Toko faha 18

1 Nanisa reo maramila ze niaraky taminazy i Davida dra nanendry kapitenigny arivo vo kapitenigny zato teo amin'ereo. 2 Boak'eo dra nalefan'i Davida gny tafiky, gny apahatelony teo ambany fifehezan'i Joaba, gny apahatelony raiky hafa teo ambany fifehezan'i Abisay zanadahin'i Zeroia, rahalahin'i Joaba, dra apahatelony raiky hafa teo ambany fifehezan'Itahy Gatita. Hoy gny pazaka tamigny tafiky ho: "Izaho avo koa dra handeha hiaraky amindrareo vatany." 3 Fa hoy reo lelahy ho: "Aoky sy handeha amigny aly hanao, fa raha mienga amigny aly izahay dra sy hiraharaha ze momba anay ereo, na raha maty gny asasakay dra sy hiraharaha ereo. Fa hana dra mendriky gny hariva raiky aminay! Noho izay dra soa raha vonona hagnapy anay aby atiky amigny tana hanao." 4 Dra namaly anereo gny pazaka ho: "Hataoko ze mety ho soa amindrareo." Dra nisanga teo amigny vavahady gny pazaka mandra-piboaky gny isa-zatony vo isagnarivony gny tafiky. 5 Nandidy an'i Joaba, Abisay, dra Itahy gny pazaka nanao anozahoky ho: "Nohonigny aminahy dra mifagnaraha ami-kasoa-fagnahy amigny tovolahy, amin'i Absaloma." Gny vahoaky aby dra nahare fa nagnome anizay baiko zay an'ireo kapiteny momban'i Absaloma gny pazaka. 6 Dra lasa nagnagny ambanivohisy nanohisy an'Israely gny tafiky; niparitaky tamigny alan'i Efraima gny aly. 7 Resy tagny teo agnatrehan'ireo miaramilan'i Davida gny tafik'Israely; nisy famonoa olo ro aly tagny tamin'io andro io. 8 Niparitaky eraky gny farisy raiky manotolo gny aly, dra maro kokoa gny olo ravanigny ala noho gny sabasy. 9 Dra nifanehasy tamigny ilany tamireo maramilan'i Davida i Absaloma. Nitikisy gny apondrany izy, dra nandeha tao ambany sapa matevinigny hazo terebita lahibe gny apondrany, dra voahozo tao amigny rasanigny hazo gny lohany. Yavela nisiraviravy teo agnelagnelanigny tany vo gny lagnisy izy raha lasa gny apondra nitikirany. 10 Nisy olo raiky nahita anizay dra nizaka tamin'i Joaba ho: "Ingo, hitako nihato tamigny hazo terebita i Absaloma." 11 Hoy i Joaba tamigny olo ze nizaka taminazy gny momban'i Absaloma: "Ingo, Hitanao izy! Nagnino gny sy nivelezinao hezera amigny tany izy? Mety honameko sekely volafosy folo vo fehitroky hanao." 12 Namaly an'i Joaba gny olo ho: "Na dre nitakasy sekely volafosy arivo aza zaho, dra bo sy hagnizisy gny tagnako amigny zanaky gny pazaka, akory renay aby fa gny pazaka dra nibaiko anao, an'i Abisay, vo an'i Itahy, nanao anizahoky ho: 'Aoka sy hisy na iza na iza hikasiky anigny tovolahy dra i Absaloma.' 13 Raha nahafo gny aiko tamigny vandy zaho (dra sy misy raha mivony amigny pazaka), dra mety ho nagnary anahy hanao." 14 Dra hoy i Joaba ho: "Sy handigny anao zaho." Dra nangalaky lefo telo tegny atagnany i Joaba dra nandetiky anireo tao amigny fon'i Absaloma, raha bo valo vo nihato teo amigny hazo terebita izy. 15 Boak'eo reo tovolahy folo ze nilaza gny fitova-pialian'i Joaba nagnodidy an'i Absaloma, namely anazy, dra namono anazy. 16 Boak'eo i Joaba nisioky gny tropetra, dra nihery boak'amigny fagnezeha an'Israely gny tafiky, akory i Joaba gny nifehy gny tafiky. 