nanao anizao hanao? Nifaly hany hanao dra nitomagny anigny zazafony bo velo izy, fa gny fa maty gny zaza, dra nisanga hanao dra nihina." 22 Dra namaly i Davida ho: "Raha bo velo gny zaza dra nifaly hany vo nitomagny zaho. Hoy zaho ho: 'Iza gny mahay na hamindra fo aminahy Yaveh na sia, dra mety ho velo gny zaza?' 23 Fa amizao maty izy, ko nagnino zaho gny tokony hifaly hany? Afaky hagnerin'anazy ndraiky ra zaho? Handeha ho agny aminazy zaho, fa sy hiherin'aminahy izy." 24 Napionona an'i Batseba valiny i Davida, dra nilisy tao aminazy, dra nindray nandry taminazy. Taty afara dra niteraky zazalahy izy, dra nameny gny agnara ho Solomona gny zaza. Nitia anazy Yaveh 25 dra nandefa zaka tamin'i Natana paminany Izy ba hanao gny agnarany ho Jedidia, akory tia anazy Yaveh. 26 Dra Joaba dra nialy tamin'i Raba, gny tananigny pazakanigny vahoakin'i Amona, dra babony gny ferova fatrasy. 27 Noho zay dra nandefa pinday hafasy ho agny amin'i Davida i Joaba dra nizaka ho: "Nialy tamin'i Raba zaho, dra nalako gny famasian-dranonigny tana. 28 Amizao dra avorio miaraky reo agnabonigny tafikao dra mitoby hanohisy gny tana dra alao zay, akory raha alako gny tana, dra hinday gny agnarako zay. 29 Dra namory gny tafiky aby i Davida dra nandefa tagny Raba; nialy tamigny tana izy dra nambabo anizay. 30 Nalan'i Davida tegny amigny lohanigny pazakan'ereo gny satro-boninahisy__taleta volamena raiky gny lazan'izay, dra nisy vato sarobily tao agnatiny. Napetraky teo agnabo lohan'i Davida gny satro-boninahisy. Boak'eo dra nandesiny niboaky reo babonigny tana maro be. 31 Nandesiny niboaky reo olo ze tao amigny tana dra notereny hiasa amigny sofa, vo vy fagnaketoha, dra famaky ereo; nasainy tagny amigny lafory fagnoroa boriky ereo. Nitaken'i Davida ba hanao anizay asa zay gny tananigny vahoakin'i Amona aby. Boak'eo dra nihery nagnagny Jerosalema i Davida vo reo tafiky aby.