Toko faha 15

1 Dra tafaranizay dra nagnoma kalesy vo sovaly honazy i Absaloma, niaraky tamigny lelahy dimapolo ba hialoha anazy. 2 Nifoha maray i Absaloma dra nizoro teo amigny lala magnagny amigny vavahadinigny tana. Gny fa nisy olo nanan'aly handesy eo amigny fisaranigny pazaka, dra nitoka anazy i Absaloma dra nizaka ho: "Boak'eza gny tanana niavianao?" Dra namaly gny lelahy ho: "Boak'amigny raiky amireo fokon'Israely gny panoponao." 3 Dra nizaka taminazy i Absaloma ho: "Ingo, soa vo mary gny raharahanao, saingy sy misy olo namenigny pazaka fahefa hiteno gny raharahanao." 4 Dra napian'i Absaloma ho: "Iriko raha ba natao ho pisara teto amigny tany zaho, ba ho avy eo aminahy gny olon'aby ze manan'aly na raharaha, dra hagnome rariny honazy zaho!" 5 Dra gny fa nisy olo avy teo amin'i Absaloma ba hagnome haza anazy, dra namoaky gny tagnany izy dra nitakasy anazy dra nagnoriky anazy. 6 Nanao manahaky anizay tamireo Israely aby ze nagneo amigny fisaranigny pazaka i Absaloma. Ko dra nangalaky gny fonigny olon'Israely i Absaloma. 7 Dra tamigny fiafaranigny tao efasy dra hoy i Absaloma tamigny pazaka ho: "Angao re zaho ba handeha dra hagnefa gny voady nataoko tamin'i Yaveh tagny Hebrona. 8 Fa nanao voady gny panoponao fony zaho nony tagny Gesora tagny Syria, nanao anizahoky ho: 'Raha handesin'i Yaveh mihery agny Jerosalema vatany zaho, dra hanopo an'i Yaveh."' 9 Ko hoy gny pazaka taminazy ho: "Mandehana apedagna." Kp nandeha i Absaloma dra nagnagny Hebrona. 10 Saiky boak'eo dra nagniraky pisikilo eraky gny fokon'Israely aby i Absaloma, nizaka ho: "Vatany vo mahare gny feo-tropetra handrareo, dra aoky hizaka ho: 'Absaloma gny pazaka agny Hebrona."' 11 Nisy lelahy rozato boak'agny Jerosalema nandeha niaraky tamin'i Absaloma, ze voaasa. Nandeha tamigny sy fanagna signy ereo, dra sy nahay na ino na ino tamize nikasan'i Absaloma. 12 Gny fa nanolosy soro i Absaloma, dra nangalaky an'i Ahitofela boak'agny amigny tana niaviany agny Gilo izy. Panolo-sain'i Davida izy. Nahery vaiky gny fikonokonon'i Absaloma, akory sy nisaha-nitoby gny olo agnarky anazy. 13 Nisy iraky nagneo amin'i Davida nanao anizahoky ho: "Magnaraky an'i Absaloma gny fon'ireo olon'Israely." 14 Dra hoy i Davida tamireo panopony aby ze niaraky taminazy tao Jerosalema ho: "Misangana dra andao hienga, raha sy zay dra sy hisy ho afa-mienga an'i Absaloma isika. Miomana hiala dieny zao, raha sy zay dra hahatrasy asika malaky izy, dra hinday loza eto amisika izy dra hanafiky gny tana amigny lela-mesa." 15 Dra hoy reo panoponigny pazaka tamigny pazaka ho: "Ingo, vonona gny hanao ze tapaky gny pazaka aby toponay gny panopony. 16 Dra niala gny pazaka dra narahinigny fianakaviany aby, fa namely apela folo, ze valisindrano, ba handigny gny lapa gny pazaka. 17 Gny fa avy niaboaky gny pazaka vo reo olon'aby tao afarany, dra nizano teo amigny tragno farany ereo. 18 Nandeha niaraky taminazy gny tafiny, dra nandeha teo alohany reo Keretita, vo reo Pelatita dra reo Gatita aby__lelahy enizato gny nagnoriky anazy boaka Gata agny. 19 Dra hoy gny pazaka tamin'Itahy Gatita ho: "Nagnino hanao gny handeha hiaraky aminay? Miheregna dra mizanogna miaraky amigny pazaka, fa vahiny sady sesi-tany hanao. Miheregna agny amigny fitoeranao avo. 20 Akory vo niala omaly hanao, dra nagnino zaho gny tokony hagnenga anao hirenireny hindray aminay? Sy fatako akory ze handehanako. Ko miheregna dra andeso mihery reo piray firenena namanao. Hiaraky aminao anie gny fahisia vo gny fahatokia." 