17 Nalan'ereo i Absaloma dra narian'ereo tagny agnaty lavaky lahibe tao agnala; nalevin'ereo tao ambany atotam-bato gny vatany, raha toa ka nienga gny Israely aby, gny olon'aby ho agny atragnony aby. 18 Dra i Absaloma, raha bo velo, dra nananga atotam-bato lahibe tao amigny Lohasakanigny pazaka honazy, fa hoy izy ho: "Sy mana-zanadahy hinday gny agnarako zaho." Nameny gny agnarany gny atotan-bato, dra tamin'io andro io avo koa tonoka ho: Sangam-baton'i Absaloma zay. 19 Dra hoy i Ahimaza zanak'i Zadoka ho: "Angao hihazakazaky hinday vaovao mahafaly ho agny amigny pazaka zaho, dra gny fomba namozen'i Yaveh anazy teo atagnan'ireo fahavalony." 20 Namaly anazy i Joaba ho: "Sy hanao gny ho pinday vaovao amizao; aoky amigny andro magnaraky hanao gny manao anizay. Sy ninday vaovao hanao amizao akory maty gny zanadahinigny pazaka." 21 Dra hoy i Joaba tamigny Kosita raiky ho: "Mandehana, zakao amigny pazaka ze hitanao." Dra nekohoky teo amin'i Joaba gny Kosita, dra lasa nihazakazaky. 22 Boak'eo i Ahimaza zanak'i Zadoka bo nizaka tamin'i Joaba ndraiky ho: "Na ino na ino mety hitranga, dra angao hihazakazaky avo koa zaho dra hagnaraky hanao gny te-hihazakazaky, ry zanako, nefa mahita fa sy hahazo valisoa amireo vaovao hanao?" 23 "Na ino na ino mitranga," hoy i Ahimaza, "Dra hihazakazaky zaho." Dra namaly anazy i Joaba ho: "Mihazakazaha." Dra nihazakazaky tamigny tany lemaky i Ahimahaza, dra nihoasy anigny Kosita. 24 Dra i Davida nipetraky teo agnelagnelanigny agnatiny vo ivelanigny. Nandeha tegny amigny tafonigny vavahady tegny amigny manda gny piamby dra nagnatrasy gny masony. Raha nagnety izy, dra nahita lelahy nagnato, nihazakazaky irery. 25 Nihiakiaky gny pazaka dra nizaka tamigny pazaka. Dra hoy gny pazaka ho: "Raha irery izy, dra misy vaovao ao am-bavany." Nagnato mariny gny pihazakazaky dra nagnariny gny tana. 26 Boak'eo dra nahita pihazakazaky raiky hafa gny piamby, dra napitoka gny piamby vavahady izy; hoy izy ho: "Ingo, misyolo raiky hafa mihazakazaky irery." Hoy gny pazaka ho: "Minday vaovao avo koa izy." 27 Dra nizaka gny piamby ho: "Manahaky gny fihazakazak'i Ahimaza zanak'i Zadoka gny fahitako gny fihazakazaki'gny olo raiky aloha egny." Hoy gny pazaka ho: "Lelahy soa izy dra avy miaraky amigny vaovao mahafaly." 28 Dra nitoka fatrasy i Ahimahaza dra nizaka tamigny pazaka ho: "Mety gny raha aby." Napekohoky gny vatany tamigny tavany teo amigny tany teo agnatrehanigny pazaka izy dra nanao anizahoky ho: "Dera anie Yaveh Zagnaharinao! Nagnafaky gny olo ze nandrasy gny tagnan'ereo nanohisy gny pazaka topoko Izy." 29 Dra namaly gny pazaka ho: "Mety soa ra gny amigny tovolahy Absaloma?" Namaly i Ahimaza ho: "Gny fa nandefa anahy, panoponigny pazaka, hagnaminao agny i Joaba, ry pazaka, dra nahita korota lahibe zaho, fa sy fatako ho ino zay." 30 Dra hoy gny pazaka ho: "Mitoliha kely dra misangana eto." Dra nitoliky kely Ahimaza, dra nisanga. 31 Dra avy teo gny ho eo gny Kosita dra nizaka ho: "Misy vaovao mahafaly honao ry pazaka topoko, fa amizao Yaveh dra namaly faty anao tamireo ze nisangananohisy anao aby." 32 Dra hoy gny pazaka tamigny Kosita ho: "Miety soa ra gny amigny tovolahy Absaloma?" Namaly gny Kosita hoy: "Reo fahavalonigny pazaka topoko, vo reo aby ze misanga manohisy anao ba handrasy anao, dra tokony hanahaky an'io tovolahy io." 33 Dra ketraky fatrasy gny pazaka, dra niakasy tagny amigny efitragno agnabonigny vavahady izy dra nitomagny. Sady nandeha izy gny nitaray ho: "Absaloma zanako, gny zanako, Absaloma zanako! Tokony ho izaho gny maty fa sy hanao, ry Absaloma, gny zanako, gny zanako!"