Toko faha 13

1 Dra tafaran'izay i Amnona zanaky lahin'i Davida, dra tena voasariky tamin'i Tamara anabaviny soa tarehy, izay tena anabavin'i Absaloma, zanaky lahin'i Davida hafa. 2 Nialy say be i Amnona dra nazary narary izy nohon'ny amin'i Tamara anabaviy. Viriziny izy, dra tao sy mety tamin'i Amnona mihisy gny hanao raha aminazy. 3 Fa i Amnona dra nanana namana izay Jonadaba gny agnarany zanaky lahin'i Simea, rahalahin'i Davida. Janadaba dra lelahy fesy tokoa. 4 Hoy Jonadaba tamin'i Amnona ho: ''Nanaoakory, ry zanaky gny pazaka, gny ketraky isaki-maraindray hanao? Sy hizaka aminahy se hanao?'' Dra namaly anay Amnona ho: ''Tiako i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko.'' 5 Dra hoy Jonadaba taminazy ho: ''Mandria eo amigny fandrianao dra molia marary. Gny avy hagnety anao gny babanao, dra agnotanio izy ho: ''Afaky alefanao atiky aminahy se i Tamara anabaviko azafady ba hagnome raha ho haniko vo hahandro izay eto alohako, dra ba ahafahako mahita izay vo mihina izay avy amigny tagnany?'''' 6 Noho izay dra nandry Amnona dra noly narary. Gny fa avy nagnety anazy gny pazaka, dra hoy Amnona tamin'ny pazaka ho: ''Ba alefaso le i Tamara anabaviko ba hanao sakafo eto alohako mihina izay avy amigny tagnany.''''' Dra nandefa zaka ho an'i Tamara tao an-dapany i Davida, nanao ho: ''Mandehana agny amigny tragnon'i Amnona anadahinao izao dra magnoma sakafo hon'azy.''' 8 Dra nandeha tagny amigny tragnon'i Amnona anadahiny tagny amin'izay nandriany i Tamara. Nangalaky koba izy dra namolavola izay dra nagnamboasy mofo teo amasony, dra nahandro nameny anazy gny mofo, fa nanda sy hihina izy. Avy eo dra hoy i Amnona tamin'ireo hafa izay teo ho: ''Sokafo agny ambaliky gny olo aby, ho lavisy anahy.'' Dra nandeha niala teo aminazy gny olo aby. 10 Dra hot i Amnona tamin'i Tamara ho: ''Andeso ao amigny afitragno gny sakafo ba hihinanako anazy avy amigny tagnako.'' Dra nalan'i Tamara gny mofo izay fa nataony, dra nandesiny tao amigny afitragnon'i Amnona anadahiny. 11 Gny fa hinday anazy izy dra nizaka taminazy ho: ''Avia, mandria mindray aminahy, ry anabaviko.'' 12 Namaly anazy izy ho: ''Sia, ry anadahiko, ka terenao zaho, fa sy tokony atao eto Israely gny raha manahaky izay. Ka manao izay raha maharikoriko izay! 13 Nanaoakory gny hialako amigny fahamegnarako? Dra gny aminao? ho manahaky gny raiky amin'ireo mola eto Israely hanao! Akehitriny, ba mizaka amigny pazaka, fa sy hisaka anahy sy ho anao izy.'' 14 Fa gny izay izy dra sy niteno anazy Amnona. Stria natazaky noho Tamara izy, dra nanambosy anazy izy dra nandry nidray taminazy. 15 Dra nalaiky an'i Tamara tamigny falegna tafahoasy i Amnona. Nalaiky anazy lavisy noho gny nagniriany anazy izy. Hoy i Amnona taminazy ho: ''Misangana dra mandehana.'' 16 Fa izy namaly anazy ho:''' Sia! satria izao faharasia lahibe amigny fandroahanao anahy izao dre rasy noho gny nataonao taminahy!''' Nefa, nitoka ireo panopony izy dra nanao ho: ''Alao sy ho eto aminahy itihoky apela itihoky, dra hilio gny vatrangara aby gny tafavoaky izy.'' 18 Dra naboakin'ny panopony tany ivelany izay dra nihiliny gny vatrangara aby tafaboaky izy. Nitafy akazo lava voaravaky soa i Tamara satria ireo zanaky vavin'ny pazaka izay viriziny dra niakazo manahaky izay. 19 Nasian'i Tamara lavenoky teo amigny lohany dra nitriatiny gny akazony. Nitatao gny tagnany tamigny lohany izy dra nandeha, nitomagny fatrasy tegny am-pandehana. 