Toko faha 14

1 Dra i Joaba zanadahin'i Zeroia dra nahafatasy fa nagniry gny hahita an'i Absaloma gny fonigny pazaka. 2 Noho izay dra nandefa zaka ho agny Tekoa i Joaba dra ninday apela hendry tagny aminazy. Hoy izy tamin-drapela ho: "Ba mengavy re atovy ohasigny ho mandala hanao dra mekazoa akazo fandala. Ba mengavy re ka hosora dililo gny tagnanao, fa manova manahaky gny apela nandala gny maty fa ela. 3 Boak'eo dra mandehana magnagny amigny pazaka dra zakao aminazy gny momba ze ho faritako." Dra nizakan'i Joaba taminazy reo zaka ze tokony ho zakany amigny pazaka. 4 Gny fa nizaka tamigny pazaka gny apela boak'agny Tekoa, dra napekohoky gny tavany tamigny tany izy dra nanao anizahoky ho: "Apio zaho, ry pazaka." 5 Dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Ino gny ola?" Namaly izy ho: "Gny mary dra pitondrategna zaho, dra maty gny valiko." 6 Izaho, panoponao, dra managnanaky rolahy, dra nialy tegny agnahisy ereo, dra sy nisy nandrara ereo. Gny raiky namely gny raiky dra nahafaty anazy. 7 Amizao dra misanga manohisy gny panoponao gny fianakaviambe manotolo, dra hoy ereo ho: 'Atolory gny lelahy ze namaly gny rahalahiny, ba hamonoanay anazy ho maty, ba hanohisy gny ainigny rahalahiny ze nivonony.' Ko dra ho vonon'ereo ko gny pandova. Dra manahaky anizay koa gny hangalan'ereo gny bak'afo mirehisy ze nangako, dra sy hagnenga agnara na taranaky eto amboninigny tany ho anigny valiko ereo." 8 Ko dra hoy gny pazaka tamin-drapela ho: "Mandehana agny atragnonao, dra handidy raha hatao honao ho:" 9 Dra namaly gny pazaka gny apelan'i Tekoa ho: "Ry pazaka, topoko aoky ho aminahy vo ho amigny havan-drako gny heloky. Sy mana-signy gny pazaka vo gny seza fiandrianany." 10 Namaly gny pazaka ho: "Na iza na iza mizaka raha aminao, dra andeso aminahy atiky izy, dra sy hikasiky anao sasy izy." 11 Dra hoy izy ho: "Ba mengavy re, aoky gny pazaka hahasiaro an'i Yaveh zagnaharinao, dra sy hamotiky na iza na iza bebe kokoa gny pamaly lio, ba sy hamotehan'ereo gny zanadahiko."Dra namaly gny pazaka ho: "Raha bo velo koa Yaveh, dra sy hisy na dre singam-bolo raiky amigny zanakao aza hihisa amigny tany." 12 Dra hoy rapela ho: "Ba mengavy re angao gny panoponao ba hizaka zaka fagnapiny amigny topoko gny pazaka." Dra hoy izy ho: "Mizaka." 13 Dra hoy rapela ho: "Ko nagnino dra hanao gny mihevisy raha manahaky anizay amigny vahoan'Agnahary? Fa amigny fizaka zay raha zay, dra manahaky olo ze masiaky gny pazaka, akory sy bo napoly ndraiky gny zanadahiny voaroaky gny pazaka. 14 Fa sy maisy ho maty isika aby, dra manahaky gny rano araraky amigny tany isika, ze sy afaky rofy sasy. Fa zagnahary sy hangalaky gny ainy; fa koa, mahita lala ho an'ireo ze voaroaky Izy ba hahery ndraiky. 15 Ko amizao dra, avy hizaka anizay raha zay amigny pazaka topoko zaho, izay dra napatahosy anahy gny vahoaky. Ko nizaka tamigny vatany gny panoponao ho: 'Hizaka amigny pazaka zaho amizao. Angamba hagnatateraky gny fangatahanigny panopony gny pazaka. 16 Akory hiteno anahy gny pazaka, ba hanolora gny panopony ho afaky amigny tagnanigny lelahy ze matoky anahy vo gny zanadahiko.' ho afaky amigny lovan'Agnahary.' 17 Boak'eo dra nivavaky gny panoponao ho: "Ry Yaveh, aoky hagnamevan'anahy gny zakanigny pazaka topoko, akory manahaky gny azelin'Agnahary, dra manahaky anizay koa gny pazaka topoko amigny fizaka gny soa avy amigny rasy.' Homba anao anie Yaveh Zagnaharinao." 