Toko faha 17

1 Dra nizaka tamin'i Absaloma i Ahitofela ho: "Angao zaho hifily lelahy ro arivo vo ray aly, dra hisanga sy hagneziky an'i Davida zaho amy hariva zao. 2 Ho avy eo aminazy zaho raha bo reraky vo malemy igny izy dra hanapoky anazyami-tahosy aminazy, dra gny pazaka avo gny ho tafihiko. 3 Handesiko mihery aminao avokoa gny olon'aby, manahaky gny apela apekary avy eo amigny valiny, dra gny olon'aby dra hilamy eo ambany fehefanao." 4 Ze nizakan'i Ahitofela dra nakasitrahan'i Absaloma vo reo loholon'Israely aby. 5 Dra hoy i Absaloma ho: "Tokavo avo koa i Hosea gny arkita zao, dra aoky isika hahare ze zakany." 6 GNy fa avy teo amin'i Absaloma i Hosay, dra nihazavan'i Absaloma taminazy ze nizakan'i Ahitofela dra nagnotany an'i Hosay izy ho: "Tokony hanao ze nizakan'i Ahitofela ra isika? Aha, zakao aminay ze torohevisao." 7 Dra nizaka tamin'i Absaloma i Hosay ho: "Sy soa gny torohevisy ze namen'i Ahitofela tamity." 8 Dra nagnapy i Hosay ho: "Fatasao fa pialy mahery gny ranao vo reo lelahiny, dra masiaky ereo, dra manahaky gny bera levo anaky ereo.Lelahy pialy gny ranao; sy handry miaraky amigny tafiky izy amizao hariva zao. 9 Ingo, mety mivony agny andavaky na agny atoera hafa izy amizao. Gny fa misy maty eo apanombohanigny fanafiha gny lelahinao ilany, na iza na iza mahare anizay dra hizaka ho: 'Misy famonoa mitranga eo amireo maramila ze magnaraky an'i Absaloma.' 10 Fa dre reo maramila beheri-po aza, ze manahaky gny fonigny liona gny fon'ereo, dra hatahosy akory fatasy gny Israely aby fa lelahy mahery gny ranao, dra reo lelahy miaraky aminazy dra tena matazaky. 11 Noho izay dra manoro hevisy anao zaho fa tokony miaraky eto aminao gny Israely aby, manomboky agny Dana dra hatragny Beri-sheba, ze maro isa manahaky gny fasy eo amoron-driakym, dra gny vatanao mihisy gny handeha hialy. 12 Boak'eo dra ho avy eo aminazy zahay na eza na eza mety hahita anazy, dra handrakosy anazy manahaky gny ando mezera amigny tany izahay. Sy misy angany ho velo na dre raiky amireo olony, na izy vatany aza. 13 Raha misitaky agny amigny tana raiky izy, dra hinday taly ho agny amizay tana zay gny Israely aby dra ho tarihinay ho agny an-drenirano zay, mandra-pahasimisy na dre vato masaiky raiky aza hita ao." 14 Dra hoy i Absaloma vo reo lelahin'Israely ho: "Gny torohevis'i Hosay gny Arkita dra soa kokoa noho gny an'i Ahitofela." Yaveh dra napisy Fandava gny torohevisy soan'i Ahitofela ba hinday loza eo amin'i Absaloma. 15 Dra hoy i Hosay tamin'i Zadoka vo tamin'i Abiatara pisoro ho: "Ahitofela nanoro hevisy an'i Absaloma vo reo loholon'Israely tamigny fomba manahaky anizay, nefa izaho mana hevisy hafa. 16 Ko amizao dra, mandehana malaky dra tatero agny amin'i Davida; zakao izy ho: 'Ka mitoby ao amireo fitan'i Araba amy hariva io, fa misaha amigny fomba aby, raha sy izay dra ho voately miaraky amireo vahoaky aby ze miaraky aminazy gny pazaka."' 17 Dra i Jonatana vo Ahimaza nitosy teo amigny loharanon'i En-rogela. Nisy panopo apela natao handeha vo hapahafatasy anereo gny amizay tokony ho fatas'ereo, fa sy natahosy ho hita gny fidiran'ereo ao atana. Gny fa avy gny hafasy, dra nadeha vo nizaka an'i Davida pazaka ereo. 18 Nefa nisy tovolahy nahita anereo tamin'io fotoa io dra nizaka tamin'i Absaloma vo Ahimaza dra nagnagny atragnonigny lelahy raiky tao Bahorima, ze nana lava-drano teo atokotaniny, tao gny nizosoan'ereo. 19 Nangalaky fandrakofa gny lava-drano gny valin-dralelahy dra nandroaky anizay tamigny vavanigny lava-drano, dra nagnaparitaky vary teo amizay, dra sy nisy nahay fa tao amigny lava-drano i Jonatana vo Ahimaza. 20 Avy tao amin-drapela tao atragno reo lelahin'i Absaloma dra nanao anizahoky ho: "Eza i Ahimaza vo Jonatana?" Hoy rapela tamin'ereo ho: "Fa nisaky gny ony ereo." Dra gny fa avy nagnety gny magnodidy ereo dra sy nahita anereo, dra nihery tagny Jerosalema 21 Dra gny fa lasa ereo dra niakasy boak'ao an-dava-drano i Jonatana vo Ahimaza. Nandeha nitatisy tagny amin'i Davida pazaka ereo; hoy ereo taminazy ho: "Misangana dra misaha malaky gny rano akory Ahitofela fa nagnome torohevisy manahaky anizay sy zao momba anao." 22 Dra nisanga i Davida vo gny olon'aby ze nindray taminazy, dra nisaky an'i Jordana ereo. Nialohanigny andro maraindray dra sy nisy sy tafita an'i Jordana ereo. 23 Gny fa hitan'i Ahitofela fa sy narahiny gny toroheviny, dra nagnisy lasely gny borikiny izy dra lasa. Noly tagny atanany izy, nandamy reo rahalahiny, dra nagnato-bata. Tamizay fomba zay gny nahafaty anazy dra nalevy tagny amigny lolon-drany izy. 24 Boak'eo i Davida dra avy tagny Mahaniama. Raha gny amin'i Absaloma, dra nisaky an'i Jordana izy, izy vo reo lelahin'Israely aby nindray taminazy. 25 Dra Absaloma nametraky an'i Amasa fa sy Joasa hifehy gny tafiky. Amasa dra zanadahin'i Jitra gny Isnaelita, ze nandry nindray tamin'i Abigaila, ze zanakapelan'i Nahasa dra rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba. 26 Dra Israely vo Absaloma dra nitoby tao amigny ranin'i Gileada. 27 DRa gny fa avy tao Mahanaima i Davida, i Soby zanadahin'i Nahasa boak'ao Raba ao amireo Amonita, vo Makira zanadahin'i Amiela boak'ao Lo-debara, dra Barzilay gny Gileadita boak'agny Rogelima, 28 dra ninday fandria vo bodo-fosy, apindra vo vilagny, vo vary, bombary hordea, lango, saramaso, vagnemba, 29 tately, dibera, agnondry, dra ronono mandry, ba hafahan'i Davida vo reo vahoaky nindray nihina taminazy. Hoy reo lelahy reo ho: "Resy, reraky, dra mangetaheta agny agnefisy gny vahoaky."