Toko faha 19

1 Nizakany tamin'i Joaba ho: ''Ingo, mitomagny vo misaona ho an'i Absaloma gny pazaka.'' 2 Dra nivaliky fisogna ho an'ny tafiky aby ilay fandresena tamin'io andro io, fa gny tafiky nahare izay tamin'io andro io ho: ''Misaona ho an'ny zanany lahy gny pazaka.'' 3 Sy maisy niala mangingina gny tana tamin'io andro io ireo maramila, manahaky gny vahoky megnasy miala moramora gny handeha agnaly izy ireo. 4 Nagnaro gny tavany gny pazaka dra nitomagny tamigny feo fatrasy ho: ''Ry Absaloma zanako, Absaloma, gny zanako, gny zanako!'' 5 Dra nilisy atragno tao amigny pazaka i Joaba dra nizaka taminazy ho: 'Nangalaky baraka ireo tavan'ny maramiladrareo aby anio, izay nagnavosy gny ainao androany, gny ain'ireo zanakao lahy vo ireo zanakao vavy, vo gny ain'ireo valinao dra gny ain'ireo valin'ny andevonao hanao, 6 Satria hanao dra tia ireo izy malaiky anao, dra malaiky ireo izay tia anao. Fa androany dra nasehonao fa sinosino aminao ireo pifehy vo maramila. Akehitriny dra mino zaho fa gny velo i Avsaloma, dra maty aby isika, dra ho nahafaky anao izay. 7Dra noho izay misangana dra miova dra zakao am-pahasora ireo maramilanao, fa mianiana amin'i Yaveh zaho, fa gny sy mandeha hanao, dra sy hisy olo dre raiky aza hizano mindray aminao aminio hariva. Ho rasy kokoa aminao noho loza aby izay fa nihatra taminao hatramigny fahatanoranao dra hatramin'izao izay.'' 8 Dra nisanga gny pazaka dra nitoboky teo am-bavahadin'nyu tana, dra gny vahoaky aby nizaka ho: ''Ingo, mitoboky eo am-bavahady gny pazaka,'' dra nagneo alohany anoloany gny vahoaky aby. Dra nienga gny Israely, samy nagnagny atragnony aby gny olon'aby. 9 Dra gny vahoaky aby nialy hevisy gny amigny fokon'Israely aby nanao anizahoky ho: "Namozy asika teo atagnan'ireo fahavalosika gny pazaka, dra nagnavosy asika teo atagnan'ireo Filistina izy, fa amizao dra nienga gny tany izy noho i Absaloma. 10 Absaloma, ze nihosorasika hazaka teto amisika, dra fa maty tagny an'agnaly. Ko nagnigno handrareo gny sy mizaka na ino na ino gny amigny fapolia gny pazaka?" 11 Davida pazaka nigniraky tagny amin'i Zadoka vo Abiatara pisoro nanao anizahoky ho: "Zakao reo loholon'i Joda ho: 'Nagnino gny handrareo ndraiky gny farany amigny fapolia gny pazaka agny amigny lapany, nefa gny zakany gny Israely aby dra makasitraky gny pazaka, ba hinday anazy hiherin'agny amigny lapany? 12 Rahalaiko handrareo, nofoko vo tolako. Ko nagnino handrareo gny ndraiky gny farany amigny fapolia gny pazaka?' 13 Dra zakao i Amasa ho: 'Moa ra hanao sy nofoko vo tolako? Hataon'Agnahary aminahy anie zay, dra mihoasy noho izay aza, raha sy kapiteninigny tafiko eo amigny toeran'i Joaba hanao manomboky amizao." 14 Dra babony manahaky gny olo raiky ze fonigny lelahin'i Joda aby. Nagniraky tagny amigny pazaka ereo nanao anizahoky ho: "Nihery, hanao vo gny olonao aby." 15 Dra nihery gny pazaka dra avy teo amigny Jordana. Dra gny vahoakin'i Joda avy teo Gilgala ba hisena gny pazaka dra avy eo hinday gny pazaka hisaky gny Jordana. 16 Simey zanadahin'i Gera, gny Benjamita, ze avy agny Bahorima, dra nizoso malaky niaraky tamigny vahoakin'i Joda ba hisena an'i Davida pazaka. 17 Nisy arivo lahy avy agny Benjamina nindray taminazy, dra Ziba gny panopon'i Saoly, vo reo zanadahiny dimy ambiny folo dra reo panopony ropolo niaraky taminazy. Nisaky gny Jordana teo agnatrehanigny pazaka ereo. 18 Nisaky ba hinday gny feanakavianigny pazaka vo hanao ze niheveriny aby fa soa ereo. Nekohoky teo agnatrehanigny pazaka i Simey zanadahin'i Gera melohanigny hisahany gny Jordana. 19 Hoy i Simey tamigny pazaka ho: "Aha, ry topoko, ka masiaky anahy na mahasiaro ze nataonigny panoponao tami-keriloha tamigny andro nialanigny pazaka topoko tao Jerosalema. Mengavy, aoky sy handry zay apo anie gny pazaka. 20 Fa reo panoponao dra manahy fa nanota zaho. Ingo, zay gny atony nahaviako volohany tamireo fianakavian'i Josefa aby androany ba hizoso hisena gny pazaka topoko." 21 Fa i Abisay zanadahin'i Zeroia namaly dra nanao anizao ho: "Sy tokony ho vono ra i Simey noho izay, akory nagnozo anigny voahosos'i Yaveh izy?" 22 Dra i Davida nizaka ho: "Moa pifagnino zaho vo hanao, ry zanadahin'i Zeroia, gny tokony ho panohisy anahy handrareo ho vonon'eto Israely ea hanao? Fa mioa sy Fatanao ra fa zaho gny pazakan'Israely amizao?" 