20 Hoy i Absaloma anadahiny taminazy ho: ''Nindray taminao se i Amnona anadahinao? Nefa mangiky, ry anabaviko. anadahinao izy. Ka mandray izay raha izay am-po.'' Dra nitoboky raiky tao amigny tragnon'i Absaloma anadahiny i Tamara. 21 Fa gny tenon'i Davida pazaka izay raha aby izay, dra ory fatrasy izy. 22 Dra i Absaloma sy nizaka na ino na ino tamin'i Amnona, satria i Absaloma nalaiky anazy noho izay fa nataony taminazy vo gny fomba nangalany baraka an'i Tamara anabaviny. 23 Dra nony afaky ro tao katroky dra nana pagnety agnondry niasa tao Bala-hazora i Absaloma, ze agnilan'i Afraima, dra Absaloma nanasa reo zanadahinigny pazaka aby ba hisiliky ao. 24 Nagnagny amigny pazaka Absaloma dra nanao anizahoky ho: "Ingo amizao, gny panoponao dra mana pagnety agnondry. Ko, aoky gny pazaka vo reo panopony hiaraky aminahy, panoponao." 25 Dra namaly an'i Absaloma gny pazaka ho: "Aha, dra zanako, sy tokony handeha hiaraky aminao avokoa zahay aby akory ho eta-mavesasy honao." Napirisiky gny pazaka i Absaloma, nefa sy nandeha izy, kenefa nisi-drano an'i Absaloma izy. 26 Dra hoy i Absaloma ho: "raha sy zay, angao re i Amnona rahalahiko andeha hindray aminay." Dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Fa nagnino i Amnona gny tokony hiaraky amindrareo?" 27 Niteren'i Absaloma i Davida, dra namela an'i Amnona vo reo zanadahinigny pazaka aby andeha hindray aminazy izy. 28 Nandidy reo panopony i Absaloma nanao anizahoky ho: "Mitenoa soa. Gny fa manomboky mamonigny divay i Amnona, dra gny fa mizaka amindrareo zaho ho: 'Tafiho i Amonona,' dra vonoy izy. Ka matohosy. Sy fa nandidy andrareo ra zaho? Mahereza dra mana heripo." 29 Ko dra nataon'ireo panopon'i Adsaloma tamin'i Amnona araky ze fa nandidiany anereo. Dra nisanga reo zanadahinigny pazaka aby, dra nitikisy gny apondrany gny olon'aby dra nienga. 30 Dra raha bo tegny an-dala ereo, dra avy tagny amin'i Davida gny vaovao manao anizahoky ho: "Nivonon'i Absaloma reo zanadahinigny pazaka aby, dra sy nisy na dre raiky aza nianga tamin'erei." 31 Dra nisanga gny pazaka dra naniasy gny akazony, dra nandry teo amigny tany; dra reo panopony aby nizoro teo agnilany teo niaraky tamigny akazony rota. 32 Dra i Jonadaba zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, namaly dra nanao anizahoky ho: "Aoky gny topoko sy hino fa namono gny tovolahy aby ze zanaky gny pazaka ereo, akory i Amona raiky gny maty. Absaloma fa nagnoma anizao nanomboky tamigny andro ze nizakan'i Amnona an'i Tamara anabaviny. 33 Noho izay aoky gny topoko pazaka sy hitakasy anizay tatisy zay apo, dra hino fa gny zanaky gny pazaka aby gny maty, akory Amnona raiky avo gny maty." 34 Nienga lavisy i Absaloma. Nisy panopo piamby nanandrasy gny masony dra nahita olo maro tamy zaka amigny lala tegny amigny havoan'andefa. 35 Dra hoy i Jonadaba tamigny pazaka ho: "Ingo, tamy reo zanadahinigny pazaka. Manahaky ze nizakan'ireo panoponao mihisy zay." 36 Dra gny fa tapisy gny zakany, dra avy reo zanadahinigny pazaka dra nanandrasy gny feon'ereo dra nitomagny. Gny pazaka vo gny panopony aby koa dra nitomagny fatrasy. 37 Fa i Absaloma nienga dra nagnagny amin'i Talmay, zanadahin'i Amihoda, gny pazakan'i Gesora. Nandala gny zanany isan'andro i Davida. 38 Noho izay i Absaloma dra nienga dra nagnagny Gesora, ze nitoerany telo tao. 39 Fa gny sain'i Davida pazaka nagniry hiboaky hagnety an'i Absaloma, fa nionona mahakasiky gny amin'i Amnona vo gny fahafatesany izy.