Toko faha 8

1 Tafaran'izay dra nanafiky reo Filistina i Davida dra nandresy anereo. Noho izay dra nalan'i Davida sy ho eo amigny fifehezan'ireo Filistina i Gata vo reo zana-bohiny. 2 Dra nandresy gny Moabita izy dra nandrefy gny olon'ereo tamigny sipiky tamigny fapandria anereo teo amigny tany. Nandrefy indronigny sipiky izy ba hamonoa, dra dra indray mandeha avo ba hitana ho velo. Dra lasa panopon'i Davida reo Moabita dra nanomboky nandoa hetra taminazy. 3 Ko dra resin'i Davida i Hadadezera zanak'i Rehoba, gny pazakan'i Zoba, raha lasa napoly gny fazakany teo amoronigny Ony Eofrata i Hedadezera. 4 Nambabo kalesy 1,700 vo maramila atomboky ro aliny boak'amigny Davida. Notraingon'i Davida avokoa gny kalesi-sovala aby, fa nanoka ze tokony ho apy gny kalesy zato tamin'ereo izy. 5 Gny fa avy hagnapy an'i Hadadezera pazakan'i Zoba gny Syriana boak'agny Damaskosy, dra nahafaty lelahy Syriana ro arivo vo ro aly i Davida. 6 Boak'eo i Davida nametraky maramila tagny Syria agny Damaskosy, dra lasa panopony dra nandoa hetra taminazy gny Syriana. Napandresy an'i Davida tegny amize nandehanany i Yaveh aby. 7 Dra nalan'i Davida gny apinga volamena ze tagny amigny panopon'i Hedadezera dra nandesiny tagny Jerosalema reo. 8 Boak'eo i Davida pazaka dra nangalaky varahy maro dra maro boak'ao Beta vo Berotahy, tanan'i Hadadezera. 9 Gny fa ren'i Toy, pazakan'i Hamata, fa nandresy gny tafik'i Hadadezera aby i Davida, 10 dra nirahin'i Toy ho agny amin'i Davida pazaka i Jorama zanany ba hiarahaba anazy vo hiso-drano anazy, akory Davida nialy tamin'i Hadadezera dra nialy tamin'i Toy. Gorama dra ninday raha vita tamigny volafosy, volamena dra varahy nindray taminazy. 11 Davida pazaka dra nanoka reo raha reo ho an'i Yaveh, nindray tamigny volafosy vo volamenan'ireo firenena aby ze resiny__ 12 boak'amin'i syria, Moaba, reo olon'i Amona, reo Filistina, vo gny Amalekita, niaraky tamireo etan'aby voaroba tamin'i Hadadezera zanak'i Rehoba, pazakan'i Zoba. 13 fata-daza gny agnaran'i Davida gny fa avy nambano gny Syriana tagny amigny Lohasaka-sira, nindray tamin'reo lelahy valo arivo vo ray alin'ereo. 14 Nametrahany maramila manera an'i Edoma aby, dra gny Edomita aby dra lasa panopony. Dra Yaveh napandresy an'i Davida tegny amize nandehanay aby. 15 Nazaka teo amin'Israely aby i Davida, dra ninday gny rariny vo gny fahamarigna tamigny olony aby izy. 16 Joaba zanak'i Zeroia gny pifehy gny tafiky, dra Josafata zanak'i Ahiloda gny pirakisy. 17 Zadoka zanak'i Ahitoba vo Ahimeleka zanak'i Abiatara gny pisoro, dra Seraia gny panora-dalana. 18 Benaia zanak'i Joiada gny nendrekisy reo Heretita vo reo Paletita, dra reo zanak'i Davida gny panolosainigny pazaka.