18 Boak'eo dra namaly gny pazaka dra nizaka tamin-drapela ho: "Ba mengavy re ka avony aminahy ze raha hagnotaniako anao." Dra namaly rapela ho: "Aoky hizaka gny pazaka topoko amizao." 19 Dra hoy gny pazaka ho: "Moa ra sy miaraky aminao amizao aby zao gny tagnan'i Joaba?" Dra namaly rapela vo nanao anizahoky ho: "Raha bo velo koa hanao, ry pazaka topoko, dra sy misy afaky mienga magnagny akavana na mienga magnagny akavia amigny raha aby ze nizakan'i pazaka topoko. I Joaba panoponao gny nandidy anahy vo nizaka taminahy ba hizaka reo raha ze nizakanigny panoponao reo. 20 Fa nanao anizay i Joaba panoponao ba hapiova gny raha-mitranga. Hendry gny topoko, manahaky gny fahendrenigny ajelin'Agnahary, dra fatany gny raha aby ze mitranga eo amigny tany." 21 Dra hoy gny pazaka tamin'i Joaba ho: ''Ingo dra, hanao izay raha izay zaho. Mandehana, dra andeso mihery gny tovolahy Absaloma.'' 22 Noho izay i Joaba dra nampiakohoky gny tavany tamigny tany ho voninahisy vo fisora gny pazaka. Hoy i Joaba ho: ''Akehitriny dra fatasy gny panoponao fa nahita sitraky teo amasonao zaho, ry pazaka tompoko, amigny fagnataterahan'ny pazaka gny fangatahan'ny panopony.'' 23 Dra nisanga i Joaba, dra nagnagny Gesora, dra ninday an'i Absaloma nihery tagny Jerosalema. 24 Hoy gny pazaka ho: ''Aoka izuy hihery agny atragno, fa ka atao mahita gny tavako.'' Noho izay dra nihery tagny atragno manokana i Absaloma, fa sy nahita gny tavan'ny pazaka. 25 Dra nanera an'Israely dra sy nisy olo nidera tamigny hasoa-tarehy mihoasy noho i Absaloma. Avy agny ampaladiany dra hatragny antampondohany dra sy nisy kilema tagny aminazy. 26 Gny manapaky gny volon-dohany izy isaky gny faran'ny taona, satria navesasy taminazy izay, dra nilazany gny volony; milaza eo amigny rozato sekely eo izay, izay lazaina amigny fandazangny pazaka. 27 I Absaloma dra niteraky telo lahy vo raiky apela, Tamara gny agnarany. apela soa tarehy izy. 28 Nitoboky ro tao feno tao Jerosalema i Absaloma, fa sy nahita gny tavan'ny pazaka. 29 Avy eo i Absaloma dra nandefa zaka ho an'i Joaba ba handefa anazy agny amigny pazaka, fe sy avy tagny aminy i Joaba. Dra nandefa zaka fagnindrony i Absaloma, kanefa sy bo avy avo i Joaba. 30 Dra hoy i Absaloma tamireo panopony ho: "Ingo, eo agnilan'ny anahy gny tanimbarin'i Joaba, dra manana vary Hordea ao izy. Mandehana dra aroy izay.'' Dra noroan'ireo panopon'i Absaloma ilay tanimbary. 31 Avy eo dra nisanga i Joaba dra nagnagny amin'i Absaloma tagny atragno, dra nanao taminazy ho: ''Nanaoakory gny noroan'ireo panoponao gny tanimbariko?'' 32 Dra namaly an'i Joaba i Absaloma ho: "Ingo, nandefa zaka taminao zaho nanao anizahoky ho: 'Mevia atiky ba hahafahako magniraky nanao ho agny amigny pazaka ba hizaka ho: "Nagnino zaho gny niala tagny Gesora? Soa kokoa honahy gny bo mizanon'agny. Noho izay dra aoky zaho hagnety gny tavanigny pazaka, dra raha masiaky zaho, dra aoky izy hamono anahy.""' 33 Dra lasa nagnagny amigny pazaka i Joaba dra nizaka taminazy. Gny fa napitoka an'i Absaloma gny pazaka, dra nagnato gny pazaka izy dra nekohoky ambany teo amigny tany nanoloa gny pazaka, dra niroahinigny pazaka i Absaloma.