21 Fa Itahy namaly gny pazaka dra nizaka ho: "Raha bo velo koa Yaveh, dra raha vo velo koa gny pazaka topoko, agny amigny toeran'aby andehananigny pazaka vatany, dra agny koa gny halehanigny panoponao, na midika fahaveloma izay na fahafatesa." 22 Ko hoy i Davida tamin'i Itahy ho: "Mandrosoa dra manohiza miaraky aminay." Ko dra nandeha niaraky tamigny pazaka Itahy Gatita mbamin'ireo lelahiny aby vo reo fianakaviany aby ze niaraky taminazy. 23 Nitomagny tamigny feo fatrasy gny tana manotolo raha nandalo gny Lohasakan'i Kidrona reo vahoaky, dra raha nisaky avo koa gny pazaka. Nandeha tegny an-dala nizosy ho agny atany efasy gny olon'aby. 24 Na Zadoka niaraky tamireo Levita aby, ze nizaka gny fiaranigny fagneken'Agnahary aza dra teo. Nahilin'ereo gny fiaran'Agnahary, dra nihazon'anereo i Abiatara. Nandigny ambara-pandalonigny vahoaky boak'ao atanan'ereo. 25 Hoy gny pazaka tamin'i ZAdoka ho: "Andeso Mihery agny atana gny fiaran'Agnahary. Raha mahita fitia eo amason'i Yaveh zaho, dra hinday anahy hihery izy dra hapiseho gny fiara vo gny toera honenany ndraiky. 26 Fa raha mizaka izy ho: 'Sy makasitraky anao zaho,' ingo, tihoky zaho, aoky hataony aminahy ze hitany fa mety aminazy." 27 Hoy avo koa gny pazaka tamin'i Zadoka pisoro ho: "Sy pahita ra hanao? Miheregna agny atana apedagna, mbamireo zanakao ro lahy, vo Jonatana zanak'i Abiatara. 28 Ingo, handigny eo amigny fita amigny efis'i Araba zaho ambara-pahaaviny gny zaka avy aminao hapahafatasy anahy." 29 Ko dra ninday gny fiaran'Agnahary nihery tagny Jerosalema i Zadoka vo Abiatara, dra nitoby tagny ereo. 30 Fa niakasy sy nikiraro vo nitomagny nagnagny amigny tendrombohis'Oliva i Davida, dra nisaro gny lohany. Gny olon'aby teo amigny vahoaky niaraky taminazy apitomagnia tegny apandehana ereo. 31 Nisy olo nizaka tamin'i Davida nanao anizahoky ho: "Isan'ireo pikonokono miaraky amin'i Absaloma i Ahitofela." Ko nivavaky i Davida ho: "Yaveh o, avaliho ho fahadala re gny torohehevis'i Ahitofela." 32 Dra i Davida gny fa avy teo ataponigny lalana, ze fa fanopoa an'Agnahary, dra avy nihao taminazy i Hosay gny Arkita niaraky tamigny akazony rota vo botany teo amigny lohany. 33 Hoy i Davida taminazy ho: "Raha mandeha miaraky aminahy hanao, dra ho bevokako. 34 Fa raha mihery agny atana hanao dra mizaka amin'i Absaloma ho: 'Ho panoponao zaho, ry pazaka, manahaky gny nahapanoponigny ranao anahy tamigny andro taloha, dra ho panoponao avo koa amizao,' dra hapikorota gny torohevis'i Ahitofela honahy hanao. 35 Sy mana an'i Zakoba vo Abiatara pisoro hiaraky aminao ra hanao? Ko na ino na ino renao ao amigny lapanigny pazaka, dra aoky ho zakanao amin'i Zadoka vo Abiatara pisoro zay. 36 Ezaho soa ba hindray amin'ereo agny gny zanany ro lahy, dra Ahimaza, zanak'i Zadoka, vo Jonatana, zanak'i Abiatara. Aoky halefanao aminahy atiky amigny tagnan'ereo gny raha aby ze renao." 37 Ko dra nagnagny atana i Hosay, naman'i Davida, raha vo avy vo nilisy an'i Jerosalema i Absaloma.