23 Ko nizaka tamin'i Simey gny pazaka ho: "Sy ho maty hanao." Dra napanatena anazy tami-pianiana gny pazaka. 24 Dra Mefiboseta zanadahin'i Saoly nizoso ba hisena gny pazaka. Sy nagnisy kapa gny tombony izy, na nangalaky gny volombavany, na nanasa reo lambany nanomboky tamigny andro nandehananigny pazaka dra hatramigny andro Nahaviany soa amasara tao atragno. 25 Ko gny fa avy boak'agny Jerosalema izy ba hisena gny pazaka, dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Nagnino hanao gny sy nindray taminahy, ry Mefiboseta?" 26 Namaly izy ho: "Ry pazaka topoko, namitaky anahy gny panopoko, fa hoy zaho ho: 'Hagnisy lasely gny apondrako zaho ba hahafahako mitikisy anizay vo miaraky amigny pazaka, akory mandringa gny panoponao. 27 Ziba panopoko dra fa nagnendrikendriky anahy, panoponao, tamigny pazaka topoko. Fa gny pazaka topoko dra manahaky gny azelin'Agnahary. Noho izay, atovy ze soa eo amasonao. 28 Akory gny taranaky gny rako aby dra fa lelahy maty eo agnatrehanigny pazaka topoko, kanefa hanao nametraky gny panoponao ho isan'ireo ze nihina teo amigny latabasao manoka. Ko ino sasy noho izay gny rariny honahy ze tokony bo hitaraignako amigny pazaka?" 29 Dra hoy gny pazaka taminazy ho: "Nagnino gny magnaza raha mihoasy?" Fa nanapa-kevisy zaho fa hanao vo Ziba gny hizara reo saka." 30 Dra Mefiboseta namaly gny pazaka ho: "E, aoky izy hangalaky anazy aby, akory gny pazaka topoko dra fa avy soa amasara ato atragnony." 31 Dra Barzilay gny Gileadita dra nizoso boak'agny Rogelima ba hisaky gny Jordana miaraky amigny pazaka, dra nagnatisy gny pazaka nisaky gny Jordana izy. 32 Berzilay dra lelahy fa tena atisy, valopolo tao. Fa nagnome vasy gny pazaka izy fony izy nitoby tao Mahanaima, akory lelahy tena panefoefo izy. 33 Hoy gny pazaka tamin'i Barzilay ho: "Ndeha hiara- mita aminahy, dra hagnome anao toera mindray aminahy agny Jerosalema zaho." 34 Barzilay namaly gny pazaka ho: "Hafiria moa sisa gny andro hiegnako, gny bo tokony hiara-hiakasy amigny pazaka agny Jerosalema zaho? 35 Valopolo tao Zaho. Mahay magnavaky gny soa vo gny rasy ra zaho? Mahavita mihina ze haniko vo nomiko ra gny panoponao? Moa ra zaho mahare gny feonigny pihira lahy vo pihira apela sasy? Ko nagnino gny panoponao gny bo ho vesasy ho anigny pazaka topoko? 36 Te-hisaky an'i Jordana miaraky amigny pazaka fosiny gny panoponao. Ko nagnino gny pazaka gny dra hamaly fitia anahy manahaky anizay? 37 Aoky re gny panoponao holy, ba ho maty agny amigny tanako eo agnilanigny lolondrako vo gny reniko zaho. Fa ingo, Tihoky i Kamama panoponao. Aoky izy hiara-mita amigny topoko pazaka, dra atovy aminazy ze heverinao fa soa aminao." 38 Dra namaly gny pazaka ho: "Hiara-mita aminahy i Kimama, dra hataoko aminazy ze heverinao fa soa, dre na ino na ino irinao aminahy atiky, dra hataoko zay honao." 39 Dra nisaky an'i Jordana gny vahoaky aby, nisaky gny pazaka, dra nanoraky an'i Barzilay izy dra niso-drano anazy. Dra noly tagny atragnony i Barzilay. 40 Dra nita an'i Gilgala gny pazaka, dra Kimama nita niaraky taminazy. Gny tafik'i Joda aby dra ninday gny pazaka nisaky, dra gny asasa-tafiky gny Israely. 41 Vetivety dra nanomboky avy teo amigny pazaka gny lelahin'Israely aby dra nizaka tamigny pazaka ho: "Nagnino reo rahalahisika, reo lelahin'i Joda, gny nangalasy anao dra ninday gny pazaka vo gny fianakaviany nita an'i Jordana, dra gny lelahin'i Davida aby niaraky taminazy?" 42 Dra namaly gny lelahin'Israely gny lelahin'i Joda ho: "Izay akory gny pazaka mariny anay kokoa. Ko nagnino handrareo gny ory amizay? Fa nandany ze nivinilinigny pazaka ra zahay? Fa nagnome fagnomeza ho anay ra izy?" 43 Dra namaly gny lelahin'i Joda gny lelahin'Israely ho: "Mana foko folo mifandray amigny pazaka izahay, noho izay manazo kokoa gny amin'i Davida noho handrareo zahay. Ko nagnino handrareo gny manao sinosino anay? Moa ra sy gny tolo-kevisay gny amigny hindesa gny pazakanay hevery gny re volohany?" Fa reo zakanigny lelahin'i Joda dra mahery kokoa noho reo zakany lelahin'Israely.