Toko faha 16

1 Gny fa niala sy lavisy gny toponigny tendrombohisy i Davida, dra avy niseza anazy i Ziba panopon'i Mefiboseta niaraky tamireo apondra ro misy lasely; ereo ro dra ninday mofo rozato, sapamboaloboky zato vo fehezan'aviavy zato, dra divay raiky tavoara. 2 Nizaka tamin'i Ziba gny pazaka ho: "Nagnino gny nanday reo raha reo hanao?" Namaly i Ziba ho: "Gny apondra dra natao hitikiranigny akohonanigny pazaka, gny mofo vo gny mofo mamy misy aviavy dra natao ho hanin'ireo olonao, dra gny divay dra natao ho nomin'ireo ze torova tagny atany hay." 3 Hoy gny pazaka ho: "Eza ra gny zafy lahinigny toponao?" Namaly gny pazaka i Ziba: "Ingo, nizano tagny Jerosalema izy, fa hoy izy ho: 'Amizao dra haherigny akohonan'Israely aminahy gny fazakanigny rako."' 4 Dra nizaka tamin'i Ziba gny pazaka ho: "Ingo, ze an'i Mefiboseta aby dra lasanao amizao." Namaly i Ziba ho: "Miondriky a-panetre-tegna eo agnatrehanao zaho, ry pazaka, topoko. Aoky hahita sitraky eo amasonao zaho." 5 Gny fa nagnaton'an'i Bahorima i Davida pazaka, dra nisy lelahy boak'amigny fokon'i Saoly nipoisy boak'agny, atao ho: Simey zanak'i Gera. Niboaky nagnozo zaka a-pandehana izy. 6 Nitorahiny vato i Davida vo reo mana-pahefanigny pazaka aby, na dre teo aza reo tafiky vo reo piamby ze teo akavia vo havananigny pazaka. 7 Nitoka fagnozogna i Simey: "Mandehana agny, mandehana miboaky eto, hanao ze panao rasy, hanao ze olo pandasa-dio! 8 Nivalin'i Yaveh tamireo aby gny lionigny fianakavian'i Saoly ze nalasandrareo, tamigny toera ze nazakandrareo. Namen'i Yaveh teo atagnan'i Absaloma zanakao gny fazaka. Avy amigny faharava hanao akory olonigny lio." 9 Dra hoy i Absay zanadahin'i Zeroia, tamigny pazaka ho: "Nagnino ty amboa maty tihoky gny magnozo gny pazaka topoko? Angao re zaho handeha dra hanapaky gny lohany." 10 Fa nizaka gny pazaka ho: "Pifagnino moa zaho vo hanao, ry zanadahin'i Zeroia? Magnozon'anahy angamba izy akory nizaka taminazy i Yaveh ho: 'Ozogny i Davida.' Iza zay gny afaky hizaka aminazy ho: 'Nagnino hanao gny magnozo gny pazaka?"' 11 Dra hoy i Davida tamin'i Abisay vo gny panopony aby ho: "Ingo, gny zanadahiny, ze naterako, dra te-hifofo gny aiko. Ko maiky fa gny fagnirian'ity Benjamina tihoky gny amigny faharavako? Angao izy dra angao izy hagnozo, akory nibaiko anazy hanao anizay Yaveh. 12 Hagnety gny fahoria miazady aminahy angamba i Yaveh, dra hamaly soa anahy nohonigny ozo nataony taminahy amizao." 13 Ko nandeha tegny andala i Davida vo gny olony, dra Simey koa nagnoriky anereo boaka apita egny tegny ataponigny havoa, nagnozo vo namafy vovoky vo nitorabato anazy raha nandeha izy. 14 Boak'eo dra reraky gny pazaka vo gny olon'aby ze niaraky taminazy, dra nangalaky ay izy gny fa nizano ereo gny hariva. 15 Dra i Absaloma vo gny olon'Israely aby ze ninday taminazy, dra avy tao Jerosalema, dra ninday taminazy i Ahitofela. 16 Dra gny fa avy teo amin'i Absaloma, i Hosay gny Arkita, naman'i Davida, dra nizaka tamin'i Absaloma i Hosay ho: "Ho ela volon'anie gny pazaka! Ho ela velon'anie gny pazaka!" 17 Hoy i Absaloma tamin'i Hosay ho: "Izao ra gny fahatokinao asehonao amigny namanao? Nagnino hanao gny sy nandeha niaraky taminazy?" 18 Hoy i Hosay tamin'i Absaloma ho: "Aha! Fa gny raiky ze nifilin'i Yaveh vo ty vahoaky tihoky dra gny olon'Israely aby koa, gny lelahy ze ho harovako, dra hitoby eo aminazy zaho. 19 Iza avo koa, gny olo tokony ho topoko? Sy tokony hanopo eo amigny fagnatrehanigny zanadahiny ra zaho? Manahaky gny nanopoako teo amigny fagnatrehanigny ranao, dra hanopo eo amigny fagnatrehanao zaho." 20 Dra hoy i Absaloma tamin'i Ahitofela ho: "Ameo gny torohevisao zahay gny amigny tokony hataonay." 21 Namaly an'i Absaloma i Ahitofela ho: "Mandehana mandry miaraky amireo valy panoponigny ranao ze nangany hiamby gny lapa, dra ho ren'Israely aby fa nagnamembo zaka teo amigny ranao hanao. Boak'eo dra hatazaky gny taran'ireo miaraky aminao." 22 Dra namelasy lay ho an'i Absaloma teo ataponigny lapa ereo, dra ninday nandry tamireo valy andevonigny rany teo amason'Israely aby i Absaloma. 23 Dra gny torohevisy ze namen'i Ahitofela tamizay andro zay dra manahaky gny ho ren'olo boak'amigny vavan'Agnahary mihisy. Izay gny fahitan'i Davida vo i Absaloma gny torohevis'i Ahitofela aby.